Andriamifidisoa Zo · Marsa, 2012

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Marsa, 2012

Zon'Olombelona An-Tsarintany Ao Kambodza

  31 Marsa 2012

Mampiasa sarintany an-tserasera ny mpiaro ny zon'olombelona any Kambôdza hanangonana antontan-kevitra, hanaraha-maso ary hampisehoana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona manerana ny firenena. Sithi na ny vavahadin-tseraseran'ny mpiaro ny zon'olombelona dia manana ny Sarintanim-panosihosena ahitana amin'ny ankapobe ny fiitatry ny fanosihosena ny zo isan-karazany any Kambôdza. Asehon'ny sary etsy ambany ny fanitsakitsahana ny...

Goatemalà: Diaben'ny Tambanivohitra Sy Ny Vazimba Teratany Hiarovana ny Taniny

  31 Marsa 2012

An'arivony ireo Vazimba Teratany sy campesinos (tambanivohitra) goatemalteka no nandray anjara tamin'ny diabe naharitra enina andro hiarovana ny taniny, hanoherana ny famindra-toerana, ary miantso ny ijerena ny lohahevitra hafa misy fiantraikany amin'ny fiaraha-monina ambanivohitra. Manazava ny  Cultural Survival: Nomanin'ny Comite de Unidad Campesino, (CUC) [Komity Fampiraisana ny Campesino] ny diabe...

Miangavy #AlalahoNyBoky Ny Arzantiniana

  29 Marsa 2012

Nampirohondrohona ny fahatezerana tao amin'ny tambajotra sosialy ao Arzantina indray ny famerana vaovao momba ny fanafarana boky.  Amin'ny alalan'ny Hitsivolana 28/2012 [es] (noforonina ny 28 Febroary 2012), ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Tetibolam-Panjakana [es] ao Arzantina, amin'ny alalan'ny sekretariam-panjakana misahana ny varotra anatiny, no nandray fepetra vaovao momba ny fanafarana avy any ivelany ny entambarotra...

Koety: Tenifototra Iray Ve Dia Mampigadra Mpisera Twitter?

Satria moa fahita any amin'ny firenen-drehetra ny mpisera Twitter mampiasa tenifototra, dia misy ny tenifototra miforona isan'andro, isan'ora, eny fa na dia isa-minitra aza indraindray. Tany Koety, namorona ny tenifototra #بطارية (bateria na mpiteraka angovon'aratra amin'ny teny Arabo) ary dia vaky ny vavahadin'ny helo. Manazava ny antony amintsika ny mpamaham-bolongana Koesiana Abdullatif AlOmar.

Sri Lanka: Fihetseham-Po Tamin'ny Fanapahan-Kevitr'i Etazonia Tao Amin'ny UNHRC

  26 Marsa 2012

Tamin'ny 22 Marsa 2012, firenena 24 no nifidy ny tolo-kevitr'i Etazonia tao amin'ny Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Zon'Olombelona nandritra ny fivoriana miresaka momba an'i Sri Lanka ary mandrisika ny fitondrana hametraka ny hafatra avy amin'ny Lessons Learned and Reconciliation Commission (LLRC) [Vaomieran'ny Lesona Nianarana sy ny Fampihavanana] sy hanao famotorana amin'ny fomba azo itokisana ihany koa ny fisian'ny lazaina fa fanitsakitsahana ny zon'olombelona ,nitranga nandritra ny ady an-trano naharitra dia naharitra nifanaovana tamin'ny LTTE misy ny Tigra Tamola mpitaky ny fizakan-tena.