Andriamifidisoa Zo · Febroary, 2012

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Febroary, 2012

Porto Riko: Sary 365

  26 Febroary 2012

Manapika sary iray isan'andro tao anatin'ny roa taona ny mpaka sary José Rodrigo Madera [es], ary anatin'ny tetikasany antsoina hoe "365" izany. Ny namany ao amin'ny Facebook ihany no nahita ny sariny mandra-pamoakan'ny gazety-boky Revista Cruce [es] sary 20 amin'izy ireny ho ankafizin'ny rehetra.

Tonizia: Nofoanan'ny Fitsarana Ny Didy Hanivana Ny Porno

Notsipahan'ny Fitsarana Tampony tao Tunis omaly ny Didim-pitsarana hanivana ny pôrnô amin'ny aterineto. Namoaka didy tamin'ny Sampandraharaha Toniziana misahana ny Aterineto (ATI) ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tamin'ny 26 Mey 2011 hanivana ny vohikala voasokajy ho X. Nohamafisin'ny Fitsarana Ambony izany tamin'ny 15 Aogositra 2011. Noarahabain'ny mpiserasera manohana ny fahafahan'ny aterineto tanteraka ny didim-pitsarana nivoaka omaly

Ny Fiara Kodiaran-telon'i Azia Atsimo Atsinanana

  22 Febroary 2012

Tuktuk, Beca, Kuliglig, Trishaw, Pedicab, Becak, Tricycle. Ireo no kodiaran-telo malaza be mpanana any amin'ny faritra Azia Atsimo Atsinanana. Hita eny an-dalan'ny tanandehibe izy ireny, saingy miezaka ny handrara ireny posisposy hita na aiza na aiza sy efa entin'ny motera mitatitra olona ireny ny governemanta maro.

Senegal: Gidragidran'ny Polisy Sy Ny Mpanao Fihetsiketsehana Herinandro Mialoha Ny Fifidianana

  19 Febroary 2012

Herinandro mialoha ny fifidianana filoham-pirenena dia rendrika ao anatin'ny herisetra nateraky ny firotsahan'ny filoha ankehitriny Abdoulaye Wade mitady fe-potoana fahatelo hofidiana indray i Senegal. Nanomana fihetsiketsehana an-dalambe hanoherana ny fitadiavan'i Wade fe-potoana hafa itondrana, izay heverin'izy ireo ho fanitsakitsahana mivandravandra ny Lalampanorenana ny mpanohitra hatramin'ny fotoana naneken'ny Fitsarana Momba ny Lalampanorenana ny firotsahan'i Wade

Madagasikara : Ny Fahasimbana Nateraky Ny Rivodoza Giovanna An-Tsary sy An-Dahatsary

  16 Febroary 2012

Niditra an-tanety teto Madagasikara tamin'ny 13 febroary tamin'ny valo ora alina ora eto an-toerana ny rivodoza Giovanna. Tafiditra tamin'ny sokajy fahaefatra ilay rivodoza, amin'ny rivotra 194km isan'ora (120mph) nentiny izay nanapaka hazo sy ny andrin-jiro. Araka ny tatitra nivoaka ofisialy dia 10 raha kely indrindra ny maty amin'izao fotoana izao. Tapaka jiro nandritra ny fotoana maharitra ny tanàndehibe roa indrindra eto Madagasikara dia Antananarivo sy Toamasina izay sambany niaina ny andron'ny mpifankatia tanatin'ny aizina ela indrindra hatramin'izay

Shina: Niteraka Fankalazana sy Alahelo Ny Veto Momba an'i Syria

  11 Febroary 2012

Nifidy ho amin'ny tombotsoany manokana i Rosia sy i Shina omaly tamin'ny fanoherana mampiady hevitra nataon'izy ireo tamin'ny volavolam-panapahan-kevitra tao amin'ny Vaomieran'ny fandriampahaleman'ny Firenena Mikambana miantsony filoha Syriana Bashar al-Assad hampitsahatra ny famonoan'olona ataony ao amin'ny firenena, volavolam-panitsiana ny drafitra teo aloha miantso an'i Assad hiala amin'ny fitondrana. Nohamarinin'i Shina ny fanapahan-keviny...