Global Voices teny Malagasy » Jentilisa
Alzeria sy Ejipta: Efa tsy resaka baolina fandaka intsony
Iza moa no mba nino fa niteraka romoromo amina firenena roa tahaka izao ny lalao baolina fandaka iray? Saingy ny marina dia tafakatra hatrany amin'ny dingana tsy nampoizina ny fifanenjanana teo amin'i Ejipta sy Alzeria. Maro ny mpamaham-bolongana no mihevitra fa tsy misy ifandraisany ilay lalao sy ny gidragidra misy eny an-dalambe, ary maro ihany koa no tahaka ahy no tohina tanteraka fa misy ireo fampahalalam-baovao malaza no tsy mahatakatra akory ny fandehan'ny tantara iray manontolo - Mbola mino ihany ireo fampahalalam-baovao ireo fa fihetsiketsehana sy gidragidra eo amin'ny samy mpanohana ny ekipam-pireneny noho ny vokatry ny lalao no misy. Toy izao ary ny antsipirian'ny fivoaran'ny toe-draharaha - araka ny nosoratan'ny mpamaham-bolongana.
Taorian'ny lalao natao tany Ejipta dia nilaza ny gazety Alzeriana fa nisy ny Alzeriana no maty (saingy nolavin'ny ambasadera Alzeriana any Le Caire izany vaovao izany). Niteraka fanafihana ny fonenana sy toeram-piasana Ejipsiana tany Alzeria izany tsaho izany; Potika ny masoivohon'ny Egypt Air. Notaterina ihany koa fa mpiasa Ejipsiana mihoatra ny 1500 no voatafika sy voatakalon'aina tao anatin'ny rotaka; Voatery narovan'ny mpitandro ny filaminana Alzeriana ihany koa ny Ambasady Ejipsiana.
Manoratra ireny tsahotsaho ireny ao amin'ny bolongany El Journaljy i Ihab Omar:
ثم اتت الطامة الكبرى، حينما رأى الاعلام الجزائري ان الادعاء بوجود وفيات في المبارة سوف يدعم الموقف الجزائري بطلب اعادة المباراة، خاصة ان ملف المباراة تحت التحقيق بالفعل في الفيفا، و هكذا خرجت الصحف الجزائرية تتحدث عن نعوش جزائرية وصلت الي مطار الجزائر قادمة من مصر، جثث المشجعين الجزائريين المساكين الذين طاردهم المصريين الهمج في كل شوارع مصر
Tonga ny tsy nampoizina, rehefa nilaza ny fampahalalam-baovao Alzeriana fa nisy ny mpanohana ny ekipan-dry zareo no maty. Noheverin-dry zareo fa raha manao izany ry zareo dia afa-mangataka fanafoanana ny lalao, indrindra moa fa hoe eo ambany fiahian'ny FIFA io lalao io. Avy eo dia nanambara ireo gazety Alzeriana ireo fa nisy vatampaty avy any Ejipta tonga tany amin'ny seranam-piaramanidin'izy ireo. Mitondra ny vatamangatsiakan'ireo mpanohana Alzeriana notafihan'ny barbariana Ejipsiana nanerana ny lalamben'i Ejipta ireo vatapaty ireo araka ny filazany.
Taorian'izany dia nandà ny fisian'izany ny Ambasadera Alzeriana ka nilaza fa tsy nisy Alzeriana maty izany tany Ejipta. Saingy araka ny nosoratan'i Inferad ao amin'ny bolongany, dia tsy nahasakana ny fielezan'ny tsaho sy ny herisetra niaraka taminy io fanambarana io.
وأشار السفير حجار إلى أن ما أشاعته صحيفة “الشروق” الجزائرية يوم الأحد عن مصرع سبعة جزائريين بالقاهرة عقب المباراة عار تماما من الصحة، مؤكدا أن هذا الأمر لا يمكن أن يحدث دون علم السفارة، منوها في الوقت ذاته بوجود إصابات بين عدد من الجزائريين نتيجة للتدافع أثناء خروجهم من استاد القاهرة عقب المباراة
يأتي ذلك في الوقت الذي أكدت فيه الخارجية المصرية تعرض العاملين في عدة شركات مصرية بالجزائر لإصابات واعتداءات جماهير جزائرية تقدر بالآلاف، جراء الإشاعات التي روجت لها الصحف الجزائرية لها عقب المباراة
Nanambara moa Atoa Hajjar, Ambasadera Alzeriana any Ejipta, fa tsy misy fahamarinany mihitsy ny navoakan'ny “El Chorouk” milaza ny fahafatesana mpanohana Alzeriana fito tany Le Caire. Nampiany moa fa tsy misy zavatra tahaka izany ka tsy fantatry ny masoivoho, na izany aza dia maromaro ny naratra noho ny firohotana nivoaka ny kianjan'i Le Caire.
Taorian'izany moa dia nanambara ny minisitry ny raharaham-bahiny Ejipsiana fa maro amin'ny Ejipsiana miasa any Alzeria no notafihan'ny Alzeriana anarivony notarihin'ireny tsahotsaho ireny, izay niely tamin'ny alalan'ny gazety Alzeriana.
Nandritra sy taorian'ny lalao tany Ejipta moa dia mbola nilamina ny tontolom-bolongana Ejipsiana. Nanoratra ny mpamaham-bolongana tahaka an'i Nile Wise fa lalao baolina fandaka fotsiny iny ka tsy tokony hanao zavatra mihoam-pampana ny olona:
مباراة كرة القدم بين الفريق المصرى والجزائرى تحولت وبشكل سخيف الى مايشبه اعلان الحرب بين الدولتين ,فالمباراة مهما كانت اهميتها للفريقين فانها فى النهاية مجرد مباراة نعلم جميعا أن مصر لم تتأهل لكأس العالم من 20 عام والجزائرلم تتأهل منذ 24 عام
Niofo ho fihantsiana ady teo amin'i Ejipta sy Alzeria ny lalao baolina fandaka nisy teo amin'ny roa tonta. Lalao baolina fandaka tsotra iny raha tsy jerena ny lanjany eo amin'ny ekipa tsirairay avy, indrindra moa rehefa fantatsika rehetra fa tsy tafita amin'ny dingan'ny famaranana eo amin'ny fiadiana ho tompondaka erantany i Ejipta tao anatin'ny 20 taona izay, raha 24 taona kosa izany ho an'i Alzeria.
Nanambara ny bolongana tahaka an'i Inferad fa ny fampahalalam- baovao eo amin'ny firenena roa tonta no mendrika hotreronina. Niangavy ny olona eo amin'ny firenena roa tonta izy tsy hinohino fahatany izay vakìny sy henony:
لا تصدق كل مايقال لك عن اعمال عنف ضد المصريين فى الجزائر ولا عن قتل الجزائريين فى شوارع القاهرة ..نعم هناك حالة احتقان يفتعلها الاعلام المتطرف بمساندة حكومات فاسدة وفاشلة هنا وهناك ..حكومات لا تعبر عن الشعوب بل استولت على السلطة بالقوة وتحاول الهاء الشعوب بمباريات الكرة والافلام العارية والصحافة الداعرة
Aza mino izay rehetra voasoratra amin'izany hoe Ejipsiana notafihina tany Alzeria na Alzeriana nisy namono tany Le Caire izany. Eny, misy ny faka mangidy (lonilony) foronin'ny fampahalalam-baovao ary ankasitrahan'ny governemanta mpanao kolikoly andaniny sy ankilany - governemanta nahazo fahefana tamin'ny alalan'ny hery, ary te-hisarika ny fifantohan'ny olona amin'ny baolina fandaka, fiboridanana, ary amin'ny gazety tia fanafintohinana (horikorika na journaux à scandales).
