Andriamifidisoa Zo · Janoary, 2011

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Janoary, 2011

Iran: Mampahatsiahy indrindra ny “hetsika maitso” tany Iran ny fijoroana any Ejipta

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny Fanoherana any Ejipta 2011. Ho an'ny ankamaroan'ny mpamaham-bolongana Iraniana dia mampahatsiahy indrindra ny “Hetsika Maitso” tany Iran taorian'ny fifidianana tamin'ny 2009 ity Hetsi-panoherana Ejipsiana sy ny fampiasana ny valan-tserasera ity. Tahaka izany ihany koa ny nataon'ny fitondrana Ejipsiana naka tahaka ny tany Iran rehefa mamaly bontana...

Maraoka: Fitsidihana manokana ataon'ny mpanjaka any Frantsam

Araka ny voalazan'ny mpanao gazety Maraokana mpanohitra  iray nifampitafa tamin'ny vohikalam-pampahalalam-baovao Frantsay Rue89 [fr] dia toa tonga nanao fitsidihana manokana (visite privée) any Frantsa nanomboka ny alakamisy teo ny mpanjaka Mohamed VI avy any Maraoka, ary mipetraka ao amin'ny Lapaben'ny fianakaviany izay akaiky an'i Parisy. Miteraka tombatombana isan-karazany amin'izay tena...

Ejipta: Fanoherana an-dahatsary ny 25 Janoary

Nidina an-dalamben'i Kairo sy ny tanàna Ejipsiana maro hafa ny mpanao fihetsiketsehana ny talata 25 janoary teo izay andro tsy niasana, “Andron'ny Polisy”, hanoherana ny 30 taona nitondran'olo-tokana nanjakan'ny Filoha Muhammad Hosni Mubarak. Maro amin'ny mpitazana no nahatsikaritra ny fahabangan'ny tatitra ataon'ny gazety be mpanaraka, saingy nanangona andian-dahatsary ao amin'ny Youtube kosa ny olo-tsotra.

Frantsa: Ilay akamanay taloha manahirana, Monsieur Ben Ali

Nipoitra ihany. Mahatsapa ny fanaovana mody fanina ao anatin'ny fotoana maharitra ataon'ny mpanao politika frantsay sy ny gazety mahazatra, noho ny fifankatiavana naharitra ampolony taona maro (teo amin'i Frantsa sy) teo amin'ny fitondrana Ben Ali ny mpamaham-bolongana frantsay sy ny mpisioka an-tserasera - ka hametraka tantara ho an'ny iray amin'ny zanatany Frantsay teo aloha, Tonizia, sy ho an'ny herinandro manantantaran'ny fahadisoana diplaomatika sy ny fanginana mahamenatra tany Frantsa.