Andriamifidisoa Zo · Jolay, 2012

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Jolay, 2012

Espaina: Tsy Voasakana Ny Hetsika An-dalambe

  23 Jolay 2012

Hatramin'ny nahatongavan'ny mpihady tao Madrid, izay nitokony ho fanoherana ny fampihenana hatramin'ny 63% ny tetibolan'ny sehatr'asandry zareo, tsy nitsahatra ny fihetsiketsehana nataon-dry zareo tao an-drenivohitra Espaniola. Mizara ny sary izahay.

Bus Mpizaha tany Isiraeliana Voatafika Tany Bolgaria

Farafahakeliny fito no maty tamin'ny fanafihana tanora Isiraeliana tao amin'ny bus ho an'ny mpizaha tany tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Burgus tao Bolgaria. Milaza ny tatitra fa nataona mpitondra baomba manao vivery ny ainy ny fanafihana, izay na teo akaikin'ny bus na tafiditra tao anaty bus. Araka an'i  nrg, nijoro teo anoloan'ny bus...

Ejipta: Naka ny Pop Corn-ny Ny Farao Lehibe

Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, tsy nankasitrahan'ny Ejipsiana loatra ireo nosafidiany tamin'ny fiodinana farany; nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin'ny fifidianana ny sasany raha nifidy ny kandidà iray noho ny tahotra ilay kandidà hafa kosa maro hafa. Ankehitriny efa i Mohamed Morsi, kandidàn'ny Mpirahalahy Miozolomana, no filoha. Mizara ny heviny ny mpiserasera

Ethiopia: Mahazo Vahana Ny Fanoheran'ny Miozolomana

  15 Jolay 2012

Miha-mipoitra tsikelikely ny fahazotoan'ny miozolomana Ethiopiana manohitra ny fitsabahan'ny fitondrana mihamivandravandra amin'ny raharaham-pivavahany rehefa nanao fanentanana an-tserasera ry zareo tamin'ny volana Mey. Ary rehefa tafidina an-dalambe ny fahazotoan-dry zareo an-tserasera dia nanomboka nampiasa hery tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro ny filaminana federaly Ethiopiana. Araka ny nolazain'ireo mpikatroka ao an-toerana manoratra ao...

Madagasikara : Vita Hatreo Ve Ny Air Madagascar Rehefa Avy Nividy Airbus Tamin'ny Air France?

  15 Jolay 2012

Voarara tsy mahazo mandia ny faritr'habakabaka eoropeana tamin'ny 2011 ny zotram-pitaterana an'habakabaka Air Madagascar noho ny tsy fanarahany ny fitsipi-piarovana mihatra. Nankalazain'ny fitondrana tetezamita malagasy nanetriketrika tokoa ny fividianana Airbus A340 roa an'ny Air France. Saingy, maro ny fanontaniana nipoitra amin'ny hoe sahaza antsika ve, manao ahoana ny fanomezam-bola sy ny fombafomba nividianana azy sy ny vokatra lavitr'ezaka sy ny faharetany eo amin'ny orinasa.

Lahatsary: Misokatra Ny Fifaninanana Manerantany Horonantsarimihetsika Iray Minitra Momba Ny Tontolo Iainana

Manomboka ny fifaninanana horonantsarimihetsika iray minitra miompana amin'ny tontolo iainana andiany fahatelo karakarain'ny Tve Biomovies. Mahazo mandray anjara avokoa izay rehetra mihoatra ny sivy taona manana fakantsary ka manana hevitra hanao lahatsary (video) iray minitra miompana amin'ny lohahevitra mifandraika amin'ny tontolo iainana mba hahazoana loka $300 ahafahana mifaninana hahazoana loka goavana kokoa mitentina $1500 sy fandraisana anjara amin'ny valandresaky ny Firenena Mikambana UN COP 18 hotontosaina amin'ny volana Novambra.