Misy ihany koa ny mpamaham-bolongana hafa tahaka an'i Al Journaljy, no manaiky ny fisian'ny herisetra nisy eo amin'ny firenena tsirairay natao tamin'ny mpankasitraka ny hafa:
في مباراة الذهاب التى اقيمت بين مصر و الجزائر هنالك في التصفيات الجارية حالياً، تم قذف اتوبيس المنتخب بالحجارة في شوارع الجزائر
Nandritra ny lalao natao tany Alzeria dia voatora-bato teny an-dalana ny fiara nitatitra ny ekipa ejipsiana.
Ary dia nanohy izy:
سهر الجماهير محدثين أكبر قدر من الضجيج و العربدة اسفل نوافذ اللاعبيين المصريين حتى لا ينعمون بالراحة والنوم لمباراة اليوم التالى
Nandany ny alina hitabataba teny akaikin'ny trano natorian'ny mpilalao Ejipsiana ny mpanohana an'i Alzeria mba tsy hahafahan'ireo mpilalao ireo miala sasatra sy matory.
Nanaiky ihany koa izy fa tsy tsara tahaka ny mpanohana an'i Ejipta ny mpanohana an'i Alzeria, ary samy nanao ny hadalany ry zareo talohan'ny lalao natao tany Le Caire.
و لنصل الي المحطة الاخيرة، الي مباراة السبت الماضى، بالطبع كان هنالك تجاوزات جرت من الطرف المصرى
Ary nitranga izany nandritra ny lalaon'ny sabotsy, azo itokisana fa nisy ny fihoaram-pefy nataon'ny andaniny Ejipsiana.
Ary izao ihany koa no nanoratan'i Daily Barid avy hatrany:
هناك أمر مؤكد بشأن أعمال الشغب من الجانبين المصري و الجزائري فهم ليسوا ملائكة والكل يعلم هذا ,ولكن من يفصل في هذه الأعمال هي السلطات وليس أحد آخر و يجب أن تتحمل السلطات مسؤولياتها الكاملة إذا كان هناك وفيات كما أشيع ولا أتمنى ذلك فالوحيد المسئول عن هذا الأمر هو القضاء و التعامل يكون كالتعامل مع أي قضية إجرامية ودون التوسع إلى أمور أخرى يجب على السلطات في كلى البلدين محاسبة جميع الوسائل الإعلامية غير النزيهة و التي ساهمت بشكل فاضح و شرير في إلهاب مشاعر الحقد بين أفراد الشعب ين
Azo itokisana fa samy nanao herisetra na ny Ejipsiana na ny Alzeriana. Tsy olo-masina ireo, ary samy mahalala izany ny rehetra. Fa ny governemanta (roa tonta) no tompoon'andraikitra nifampiraharaha tamin'ireo nanao action fa tsy tamin'ny hafa. Raha nisy ny fifamonoana, manantena aho fa ny rafi-pitsarana no miditra an-tsehatra, ary tokony ho raharahan-keloka ihany. Tokony hanasazy ny fampahalalam-baovao tsy nanaja ny etikany niteraka savorovoro teo amin'ny vahoaka roa tonta ny governemanta roa tonta.
Raha ny marina ireo zava-nitranga notantaraina tetsy ambony ireo dia azo heverina ho fampidirana ny zava-nitranga tamin'ny alarobia teo tany Soudan. Toy ny manao famaranana na ny Ejipsiana na ny Alzeriana mba ahafahana mahafantatra izay hiakatra amin'ny dingana famaranana hotontosaina any Afrika Atsimo amin'ny herintaona.
Misy ny mpamaham-bolongana manahy fa hisy herisetra hihatra amin'ny mpijery baolina Ejipsiana any Soudan. Izany no nahatonga an'i Lokmet Eish miantso ny mpitandro ny filaminana hiaro ny mpanohana sy ny mpilalao Ejipsiana any:
بعد أخبار صحيفة الخبر الجزائرية المفبركة والكاذبة
مطلوب حماية أمنية خاصة للفريق القومى المصرى،وللجماهير المصرية المرافقة
Taorian'ny vaovao tsy marina navoakan'ny gazety Alzeriana, Al Khabar, dia nisy ny mpitandro ny filaminana manokana nangonina hiaro ny mpanohana sy ny mpilalao Ejipsiana.
Nanao izay ho afany ihany ny Sodaney hifehezana ny kianja tamin'ny nandefasana miaramila miisa 15 000. Saingy efa nivadika moa ny toe-draharaha ka na dia maro tahaka izany aza tsy mbola ampy hahafehy ny raharaha. Nosoratan'i Zeinobia ao amin'ny bolongany izay nitranga:
Natory tamin'alahelo ny ankamaroan'ny Ejipsiana halina taorian'ny faharesena teo anatrehan'i Alzeria, lalao io ary samy mahafantatra fa mety ho resy izahay ary tsy izay akory no farandro saingy mbola niari-tory ihany ny maro amin'ny Ejipsiana manerantany hatramin'ny maraimbe fa hazain'ny jiolahimboto Alzeriana romotra hoe, raha izay no ilazako azy, ny mpanohana antsika nandritra ny alina.
Ejipsiana anarivony no nandany ny alina tany ampiafenana na izany tany amin'ny trano fandriambahiny na trano fisakafoanana na tany amin'ny orinasa Ejipsiana HQ ao Khartoum ary misy aza miafina any an-tranon'ny Sodaney noho ny tahotra sao dia tratra ka voadaroky ny jiolahimboto Alzeriana entin'ny voromby Alzeriana.
Araka ny filazan'ny nanatri-maso tao amin'ny kianja Sodaney dia tsy ireo mpanohana Alzeriana mahazatra ireo tonga tany ireo, tsy nohirainy akory manko ny hira malaza ahafantarana azy ireo manao hoe “1,2,3 Algerie”. Jiolahy efa zatra ady namotsy ny tsenan'i Um Darman tao anatin'ny telo andro katroka tamin'ny alalan'ny kalaza, antsy, sabatra ry zalahy ireo. Mazava loatra fa efa nampitandremana izahay fa tsy noeritreretinay ho tahaka izany ny fandehany indrindra moa efa fantatra fa resy isika. Teny ampividianana tapakila aza dia efa maro ny Ejipsiana tsy nandeha tany noho ny tahotra hisian-javatra tahaka izao indrindra.
Nihaza ny fiarakodianay sy ny fiarabenay tamin'ny vato sy tavoahangy ireo jiolahy Alzeriana ireo, ary maro mihitsy ny Ejipsiana no naratra. Ny seranam-piaramanidin'i Khartoum moa dia tahaka ny tsy haiko ny milaza azy,mety hoe mahantra noho ny toe-karena fa tena hipoka, tena hipoka mihitsy.
Nandritra ny alina manontolo ny firenena no mahare antsom-pihorohoroana avy any Soudan ataon'ny olo-malaza, mpanao gazety, solombavambahoaka sy mpanohana mahazatra izay voafandrika any an-dalamben'i Khartoum any mandritra ny ora ary tsy mahafantatra izay lalan-kodiavina.
