2009-05-20
Ezypta: Nodimandry ny lahimatoa amin'ny zafikelin'ny filoha
Nindaosin'ny fahafatesana tao amin'ny hopitaly iray tany Paris rehefa narary tao anatin'ny fotoana fohy ny lahimatoa amin'ny zafikelin'ny filoha Ezypsiana Hosny Mubarak antsoina hoe Mohammed.
Haingana ny fanehoam-pihetseham-po nataon'ny mpamaham-bolongana noho ny fahafatesan'ity zaza 13 taona ity - nefa tsy nahenoana ny akony velively tamin'ny haino aman-jerim-panjakana raha vao niely ity ...
2009-05-18
Uruguay: Fahalasanan'ny mpanoratra Mario Benedetti
Nodimandry teo amin'ny faha-88 taona niainany ny mpanoratra sady poety Orogoaiana Mario Benedetti tamin'ny 17 May. Nihoatra ny 80 ny bokin-tantara noforonina nosoratany, ankoatra ny tononkalo sy sombintantara ary andrana izay anisan'ny asa sorany, ary voadika tamin'ny teny vahiny eo ho eo amin'ny 20 eo. Olobe eo amin'ny fiarahamonina ...
Myanmar: Faha-150 taona nananganana an'i Mandalay
Mankalaza ny faha-150 taonany mandritra ny telo andro manomboka amin'ny 14 ka hatramin'ny 16 mey i Mandalay, renivohitry ny fitondram-panjaka farany.
Fankalazana ny faha-150 taona an'i Mandalay
Renivohitry ny faritanin'i Mandalay i Mandalay (he!he!) sady tanàna faharoa lehibe indrindra any Myanmar.
Nosoratan'i Ye Lwin Oo tao amin'ny bolongany ny tantara nahatonga ny fanorenana ...
Hong Kong: Donald Tsang, aza fady matesa!
Tezitra tamin'ny fanamarihan'i Donald Tsang Lehiben'ny mpanatanteraka niresaka momba ilay indray 4 jona nandritra ny kabary nataony teo anoloan'ny Mpanao lalàna tamin'ny herinandro (13 mey) ny olona. Hoy ny navaliny raha nanontaniana ny heviny manokana mikasika ny hetsika fitakiana nataon'ny mpianatra tamin'ny 4 jona izy:
I understand Hong Kong people’s feelings ...
2009-05-17
Rivodoza Nargis tany Myanmar herintaona taty aoriana
Nandravarava ny faritra atsimon'ny vinany (Delta) Irrawaddy ny rivodoza nahafaty olona iray tamin'ny volana mey 2008 ka mihoatra ny 2 000 000 ny tra-boina tamin'izany. Notombanana fa 138 000 ny isan'ny maty ary 200 000 no tsy hita popoka tamin'iny fandalovan'ity rivodoza ity. Herintaona taty aorian'ny voina navelan'ny rivodoza Nargis, ...
Iran: Mitao amin'ny alalan'ny facebook ny mpanohana an'i karroubi amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena
Vao nitsahatra ny fandrarana ny Facebook tany Iran, saingy ankehitriny dia mampiasa azy ho fitaovana hanaingana ny filatsahany hofidiana ho filoham-pirenena ny mpanohana ny mpitondra tenin'ny antenimiera teo aloha, Mehdi Karroubi.
Singa iray lehibe amin'ny fametrahana teti-panorona an-tserasera mandritra ny "fampielezan-kevitra 88" ataon'i Karroubi ny Facebook. Lasa iray amin'ny mpanolotsainan'i ...
Tonizia: Miverina manivana bolongana indray i Ammar 404
Niverina namely ny tontolom-bolongana Toniziana indray rehefa nitsahatra vetivety i Ammar 404. Ammar moa no anaram-bositra omen'ny mpamaham-bolongana Toniziana ilay milina mpanakana ny fijerena vohikala ka ny tratrany tamin'ity indray mitoraka ity dia i Zig Zag bolongan'i 3amrouch. Hita fa voasivana ny bolongana rehefa namoaka tamin'ny alalan'ny dikantsary ny Gazety ...
Arabia Saodita: Hanohintohina ny Hajj ve ny gripan-kisoa?
Silamo anarivoarivony no mizotra isan-taona mankany Lameka hanatontosa Hajj (fivahiniana masina), iray amin'ny andry dimin'ny finoana Islamo. Ho voantohintohin'ny viriosy A/H1N1 na ny gripan-kisoa ve ny Hajj amin'ity indray mitoraka ity? Mametraka ny heviny ny mpamaham-bolongana any amin'ny faritra.
Ao amin'ny CrossRoads Arabia, i John Burgess no manazava:
Mpikaroka Saodiana iray ...
2009-05-16
Fifidianana Karana Indiana 09 : Niray safidy hanamafy ny fahamarinan-toerana
Ity lahatsoratra ity dia tafiditra ao amin'ny Fitantarana manokan'ny Global Voices ny fifidianan'ny Karana Indiana 2009
Tonga avokoa ny valim-pifidianana avy any amin'ny vazantany efatra any India ary dia mazava fa nisafidy mazava ny governemantan'ny hery afovoany marintoerana, eo ambany fitarihan'ny UPA ao amin'ny Kongresy ity firenena ity. Ho fanindroany ny ...
2009-05-14
Shina: Mampatahotra ny miseho amin'ny tena anarana amin'ny aterineto
Lasa sehatra manan-danja fanaovan'ny olona politika sy fitsikerana mpitondra ny aterineto any Shina. Voaantoky ny fanafenana anaran'ny mpampiasa azy amin'ny ankapobeny ny fahalalahan'ny aterineto. Na izany aza dia tsy nitsahatra mihitsy ny fitadiavana hanohintohinana io fahalalahana io. Vao tsy ela akory izay dia nosamborina noho ny fiampangany ny tompon'andraiki-panjakana tao ...





Vovonàna GV : Tanteraka koa ny andro fa...
- Mitady namana Malagasy monina any ivelany ka ahafahako mandefa taratas...
Tohiny »