Andriamifidisoa Zo · Janoary, 2012

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Janoary, 2012

Okraina: Ny Tantaram-Piainan'i Anna Boiko

" Sariaka, manantalenta, ary manana ny maha-izy azy izy. Olona sahy sedra, feno fahalalàna sy fitadidiana," hoy ny nosoratan'i Olya Suprun momba ny renibeny izay eo ho eo amin'ny 75 taona eo, ary zaraina ao amin'ny bolongana antsoina hoe "Ny Tantaram-Piainan'i Anna Boiko" izay bolongana nahazo loka. Mitatitra ho antsika i Tetyana Bohdanova.

Brezila: Hetsika Mitaky Zo Hahazo Kianja Tsy andoavam-bola Mandritra ny Fetibe

  28 Janoary 2012

Ny Fetiben'i Salvador [karnavalina], ao Brezila, no iray amin'ny lehibe indrindra manerantany. Leon'ny resaka ara-barotra tafahoatra sy ny fanovana ny kianjam-bahoaka lasa an'olotsotra vonjimaika kosa ny mponina ao an-tanàna. Nidina an-dalambe ry zareo tamin'ny 14 janoary rehefa nifanentana sy nifandamina tamin'ny alalan'ny Facebook sy Twitter mitaky ny hanalana ny fanorenan'ireo orinasa tsy miankina hiala amin'ny arabe.

Jordania: Avia Avia Fanala ô!

Ela ny ela tonga ao Jordania ihany rehefa ela niandrasana ilay vahiny fotsy, rehefa nandalo indroa ny hatsiaka maina dia tonga izy saingy nitsonika vetivety. Mbola tsy niangona akory dia efa nitondra hafaliana sy haravoana ho an'ireo niandry azy. Vantany vao nirotsaka tany amin'ny faritra be tendrombohitr'i Jordania ny ranomandry...

Madagasikara: Tsy Navela Hody Ny Filoha Teo Aloha Ravalomanana

  26 Janoary 2012

Nanambara ny hodiany an-tanindrazana, rehefa nanao sesintany ny tenany efa ho telo taona, tany Afrika Atsimo, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ny 21 Janoary 21, nitaintaina ny tao an-drenivohitra miandry ny fiverenany fa an'arivony ny olona no eny an-dalana mankany an-tseranana. Saingy minitra vitsy taoriany ny nidirany ny faritr'habakabaka malagasy dia nilazana mba hivily lalana ny voromby ka higadona any an-tanàna hafa. Mitantara mivantana ity toe-draharaha mafampana ity ny Malagasy.

Goatemalà: Fampiasana Ankizy Any An-tsaha Fambolena Fary

  20 Janoary 2012

Ny fanadihadiana nataon'ny mpanao gazetin'ny Plaza Publica tao Goatemalà no nahitana ny mpitondra ao amin'ny fitondrana, izay manana adidy araka ny lalàna hisoroka ny fampiasana zaza, mamela ny zaza latsaky ny 14 taona hiasa eny amin'ny saha fambolena fary, toerana ilana herintsandry sy mampidi-doza. Singam-pary navoakan'i Chris McBrien CCBy Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny...

Maraoka: Noafahana Ilay Mpiangaly Rap

Mouad Belghouat na “Al Haked” (Ilay Tafintohina), Artista mpiangaly rap 24 taona mpitsikera ny fitondram-panjaka Maraokana, dia noafahana ny fonja, izay nitazonana azy hatramin'ny volana Septambra, ny zoma lasa teo. Ny heloka ofisialy iampangana an'i Mouad moa dia ny fidarohana mpanao fihetsiketsehana mpiaro ny fitondrana saingy ny mpanohana azy kosa...

Zambia/Iran: Diplaomaty Teo Aloha Miantso ny Tandrefana Hifampiraharaha Amin'i Iran Amin'ny Alalan'i IAEA

Mpanao politika maintimolaly Zambiana sady efa nisy fotoana efa diplaomaty natao ho solontena maharitry ny firenena tao amin'ny Firenena Mikambana i Vernon Mwaanga, izay nitafa tao amin'ny radion'olo-tsotra niteny fa tsy tokony hanao tsinontsinona an'i Iran ny Tandrefana satria efa lasa Hery ara-nokleary izy izao. Henoy teny anglisy internet radio miaraka amin ny...