Nanoratra momba ny mpankasitraka Ejipsiana iray poa-maso noho ity raharaha ihany koa izy, ary mampitaha izay nitranga ihany koa 20 taona lasa izay raha nanapoaka masona mpankasitraka Ejipsiana iray ihany koa ny mpankasitraka Alzeriana iray:
Aoka ho fantatrao fa olo-pirenena Ejipsiana iray antsoina hoe Marwa Abdel Karim ihany koa no poa-maso, tahaka ny hoe misy fifandraisany fa nanao toy izany tamina olo-pirenena Ejipsiana hafa ihany koa 20 taona lasa izay i  Baloumi tamin'ny 1989.
Eto ihany koa dia nanoratra izay nitranga tany Soudan i Bani Adam Maa Waqf El Tanfeez. Nosoratany ny lahatsary iray nivoaka an-tserasera nampitandrina ny Ejipsiana tsy hankany, ary misy ahitana ireo mpankasitraka Alzeriana mitondra antsy eny an-tanany:
أولا أعتذر عن سوء فهمي للموضوع و قيامي بمبادرة تعمل على نبذ التعصب و للأسف كتبت عنها الجرائد الجزائرية .. مما يجعلني أشعر بالعار الآن
لا أعرف كيف لم أصدق كلامهم .. فقد شاهدت بعيني فيديو أسمه ( تحذير لكل مصري ) يقول فيه كل ما سوف يحدث و أنهم سوف يرسلون بلطجيه و لصوص و مسجلين خطر للانتقام من المصريين
بعد فهمي للموضوع أري أن الحكومة الجزائرية و سفيرها في مصر مشارك في المجزرة التي حدثت
Tena miala tsiny indrindra aho, noho ny tsy fahazoako ny resaka iray manontolo ary niantso fandraisana andraikitra hampitsahatra ny herisetra misy eo amintsika sy ny gazety Alzeriana nanoratra momba an'io. Tena manao azafady indrindra noho izany aho ankehitriny.
Tsy fantatro hoe naninona no tsy ninoako izay nambaran-dry zareo. Nahita ny lahatsary iray navoakan'izy ireo aho [tao amin'ny YouTube] izay “Nampitandrina ny Ejipsiana rehetra”, izay efa nilazan-dry zareo ny hitranga ary efa nanampikasana ny handefa mpamono olona mitondra fitaovam-piadiana hamaly faty ny Ejipsiana.
Ankehitriny hitako fa nandray anajara tamin'ity famonoana ity ny governemanta Alzeriana sy ny ambasaderany.
Ary dia notohizany ny resaka:
أرسلت مصر خير أبنائها لمشاهدة المباراة لإضفاء نوعا من السلام و الحب ..
فمن في الوطن العربي كله ؟ لا يسمع محمد فؤاد ؟؟ من في الوطن العربي كله لا يحترم الفنانة فردوس عبد الحميد . من الوطن العربي كله لم يضحك على كوميديا الفنان احمد بدير ؟؟ و غيرهم و غيرهم
أنهم رموز مصر و رموز الوطن العربي كله
بينما أرسلت الجزائر أبنائها من قاطعين الطرق و مسجلين الخطر و غيرهم و نقلتهم على قواتها الحربية ؟؟ كما أكدت وسائل الإعلام أمس أن الجزائر كانت تستخدم الطائرات الحربية ؟؟؟
أذن الجزائر تكره مصر ؟؟
نعم
الجزائر تكره مصر …. الجزائر أعلنت الحرب و نحن كنا نقول وردة لكل جزائري
هل رأيتم شعب يتصرف بساذجة مثلا !! بالطبع
Nandefa ny vato nasondrotry ny tany avy amin'ny fiaraha-moniny tany i Ejipta hijery ny lalao, mba ho mariky ny fitiavana sy ny fandriampahalemana.
Iza tamin'ny tontolo arabo moa no tsy efa nihaino an'i Muhammad Fouad [mpihira ejipsiana], na efa nanaja an'i Fardous Abdel Hameed [mpanao tantara tsangana Ejipsiana], na efa nihomehy tamin'ny hatsikan'i Ahmed Bedeir. Ary ireo hafa ihany koa.
Olomangan'ny Arabo ireo.
Nefa etsy ankilan'izany kosa i Alzeria dia ireo mpisetrasetra sy mpamono olona no notaterin'ny voromby maro an'ny miaramila.
Koa mazava ankehitriny fa mankahala an'i Ejipta i Alzeria. Eny, halan'i Alzeria i Egypt, ary efa nihantsy ady tamintsika, raha mbola teo ampiresahana raozy ho an'i Alzeriana tsirairay isika.
Efa nahita vendrana tahaka antsika tahaka izao ve isika taloha? Tena tsia mihitsy.
Ary dia hita ampahibemaso izany ankehitriny, vonton'alahelo (adala) noho izay nitranga tany Soudan na ny fampahalalam-baovao, na ny vahoaka eny an-dalambe, na ny fitondrana Ejipsiana.
Manoratra ato izay nolazain'ny manam-pahefana Ejipsiana i Zeinobia:
Nampiantso ny Ambasadera Ejipsiana (hody) i Ejipta tao anatin'ny fotoana efa naharatsy ny fifandraisantsika ka vao maika nanampy trotraka ny faharisarisam- pifandraisana tamin'i Alzeria izany
Efa tsy hita eto Ejipta intsony ny Ambasadera Alzeriana, mino aho fa mangoron'entana izy izay.
Efa mifaninana amin'ny fepetram-piarovana ny ambasadin'i Etazonia, i Isiraely ary i Danemarka ny fiarovana any ambasady alzeriana ao amin'ny lalana Brezila any Zamalek.
Nisy fifampiantsoana hanafika ny ambasady manko hatramin'ny maraimbe tany amin'ny takelaka facebook
Nanao fanambarana ofisialy mitsipaka sy manameloka ny fanafihana ny mpanohana antsika ny federasiona Ejipsiana , antenaina fa hotaterintsika any amin'ny FIFA izany
Niala tao amin'ny federasiona baolina fandaka Afrika avaratra ny federasiona Ejipsiana
Nanambara ny orinasa mpamokatra lahatsary tantara (tantara an-tsarimihetsika) Ejipsiana “ orinasa Arabo mpamokatra sy mpampiely lahatsary tantara” fa hanao ankivy ny hetsika Alzeriana.
Tarek Amr
Brezila: famoizana ilay mpitari-dalan'ny resaka niomerika
Malaza amin'ny resaka niomerika any Brezila i Daniel Pádua . Saripika nentin'i Cátia Kitahara ao amin'ny Wordpress-BR.
Namoy ny iray amin'ny mpitari-dalana amin'ny resaka niomerika androany (zoma) i Brezila. Nanao fizaham-pahasalamana i Daniel Pádua [pt] (fantatra amin'ny hoe @dpadua ao amin'ny Twitter) ka fantatra fa tratran'ny homamiadana ary dia lavo tao andrenivohitra Brasília androany (zoma) maraina. Tonga nanatrika matetika amin'ny resaka rindrambaiko manokatra loharano (open source) sy ny hetsika ara-kolontsaina afaka any Brezila ny lehilahy ka fitaratra ho an'ny  mpamaham-bolongana maro amin'ny resaka fahavitrihana sy ny fahalalaham-pitenenana amin'ny aterineto.
