The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Jentilisa Momba ny mpandika teny

RSS ho an ny Jentilisa

2008-06-01

Puerto Rico (U.S.),
U.S.A.

Manontany ary i Liza izay mpamaham-bolongana Pôrtôrikana: “Azonao eritreretina ve ny miresaka amin'ny zanakao amin'izay mety hamonoan'ny sasany ny rainy?”, ary nampiany hoe: “ny tsy azon'ny olona anie dia ny halalin'ny takaitra vokatry ny herisetra noho ny antony ara-piaraha-monina na politika manjaka ao amin'ny fireneny. Anananana ny olona tahaka an'i Hillary Clinton manifika ny famonoana olona noho ny antony politika ho anisan'ny lalao iadiana ny fahefana…ary izay ihany koa no maneho ny maha-hafa indrindra an'i Barack sy ny fampielezan-keviny miohatra amin'ny antoko demokraty iray manontolo.”

“Mahaliana tsy araka ny nanampoizana azy ny mamaky tantara iray amin'ny fomba fijery samihafa. Ataoko fa izay indrindra no nitranga tamin'ny herinandro teo raha nitokona teo anoloan'ny tranolehiben'ny dams manamorona ny reniranon'i Xingu amin'ny lemaky Amazona iny ny Amerindiana”. Topimason'i Lou Gold tamin'ny fampahalalam-baovao lehibe ka nanaovany fampitahana izay nolazain'izy ireo sy ny tatitry ny bolongana sy ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana, izay “sahirana tokoa hampita ny hafatra lalina fonosiny.”

2008-05-29

Nanjaka ny herisetra tao Afrika Atsimo

Na dia efa lasa andro maromaro aza izay ny nampafana ity raharaha ity dia tsara ihany araka ny fiheverako azy ny mamoaka azy etoana. Nanetsiketsika fatratra ny haino aman-jery ary mazava loatra ny… bolongana ihany koa ny ny herisetra faratampony mianjady amin’ny vahiny any Afrika atsimo. Mpibolongana vitsivitsy ary no lasa saina rah amarina tokoa ny filazan’ny governemanta ireny herisetra ireny ho « fankahalana vahiny » (xenophobe, ary misy ny mitsikera ny haino fampahalalam-baovao ho mampirona loatra ity toe-draharaha ity any amin’izay antony nahatonga ny herisetra.

2008-05-25

Mozambique,
South Africa

“Ireo mpanao politika malaza nigoka ny fiarovan'ny vahoaka mozambikana ary efa lasa mpitarika na mpandraharaha amin'izao fotoana izao, nahoana moa izy ireo no tsy manandratra ny feony hiaro ny Mozambikana tsy ho tratran'ny fankahalana vahiny ary hanakana ireo mpanatanteraka (ny herisetra)?”, hoy ny fanontanian'i Bosse Hammarström [pt].

Uganda

Miresaka ny amin'ny “PFanambin'ny fivavahana isan-kazarany any Afrika Atsinanana,” andian-dahatsary ao amin'ny YouTube i Pea: “vao avy nijery YouTube aho izao ary nanaraka andian-dahatsary mitondra ny lohateny hoe “Ny fanambin'ny fiavahana isan-karazany any Afrika Atsinanana.” Navoakan'ny ACFAR, izay inoako fa fanafohezan-tenin'ny African Centre for Apologetics Research (Ivotoeram-pikarohana Afrikana misahana ny fiarovana ny fivavahana arahina) io andian-dahatsary io. Tsapako fa ampy ahy ny nijereko azy nandritra ny roa minitra voalohany, saingy mba hialako amin'ny resaka fanombatombanana fotsiny dia nanapa-kevitra aho ny hijery azy hatramin'ny farany..”

South Africa

Soritsoritan'i Khanya ny niandohan'ny voambolana hoe “makwerekwere,” tenin-jatovo ho an'ny vahiny any Afrika Atsimo:  Mpamaham-bolongana roa liana amin'ny teny sy fiteny ny mitady ny dika sy nipoiran'ny teny hoe “makwerekwere”. Tenin-jatovo ho an'ny vahiny izany, indrindra ireo niditra antsokosoko, ary fampiasako amin'ny lahatsoratra hanoherana ny herisetram-pankahalana nitranga nandritra ny roa volana farany.

2008-05-18

Argentina

Efa vonona ny soritr'asa fampitohizana amin'ny alalan'ny fiaran-dalamby haingam-pandeha ny tanànan'i Buenos Aires sy Rosario ary Córdboa izay mitentina 4 miliara dollars ety ampanombohana. Manolotra lisitra lavabe ny antony ilazany fa hevitra tsy masaka io soritr'asa io ary hanimba vondron'olona maro isan-kazarany. [es]

Lebanon

“Teny an-dalana mankany amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen'i Beirota no nitenenan'ny mpikamban'ny ‘Fivondronan'ny Sembana' sy ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana tamin'ny mpanao politika, tompondakan'ny ady (Seigneurs de la guerre), ny be fihetsiketsehana sy ny akamany ny tsy hiverenenany any an-toerana mihitsy raha mbola tsy milamina ny resaka ka vita misy ny fifanarahana,” izany no tenin'ny mpiara-misakafo zoma atoandro (Friday Lunch Club) momba ny Olobe Libaney manao tapatapak'ahitra momba ny fandriapahalemana tontosaina any Qatar.

Afghanistan

Manangona ny vaovao nandritra ny herinandro i Ny Mpandinika Armeniana (The Armenian Observer) ary milazalaza ny heviny ihany koa. Efa nampoizina ihany ny lohahevitra nibahana tamin'ny fampahalalam-baovao fa ny toe-draharaha taorian'ny fifidianana, ny tena nifantohan-dresaka tamin'ny vaovao tao an-toerana moa dia nirona tamin'ny adin'izy mirahalahy nitondra voalohany ny firenena fa tsy ilay vao voafidy sy ilay mpifaninana aminy loatra.

Australia,
Iran

Niteny i Anthony Lowenstein fa “eo ampakana hevitra” hahazoana mitory ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad ankehitriny ny lehiben'ny fampanoavana Robert McClelland,ao Aostralia, noho ny resany mikasika ny “fandravana” an'Isiraely. Mizara ny heviny mikasika izany tantara izany i Anthony.