Andriamifidisoa Zo · Novambra, 2012

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Novambra, 2012

Homs: Tantaran'ny Tanàna Syriana Revolisionera Rava

Anisan'ny tanàna Syriana maro hita amin'ny lohatenim-baovao ankehitriny i Homs, izay tanàna niorina tamin'ny 2300 talohan'i Kristy. Azo tarafina amin'ny alalan'ny fahapotehan'ny fanorenana sy maritrano manan-tantara, ireo mpialokaloka an'hetsiny ary ireo maritiora an'arivony ny fahasimbana goavana nateraky ny fandaroahan baomba nandritra ny volana maro. Homs ao amin'ny tantara Ilay tanàna 4300taona...

Mifanohitra Amin'ny Lalampanorenana Ve ny Fifidianana Ho Avy Any Japana?

  29 Novambra 2012

Nisy vondrona mpisolovava nampakatra tamin'ny Fitsarana Ambony tao amin'ny distrikan'i Tokyo fa tsy mifanaraka amin'ny Lalapanorenana ny fifidianana ankapobeny ho avy. Saingy nolavin'ny Fitsarana ny raharahan'izy ireo tamin'ny 21 Novambra 2012. Nofoanan'ny Praiminsitra Yoshihiko Noda ny Antenimieram-pirenena Japoney tamin'ny 16 Novambra 2012 ka niantso fifidianana ankapobeny indray izy amin'ny 16 Desambra...

Maoritania: Hetsika 25 Febroary Mitsipaka ny [Fibaikoana] Fanaraha-mason'i Frantsa

  29 Novambra 2012

Mandalo vanim-potoana ara-politika tsy ahatsinjovana ny ho avy i Maoritania hatramin'ny nandefasana ny filoha Mohamed Ould Abdel Aziz hotsaboina any Paris rehefa naratran'ny tifi-bala izy tamin'ny 13 oktobra 2012. Mifandamina ny ao Maoritania mandra-piveriny saingy maro ny Maoritaniana no manontany tena amin'ny anjara andraikitr'i Frantsa amin'ny toe-draharaha ankehitriny. Fihetsika nisabakabaka nataon'i Frantsa tamin'ny 2008...

Espaina: Tsy Ampy Taona Nodarohan'ny Polisin'ny Katalonia, Antso Hialàn'ny Minisitra

  26 Novambra 2012

Ny fampiasana hery nataon'ny vondron-kery polisin'i Katalonia antsoina hoe Els Mossos d’Esquadra [ca], nandritra ny fitokonambe [ca] tamin'ny 14 Novambra 2012 (#14N [ca]) no niteraka onjam-panamelohana an-tserasera. Niteraka fametrahana fanangona-tsonia [ca] ho fialan'ny minisitry ny atitanin'i Katalonia, Felip Puig, avy amin'ny antoko politika rezionaly efatra ity toe-draharaha nitranga tao antenantenan'ny fampielezan-kevitra manantantara ity.

Espaina: Fifidianana Katalana – “Garcia Avokoa Izahay Rehetra”

  25 Novambra 2012

Mitodi-doha mankany amin'ny biraom-pifidianana indray androany alahady, 25 Novambra 2012 ny any Katalonia izay ao raha mitokozihitra ny eo amin'ny toekarena ary mavaivay ny adihevitra momba ny fisintahana amin'i Espaina. Nanomboka tamin'ny alalan'ny lahatsary mampiady hevitra nivoaka tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Antokom-Bahoakan'ny Katalana [es] (Partit Popular de Catalunya na PPC) izay mpitàna ny firaisampirenena ny fampielezan-kevitra, izay nifantoka indrindra tamin'ny adihevitra momba ny fahaleovantena [fr] tamin'ny herinandro lasa teo.

Taratasy Misokatra Ho An'i Marissa Mayer: HTTPS Amin'ny Tolotra Yahoo! Rehetra Ankehitriny Izao

GV Mpisolovava  24 Novambra 2012

Taorian'ny fanendrena miezinezina an'i Marisa Mayer ho filoha tale jeneralin'ny Yahoo!, Afaka nanararaotra ny mpitantana vaovao hamaha olana maika: Yahoo! Mail no hany habaka lehibe mbola miankina amin'ny serasera tsy azo antoka. Efa nataon'ny Google ho mipoitra voalohany tamin'ny tolotra GMail tamin'ny fiandohan'ny taona 2010 ny Hypertext Transfer Protocol Secure (HTTPS), arofeni-pifandraisana...