Ao amin'ny bolongan'ny Wordpress-Br, no anoratan'i [pt] Cátia Kitahara :
Hoje perdemos um amigo queridíssimo, aqui da comunidade, o Daniel Pádua. Sentiremos muito sua falta, não só pelo grande talento e inteligência que ele possuia, mas principalmente pelo seu caráter. Queremos manifestar nosso carinho para sua família e amigos.
Nandao antsika androany i Daniel Pádua ilay akama reven'ny tontolontsika indrindra. Hisy ny fahabangana lehibe avelany noho ny talentany sy ny fahaizany ambony, ary indrindra noho ny toetrany. Maneho ny fiaraha-miory amin'ny fianakaviany sy ny namany izahay.
Rehefa niely nanerana ny vohikala moa ny vaovao dia niondri-panajana teo anatrehany sy nanao veloma farany azy ny mpampiasa Twitter nahalala ny asany sy ny ezaka nataony:
Fahatsiarovana takariva  @dpadua. 480N.
Ity no lahatsoratra natokan'ny Global Voices ho an'i Daniel Pádua. Mandria ampiadanana.
Diego Casaes
Iran: zavakanto manohitra
Mir Hussein Mousavi, iray amin'ny mpitarika mpanohitra Iraniana no nanamarika vao haingana nandritra ny resadresaka tanaty lahatsary fa tsy manam-paharoa eo amin'ny tantaran'i Iran ny famoronana artistika nananan'ny hetsi-panoherana ‘maitso' hatramin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona lasa teo. Nahazo aingam-panahy tamin'ny hetsika maitso nataon'ny Iraniana ny mpanakanto Iraniana sy ny tsy Iraniana haneho ny talentany hamorona haikanto (designs), afisy, sary ahetsiketsika ary lahatsary an-kira hanehoany ny fanantenany sy ny fahatezerany.
Indro misy angona hosodoko miompana amin'ny hetsika “maitso” noforonin'i Soheil Tavakoli, mpanakanto Iraniana monina any Etazonia:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/5WNxxteh9kc&hl=en_US&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/5WNxxteh9kc&hl=en_US&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Namorona  sombin-kanto hafa i Hamed Pourabedin ao amin'ny takelaka Facebook-ny : Oksizena ho an'i Iran
Ary satria moa  miomana amina fihetsiketsehana hafa indray ny mpanohitra Iraniana amin'ny 4 Desambra ho avy izao, Andron'ny Mpianatra Anjerimanontolo (faha-16 Azar), dia efa nanomana afisy ampolony indray ry zareo.
“Amin'ny faha-16 Azar, haverintsika i Iran”
Azonao jerena ihany koa ny tantara hafa ato amin'ny Global Voices:
Iran: Zavakanto manampy ny fanoherana
Iran: Manome aingam-panahy ara-javakanto ny hetsi-panoherana
Hamid Tehrani
Iran: Nihaika ny fitondrana indray ny Hetsika Maitso
Nanomana fidinana an-dalambe ho fanoherana ny fiaraha-mientan'ny mpanohitra Hetsika Maitso ny faha-4 ny volana Novambra (faha-13 Aban), fa nanararaotra ny fihaonana nokarakarain'ny mpitondra fanjakana tamin'io andro io hanamarihana ny faha-30 taona nananihana ny Ambasadin'i Etazonia ao Teheran. Nahery vaika ny nandravan'ny mpitandro ny filaminana ity fihetsiketsehan'ny mpanohitra ity.
Araka ny efa nantenaina, dia nandrakitra ny Iranian citizen media recorded “tantara” tamin'ny finday ny olo-tsotra nitati-baovao.
Manitsaka ny sarin'ny Mpitarika Faratampon'ny firenena, Ayatollah Ali Khamenei, ny mpanao fihetsiketseha-panoherana tao Teheran, fihetsika izay tsy azo nosainina akory volana vitsy lasa izay.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/ROBiaGs7OYo&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/ROBiaGs7OYo&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Hafatra ho an'i Obama: Na ianao miaraka aminay na amindry zareo.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/x-yLLZ3JGfM&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/x-yLLZ3JGfM&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Mehdi Karoubi, mpitarika mpanohitra, miaraka amin'ny vahoaka.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/UuGNPxkIXU4&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/UuGNPxkIXU4&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Manafika ny mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro ny filaminana
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/AIiAopKXE7w&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/AIiAopKXE7w&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Hamid Tehrani
Georgia: Mampitabataba orthodoksa
Any amin'ny firenena mpivavaka indrindra ao atsimon'i Kaokazy izay ahitana Patriarka an'ny fiangonana Orthodoksa mbola mandrisika ny fiterahana maro, dia mbola fady izany mitsikera mpitondra fivavahana izany. Mbola  ratsy kokoa noho izany sady mampidi-doza ny manivaia azy ireny, araka ny taterin'ny This is Tbilisi Calling [miantso ity i Tbilisi].
The Georgian police are reported to have tracked down the thought criminals responsible for “indecent and insulting” satirical videos which targeted the head of the Orthodox Church and caused a nationwide scandal in this fervently religious country. A statement from the Interior Ministry identified the culprits as a school pupil and a student. […]
Notaterina fa nahasarona ireo mpanao heloka tompon'antoka tamina lahatsary  satirika[mampihomehy toa maneso] “tsy mahalala menatra sy manompa” ny lehiben'ny Fiangonana Orthodoksa ka nampitabataba nanerana ity firenena fatra-pivavaka ity ny polisy Georgiana. Ny fanambarana nataon'ny minisiteran'ny atitany no nahafantarana fa mpianatra madinika sy mpianatra any amin'ny anjerimanontolo ry zalahy ireo.[…]
Nasondrotr'i Evolutsia hivelatra kokoa ny adihevitra ka nosinganiny ny herin'ny Fiangonana sy ny fahalalahana hiteny. Tao amin'ny singan-dahatsoratra tao amin'ny vaovaon'ny bolongana vaovao mamoaka vaovao amin'ny teny anglisy i Inge Snip no nampaneno ny lakolosy fanairana.
One of the most fundamental freedoms is, I believe, the freedom of speech. Freedom of speech enables a country to show to every citizen that their opinion is allowed to be heard, no matter the content. In addition, a true democracy allows the mocking of important figures in society, and by doing so, it shows its maturity.
To conclude, there is no grounds for investigating this issue, nor should there be; however, the law enforcement agencies did the opposite, because there is some kind of popular demand. As a student of law, this is easily one of the most ridiculous grounds for any judicial investigation I have ever heard.
Araka ny fahafantarako azy, ny fototra lehibe iray manorina ny fahalalahana dia ny fahalalahana miteny. Avy amin'ny fahalalaham-pitenenana no ahafahan'ny firenena iray maneho amin'ny olom-pirenena tsirairay fa omena alalana hohenoina ny hevitr'izy ireo, tsy maninona izay votoatiny. Ankoatra izany ny tena demaokrasia dia mamela ny fanesoesoana ny tsongoin' olom- bolo eo amin'ny fiaraha-monina  handeha, fa avy amin'ny fanaovana izany no anehoany ny fahamatorany.
Raha fehezina dia tsy misy antony tokony hanaovana famotorana amin'ity raharaha ity, na tokony tsy hisy izany;  saingy ny mifanohitra amin'izany moa no ataon'ny mpampihatra ny lalàna, satria misy ny karazana fitakiam- bahoaka amin'izany. Amin'ny maha-mpianatra ny lalàna, dia ity no iray amin'ny famotorana ataon'ny fitsarana kidaladala indrindra henoko.
Onnik Krikorian
Fampidirana ny Threatened Voices [feo voarahona]
Tsy mbola nisy hatramin'izay hamaroan'olona voarahona na voagadra noho ny zavatra nosoratany tamin'ny aterineto.
Koa satria moa nitombo aoka izany ny olo-tsotra no nampiasa ny aterineto  hanehoany ny heviny sy  ifandraisany amin'ny hafa, dia maro ihany koa ny mpitondra fanjakana no nanamafy ny fanaraha-maso, nanasivana, fitoriana eny amin'ny fitsarana ary ny fanorisorenana. Ny tena henjana indrindra amin'ny maro dia ny fisamborana ny mpamaham-bolongana noho ny resaka politika nosoratany an-tserasera sy/na an-toeran-kafa, ary misy aza indrisy ny mitarika hatrany amin'ny fahafatesana. Mahatratra ny 45%-n'ny mpiasan'ny fampitam-baovao mameno ny fonja ankehitriny no mpanao gazety an-tserasera sy mpamaham-bolongana avokoa.
Ankehitriny, namoaka vohikala vaovao antsoina hoe Threatened Voices [feo voarahona] indray ny Global Voices Advocacy [Global Voices mpisolovava] ho entina manara-maso ny fanapenam-bava an-tserasera. Mampiseho ny sarintanin'izao tontolo izao sy ny fivoarana misy ka hanampy amin'ny fitopaza-maso ny trangam-pandrahonana sy fisamborana mety hahazo ny mpamaham-bolongana manerantany izy io, ary ho ivon-tsehatra fanangonam-baovao avy aminn'y fikambanana sy mpikatroka tena mavitrika, ka tafiditra ao ny Vaomiera miaro ny mpamaha-bolongana, Fikambanana Arabo miaro ny Zon'olombelona eo amin'ny vaovao, Mpanangom-baovao tsy voasakan-tsisintany[Reporters Sans Frontieres], Human Rights Watch[Mpiaro ny Zon'olombelona], CyberLaw Blog, Amnesty International, Komity mpiaro ny mpanao gazety, Global Voices Advocacy.
Mpamaham-bolongna inona ary Aiza?
Maro ny antony mahasarotra ny mikaro-baovao miresaka mpanoratra an-tserasera sy mpamaham-bolongana voarahona sy voasambotra.
Voalohany, sarotra dia sarotra ny mamantatra azy noho ny tsiambaratelo manodidina ny fanasivanana an-tserasera sy ny fangejana. Tsy misy herinandro izay tsy andrenesana mpanao gazety an-tserasera hafa na mpikatroka voasambotra amina firenena tahaka an'i Ejipta na Iran, saingy zavamiafina tanteraka matetika ny anton'ny fisamborana sy ny antsipiriany.
Faharoa, mbola mifangaroharo be hatramin'izao ny famaritana ny antsoina hoe “mpamaham-bolongana”. Mihamaro dia mihamaro ny mpanao gazety matihanina no mikisaka mankany amin'ny gazety an-tserasera sy mamaham-bolongana fa any nomisy fahafahana kokoa, ka manasaritaka ny  famaritana napetraka teo aloha. Ary maro amin'ireo antsoina hoe cyber-dissidents any Shina, Tonizia, Vietnam, na Iran no tsy manana bolongana ho azy manokana. Misy ihany koa ny fotoana noho ny zavatra natao amin'ny fiainana andavanandro no isamborana ilay mpamaham- bolongana fa tsy amin'izay navoakany an-tserasera.
Io fisavoritahana io no manasarotra ho an'ny mpiaro ny fahalalaham- pitenenana an-tserasera amin'ny fametrahana teti-panorona mahomby sy ahazoana fiaraha-miasa matotra hiarovana ny mpamaham-bolongana sy ny mpitolona an-tserasera, fa efa tena zava-dehibe aloha ny manandrana aloha.
Andao hiara-miasa
Mitarika ny vondrona mpanoratra, tonia sy mpandika teny izahay ato amin'ny Global Voices , mampahalala anay amin'izay mety hisiana fihoaram-pefy rehetra mikasika ny fahalalaham-pitenenana sy ny zon'olombelona. Kendrentsika ny hanakaikezana ny olona rehetra mety hanam-baovao mikasika izany miaraka amin'ny Threatened Voices.
Miantso izay rehetra manana havana, namana, mpiray tanindrazana izay efa nahazo fandrahonana izahay mba hametraka ao sy hilaza ny vaovao farany y mombamomba ireo izay nanjavona na voasambotra, mba ahafahanay mikaroka loharanom-baovao hafa, hanamarina, sy hametraka rohy an-tserasera natokana mba hanafahana azy ireny.
Amin'ny alalan'io fomba io, dia manantena izahay hahalala bebe kokoa hoe oviana, taiza ary tamin'ny fomba inona na nanao ahoana no nahatonga ny mpamaham-bolongana ho voahosihosy ny zony any amin'ny firenentsamihafa any, mba hahafahana mizara ny vaovao amin'ny mpanao gazety, mpikaroka, ary ny mpikatroka, sy hananganantsika aterineto ahafahan'ny rehetra mampihatra ny zony hiteny amin-kahalalahana, ary mba tsy hanadinoana ireo mpamaham-bolongana any am-ponja.
Aelezo maneratany. Tweet-eo [siaho an-tserasera], iresaho amin'ny bolongana ary ankotrio ny mombamomba anao ao amin'ny facebook hilaza ny Threatened Voices!
Sami Ben Gharbia
Shina: Fanavaozam-pifidianana
Nanomboka niady hevitra ny amin'ny drafi-panavaozana ny lalam-pifidianana, mba hampitovy lanja ny vaton'ny any an-tanandehibe ny vaton'ny any ambanivohitra ny mpanao lalàna faratampony any Shina, ny Antenimieram-Pirenena entim-Bahoaka. Voapetraka hovakiana voalohany nandritra ny fivoriana fanao isan-droavolana faha-11 teo anivon'ny vaomiera maharitra tamin'ny herinandro teo ity volavolan-dalàna ity, izay mametraka fa “mitovy araka ny isan'ny mponina isoloany tena ny isan'ny solombavam- bahoaka avy any an-tanandebibe sy ny avy any ambanivohitra amin'ny fifidianana solombavam-bahoaka ho ao amin'ny Antenimieram-pirenena entim-bahoaka”.
Amin'ny lalàna misy ankehitriny manko, ny solombavam-bahoaka avy any ambanivohitra dia misolo olona mampitombo in'efatra noho ireo avy any an-tanan-dehibe. Ny dikan'izany dia hoe ny solombavam-bahoaka avy any ambanivohitra dia misolo tena olona 960 000, raha misolo tena olona 240 000 kosa ireo avy an-tanan-dehibe. Lazain'ny manampahaizana momba ny lalàna fa mampitaratra ny [fiovana tskelikelin'ny] fiaraha-monina an-tanan-dehibe sy ambanivohitra Shinoa io volavola io. Nanomboka tamin'ny taona 1953 taona nandaniana voalohany io lalàna io ny fitongilanana misy ankehitriny. Tamin'izany fotoana izany manko dia maro dia maro noho ny avy any an-tanan-dehibe ny isan'ny mponina any ambanivohitra. Ny nokendrena tamin'izany fotoana izany dia ny tsy hahamaro isa loatra ny solombavam-bahoaka avy any an-tanan-dehibe.
Somary nifararemotra kokoa ny mpiserasera raha nahita ny lohatenin-gazety tantanin'ny fanjakana manao hoe “Zorina mankamin'ny fampitovian-jo politika sy fari-piainana an-tanan-dehibe sy ambanivohitra ny lalàna shinoa” sy ny hoe “Dingana manakaiky kokoa ny fitovian-danja”.
Manontany ny fahazoa-mitoky sy ny famerana ny fandraisana anjaran'ny mponina any Shina amin'ny fifidianana ny mpiserasera avy amin'ny nfdaily.cn:
1 # 网友 2009-10-28 10:18:40: 当某一权利仅仅是纸面权利，而不被坐实时，大家都不重视它就在所难免。而不重视的结果是，让这一权利更加流于形式. 这么多年在外面遇见很多黎民百姓，问过很多人，结果都和我一样从来不曾有用过一次选举权的事。一切还是务实点好。许多空话对百姓又有什么意义。
Raha an-taratasy ihany fa tsy mihatra akory ny fananan-jò, dia tsy raharahian'ny olona. Ny vokany lasa fombafomba fotsiny ilay zo. Maro ny olona nanontaniako nandritra ny taona maro. Maro, ary anisany aho, no tsy afa-nifidy mihitsy hatramin'izay. Teny tsy misy dikany ireny amin'ny sarambambem-bahoaka.
6 # 网友 2009-10-29 23:47:33: 选举制度无论怎样改，内定人选早就安排好了
Na inona na inona fanavaozana eo, efa voalahatra mialoha hatrany ny kandidà tiana apetraka.
Vao haingana izay fa tamin'ny volana septambra, dia nisy lahatsoratra tao amin'ny Southern Metropolitan Weekend momba ny fanavaozana tahaka izao nahazoana fanehoan-kevitra:
Mameng 2009-09-17: 其实现在就算这四分之一的选举权都没有充分的给农民行使啊.很多农民这一辈子都没亲眼见过“人大代表”为何方神圣
Raha ny marina, tsy nanam-pahafahana hampihatra ny “ampahaefatry ny zony” hifidy akory taloha ny tantsaha. Maro no tsy mbola nahita solombavam-bahoaka akory nandritra ny androm-piainany.
Misy ireo manontany ny ilàna voalohany ny fampitovitoviana lanja ny mponina ambanivohitra sy andrenivohitra:
foxhtj 2009-09-18: 如果构成人民的主体是农民，为什么人代会不能成为农民大会，何况是在没有农会的情况下，难道仅仅是因为按马教教义，工人阶级是统治阶级，高人一等？那又何必上山下乡呢
Nahoana kosa moa raha mba ny tantsaha no maro an'isa ao amin'ny Antenimiera raha ny tantsaha no maro an'isan'ny mponina? Satria ve noho ny Marksisma-Leninisma nilaza hoe ny ny sarangan'ny mpiasa no saranga tokony hitondra? Koa raha izany, inona no ilàna ny hetsika “Mankany ambanivohitra”?
Miharihary fa adihevitra maro no milafika ao ambadiky ny fanavaozana. nanome ny fanadihadiany i 孫嘉業 avy ao Mingpao any Hong Kong:
不過，雖然近幾屆全國人大農村代表比例增加，但真正的農民代表人數與毛澤東時代相較卻不增反減。在3000多名代表中，真 正的農民僅百名左右，很多農村人大代表是鄉鎮幹部。即使在毛澤東時代，農村選出的人大代表又能在多大程度上代表農民利益，頗成疑問。在國家工業化的進程 中，農民的利益總是最先被犧牲掉的。
Na dia mitombo isa aza ny solontenan'ny avy any ambanivohitra dia nihena ihany raha oharina ny tamin'ny andron'i Mao. Manodidina ny zato monja miohatra amin'ny solombavam-bahoaka 3 000 no tena tantsaha. Ny ankamaroan'ny solontenan'ny tantsaha dia mpiasam-panjakana ihany. Na dia tamin'ny andron'i Mao aza dia efa nampanontany tena ny fiarovan'ny solontenan'ny tantsaha ny tombotsoany. Ny tantsaha hatrany no sorona voalohany rehefa mizotra ny fanapariahana ny indostria.
真正增加農民在國家政治生活中的話語權，單靠增加農民選出的人大代表的數量是不足夠的。正如現今的工人代表亦未能充分代表 工人利益一樣，要徹底改革人大代表産生方法，就應落實人民的選舉權和被選舉權，擴大選舉競爭性，打破身分職業的界限，做實地域代表制，如此，「幾分之一」 的困擾，亦隨之化為無形。
Tsy ampy ny mampitombo ny isan'ny solontena fidian'ny tantsaha raha tiana ny hampitomboana ny solontenan'ny tantsaha eo amin'ny sehatra nasionaly. Tahaka izany koa, tsy tafitan'ny solontenan'ny mpiasa loatra ny zon'ny mpiasa eto Shina amin'izao fotoana izao. Raha tiana hisy fiovana ifotony ny fandrafetana ny solontena ao amin'ny Antenimieram-pirenena entim- bahoaka dia mila hatsarain'i Shina ny zon'ny olona ho afaka mifidy sy ho afaka fidiana, Ampitomboina ny fifaninanana eo amin'ny fifidianana, ravàna ny famerana mifototra amin'ny fonenana [occupation] sy ny fiaviana [identity], ary omena vahana ny fitsinjarana ara-drariny ny solontena isam-paritra. Raha efa izay, dia mety ho voavaha ny adihevitra momba ny zo hifidy “mitsipotipotika”.
Andy Yee
Honduras: Hanomboka hifarana ny krizy?
Manokatra ny varavaran'ny famahana ny krizy, nanomboka tamin'ny 28 jona 2009 tamin'ny nanonganana ny Filoha Manuel Zelaya ny nanasoniavana ny  “Fifanarahana fifampidinihan'i Guaymuras ao San José/Tegucigalpa [es]”. Nanao ny sonia tamin'ny 29 oktobra teo ny ekipa nisolo tena an'i Zelaya sy ny an'ny filoha vonjimaika Roberto Micheletti, miaraka amin'ny faneken'i Etazonia, na raha tononina mazava dia ny sekreteram-panjakana lefitra misahana ny raharahan'ny hemisfera, Atoa Thomas Shannon.
Ny tena niompanan'ny fifanarahana izay niadian-kevitra indrindra sy nampandamoka ny fifanarahana hatramin'izay dia ny momba ny hierenan'i Zelaya na tsia eo amin'ny fitondrana indray. Mametraka fifampizaram- pahefana ity fifanarahana ity sy ny hanekan'ny andaniny sy ny ankilany ny  valim-pifidianana izay hotanterahina amin'ny 29 Novembra ho avy izao. Eo ampelatanan'ny Kongresy Nasionaly moa amin'izao fotoana izao ity fifanarahana ity, izay tsy maintsy hanaiky nefa izy ireo ihany no nandrotsa-bato ny hanalana an'i Zelaya 120 andro mahery izay.
Saripikan'i NewsHour ary ambany fahazoan-dalan'ny Creative Commons license
Midera izao fifanarahana vita sonia izao ny Fiarahamonina Iraisampirenena. Manohana ny fifidianana hotontosaina amin'ny volana novambra ny Vondrom-pirenena Amerikana [kaontinanta], tahaka iany ihany koa ny Vondrona Eoropeana sy i Etazonia, izay efa mamoaka visa ho an'ny firenena indray,  izay nandraisana fepetra nanerena ny fitondran'i Micheletti.
Mifangaroharo ny fanantenana sy ny fisalasalana any Honduras. Fanantenana fa hivaha araka izay haingana indrindra, farafaharatsiny ny toe- java- misy ankehitriny, ny krizy politika, ekonomika, ary sosialy izay niainan'ny firenena hatramin'ny volana jona. Fisalasalana satria mbola eo ampelatanan'ny Kongresy ny momba ny fiverenan'i Zelaya. Misy noho izany ny hevitra mivoaka avy amin'ny bolongana:
Ao amin'ny bolongana Nacer en Honduras [es], no anoratan'i Ardegas “Hiverina hitondra ve i Zelaya? Fanontaniana mampihazohazo,” ary dia nojereny ny sakantsakana mety hatrehiny mialoha ny hiverenany eo amin'ny fitondrana. Ohatra, nosoratan'i Ardegas fa tsy hanakery ny famerenana hitondra indray raha tsy ahanton'ny Fitsarana Tampony ny didy fampisamborana an'i Zelaya.
Mino i Juan Carlos Rivera ao amin'ny Mirada de Halcón [es] :
La crisis aún no ha terminado, el acuerdo es, a penas, la puerta hacia la resolución del conflicto. La inestabilidad, la convulsión social, continuará si no retorna Manuel Zelaya Rosales al poder. Esto no lo digo yo. Lo grita la gente que está en la calle. La mayoría de hondureños exige la reintegración del presidente que eligieron en noviembre de 2005.
Mbola tsy tapitra ny krizy, varavarana misokasoka ialana amin'ny fifanandrinana ny fifanarahana. Mbola hitohy ny fikorontanana raha tsy miverina mitondra i Manuel Zelaya Rosales. Tsy izaho no miteny izany. Fa izany no tabataba eny an-dalambe. Mitaky ny hamerenana amin'ny toerany   ny filoha nofinidiny tamin'ny novambra 2005 ny ankamaroan'ny Hôndiorianina.
Ao amin'ny bolongana Hibueras [es], no ilazan'i Gustavo Zelaya ny fifanarahana voasonia ho “Lalana mankamin'ny Fankalazana?” ka nanambarany ny heviny mikasika ny fitsabahan'i Etazonia amin'ny raharaham-pirenena:
Esto era lo fundamental para muchos, en especial para los gringos encabezados por Shannon y para el resto de los candidatos presidenciales. Y aquí es donde se nota con toda claridad quiénes son los que mandan, ordenan, imponen y deciden en los asuntos nacionales. Ya no sólo les debemos la clasificación al mundial.
Fototra ity ho an'ny vahoaka maro, indrindra ho an'ny Amerikana tarihin'i Shannon sy izay rehetra mpirotsaka hofidiana ho filoha hafa. Mazava tsara eto hoe iza no manday ny andraikitra, iza no manome baiko, iza no mametraka sy  manapa-kevitra amin'ny raharaham-pirenena. Noho izany tsy ny fahatafidiran'i Etazonia handray anjara amin'ny fiadiana ny ho tompondaka erantany ihany no adidintsika.
Farany, milaza ny bolongana Honduras en el Mundo [es] fa “mampiandry antsika ny Kongresy:”
Hay que estar vigilantes, y espectantes, la restitución está cerca, pero no hay que confiarse, esperamos que los diputados del Congreso sean consecuentes con el país, que reparen el delito que cometieron, y solucionen este problema, para que de una buena vez sea revertido este golpe de Estado.
Tsy maintsy mailo ny rehetra sy hijery tsara, manakaiky ny fiverenana, saingy tsy tokony hatoky tena be loatra ny tsirairay, antenaina [hijery ny tombotsoan'ny firenena] ny solombavambahoaka, ary hanonitra tamin'ny heloka nataony, ka hamaha ity olana ity, mba hitsimbadika indray mandeha tsy miverina ny fanonganam-panjakana.
Leonidas Mejia
Tao amin'ny fetiben'ny mpamaham-bolongana indoneziana
Nanana sehatra fanafamafisan'orina ny fiaraha-mientana hamaham- bolongana i Indonezia. Nahasarika mpamaham-bolongana sy mpitia teknolojia avy amin'ny vazantany efatr'ity firenena midadasika ity ny fetiben'ny mpamaham-bolongana (Pestablogger) fanao isan-taona any Indonezia.
Fahatongavana maro hanatrika ny fetiben'ny mpamaham-bolongana Indonezia
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="480" height="385" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/cZwFCS2aO4U&hl=en&fs=1&rel=0" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="480" height="385" src="http://www.youtube.com/v/cZwFCS2aO4U&hl=en&fs=1&rel=0" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Sehatra hita tamin'ny fetiben'ny mpamaham-bolongana.
Fanintelony izao no nanatontosana ity hetsika fanao isan-taona ity ary mahafinaritra ny mahita ny fitomboan'isan'ny mpandray anjara isan-taona.
Tsy vitan'ny mitsinjara eo amin'ny lefiny jeografika ihany ny mpamaham- bolongana Indoneziana fa eo amin'ny fahasamihafan-taona sy asa fanao ihany koa.
Fotoana iray niresahana ny etikan'ny famahanam- bolongana
Fotoana iray niresahana ny fampitam-baovao ataon'olo-tsotra
Olom-pirenena mampita vaovao iray mizara ny traikefany amin'ny mpamaham- bolongana
Fotoana iray fampifandraisan-tanana an'i indonezia misaratsaraka amin'ny alalan'ny famahanam- bolongana. Niresaka ny fomba iseraseran'i Indonezia amin'izao tontolo izao [zary] ivelany amin'ny alalan'ny bolongana ihany koa ny mpandray anjara.
Tristam(misolo tena ny fikambanana mpanohana), Chip (mpankafy teknolojia avy any Vietnam) ary Retty (mpamaham-bolongana Indoneziana) eo am-piresahana. Tsy dia ahitana loatra ny fandraisana anjaran'ny vahiny tahaka ny mpitranga any amin'ny hetsika Kambojiana na thailandey ny hetsika Indoneziana. Mbola misy ihany ny olona liana tsiraidraika mitsiritsirika ary manantena izahay fa ho maro kokoa amin'ny manaraka ny olona avy amin'ny faritra atsimo atsinanan'i Azia no ho tonga.
Mpanakanto batik eo am-panamboarana ny t-shirt-n'ny fetiben'ny mpamaham-bolongana.
Mpamaham-bolongana maka rivotra avy amin'ny fiadian-kevitra ka mankafy mihira.
Preetam Rai
Tonizia: Fifidianana madio sy tsy mitongilana?
Araka ny efa tsikaritra mialoha dia nandresy tamin'ny fifidianana toniziana indray ka hitantana fanindiminy ny firenena ny filoha Zine Al Abidine Ben Ali. Ny tsy nantenaina dia ny 89.69%n'ny vato rehetra azony. Ny faminavinana manko dia nametraka fa tokony hahazo vato bebe kokoa noho io izy.
Tafavoaka tsara ihany koa ny antoko mitondra misy an'i Ben Ali dia ny Fivondronana ara-Dalampanorenana Demokratika. Nahazo toerana 161 amin'ny 214 ry zareo ao amin'ny parlemanta. Antoko enina no nifampizara ny toerana 53 ambiny: Hetsika ho an'ny Demokraty Sosialista, toerana16; Antoko Iraisam-Bahoaka, tarihin'i Mohamed Bouchiha, toerana12; Ny Firaisana  demokratika Inionista an'i Ahmed Inoubli, toerana 9; Antoko Sosialy Liberaly, toerana 8; Antoko Maitso ho amin'ny Fandrosoana, toerana 6 ary ny antokon'i Ahmed Brahim dia ny Antoko Ettajdid, toerana 2.
Nilaza ny antoko mitondra fa nadio sy tsy nitongilana ny fifidianana 2009. Saingy hafa kosa ny hevitry ny mpitarika ny antoko mpanohitra sy ny mpamaham-bolongana : Mihevitra izy ireo fa nampiavaka ity fifidianana  filoham-pirenena sy solombavambahoaka notontosaina tamin'ny 25 oktobra 2009 tany Tonizia iny ny fanakatsakanana sy ny fanemporana nandritra ny fampielezan-kevitra.
Tamin'eso no nanamarihan'i Arabasta fa :
مبروك عليكم ما عملتو
نتوجه بالشكر أولا إلى الشعب التونسي اللي قام بواجبو الإنتخابي في كنف الديموقراطية و الشفافية و الروح الرياضية البارح و إنتخب رئيس جديد للبلاد و مجلس نواب أخر لمدة خمسة سنين. الإختيار هذا كان محكم و مدروس و حتى واحد ما حاول يأثر على العباد و حتى من التلفزة و الصحافة كانو في المستوى و عطاو وقت متساوي لكل المترشحين و الأنصار متاعهم بقطع النظر عن
قربهم أو بعدهم عن السلطةنتوجه بالشكر زادة لسيادة رئيس الجمهورية (لمدة 5 سنوات أخرى) و نعتذر عن عدم الدعوة و التصويت ليه و نستنكر و نشجب
التصرفات المشينة هذي أما نذكر أنو عمري ما شككت في نزاهة الإنتخابات و حريتها، فمن المعروف أنو في حالة تزوير الإنتخابات النتائج تكون من نوع 99،98% لكن الملاحظ النزيه يعرف أنو نتيجة 2009 ما تبعدش برشة على النسبة اللي ربح بيها شيراك في 2002 في فرنسا و لذا فالإنتخابات هذي إرتقت بينا إلى مصاف الدول العظمى و المتقدمة
Arahabaina tamin'izay vitanareo e!
Mivantana any amin'ny olom-pirenena Toniziana ny fankasitrahako voalohany izay namita ny adidiny teo anatin'ny mangarahara sy tamim-pomba demokratika omaly. Nifidy ny filoha vaovao ho an'ny firenena sy parlemanta vaovao hiasa dimy taona hafa indray izy. Efa nolanjalanjaina sy natao tamim-phendrena tokoa iny safidy iny. Tsy nisy ny nanindry ny olona ary tsy nitongilana fa nizara tamim-pahitsiana ny fotoana ho an'ny kandidà rehetra sy ny mpanohana azy ny televiziona sy ny gazety fa tsy nojereny ny fifandraisany amin'ny goernemanta.
Mankany amin'ny filoha (izay voafidy hiasa dimy taona fanampiny indray) ihany koa ny fankasitrahako ary manao azafady aho raha tsy nanohana sy tsy nifidy azy. Melohiko mihitsy ny fihetsiko na dia tsaroako tsara aza fa tsy nanontany ny momba ny tsy fironana sy ny tsy fitongilanan'ny fifidianana mihitsy aza aho. Ary efa fantatra moa fa raha nisy ny hosoka nandritra ny fifidianana dia tokony ho 98.99% ny vato azo. Fa ny mpitazana tsy mitongilana dia mahita fa tsy mifanalavitra loatra noho ny valim-pifidianana tany Frantsa tamin'ny 2002 izay nandresen'i Chirac ity valim-pifidianana 2009 ity. Izany no ahafahantsika miteny fa miaka-tsanda kokoa hiara-milahatra amin'ny firenen-dehibe sy mandroso isika.
Nanoratra tamin'ny tenim-paritra Toniziana i Nakhlet Wed El Bey (Voanio eo amin'ny reniranon'i Bey) :
أنا لا أشكك في نزاهة التمثيلية الإنتخابية
آش كان عليه لو كان حلّينا اللعب شويّة
و نزعنا الأكمام من أفوه المعارضة الحقيقية
لإنتصر الرئيس بسبعة و سبعين في المية
و انتزعنا من قلوب الرعايا النفاق و السكيزوفرينية
Tsy manontany ny momba ny fahadiovana sy ny tsy fitongilanan'ny ankamantantra antsoinahoe fifidianana toniziana aho.
Fa ny amin'ny hoe raha mba mahalefitra kokoa isika
Ary mandray ny valanoranon'ny tena mpanohitra
Avy amin'izay dia mety ho nandresy tamin'ny isan-jato 77.7% ny filoha
Ary dia mety ho nahala sy fihatsarambelatsihy sy ny aretin-tsaina tamin'ny fon'ny olom-pirenena isika
Some Thoughts from Tunisia [eritreritra sasany avy any Tonizia] kosa indray, tamin'ny lafiny ilany no nitantara izay nitranga taminy raha nandeha nifidy tamin'ny ora faramparany tamin'io andro io izy :
كيما قلت سبقني مرافقي للقاعة متاع الانتخاب وكيف دخلت انا نلقا الدنيا داخلة بعضها والجماعة يتغامزو عليه ويتلفوا في الجرّة (ما فاقوش اللي احنا مع بعضنا). اكهو فهمت آش صار: ضهر السيّد مازال في دارو وهوما ريڨلولو اموروا وانتخبوا في بلاصتوا وصححوا في الدفتر في بلاصتوا… آيا قالولو ما صار شيء برّا للخلوة اختار وموش لازم تصحح (الورقة كلها مصححة وماعادش فمة بلايص)… هاذا كلّو صاير وانا واقف نتفرّج!! السيّد مشى للخلوة وانا نسمع فيهم يْوَشْوْشُو ويحكيو بالسرقة بالحرف الواحد:
“هذا العمدة انتخب في بلاصتوا…!!!!”
Araka ny nolazaiko, teo alohako ho any amin'ny efitra fisainana ny namako. Rehefa niditra ny efitrano aho dia hitako ny fikoropahan'olona sy ny pi-maso  nifanaovan'ny sasany sy ny hafa mody tsy mahita izany rehetra izany ka sahala ny hoe tsy nisy na inona na inona nitranga (Tsy fantatr'izy ireo fa niaraka izahay). Azoko avy hatrany ny zava-nitranga: Raha mbola tany an-trano izy dia efa nandrotsa-bato sy nanasonia teo amin'ny toerany ry zalahy.
Avy eo dia nilaza tamin'[ilay namako] ry zareo: “Tsy misy na inona na inona nitranga, mahazo mifidy izay tianao hofidiana ianao fa tsy mila manao sonia intsony. (Efa voasonia avokoa ny taratasy iray manontolo ary tsy misy intsony ny toerana azo anaovana sonia).
Nitranga avokoa izany rehetra izany nandritra ny nitsanganako teo. Nandeha nifidy ilay namako ary henoko ny bitsibitsika hoe:
Ny “Omda”  (ampanjakan'ny vondron'olona)  no nifidy teo amin'ny toerany.
Lina Ben Mhenni