Andriamifidisoa Zo · Desambra, 2010

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Desambra, 2010

Cablegate: Lesona momba ny teknolojian'ny fangaraharana

  08 Desambra 2010

Ny telegrama mahatratra hatramin'ny 250.000 ifandraisan'ny Departemantam-panjakana sy ny Masoivoho Amerikana antsoina hoe "Cablegate" avoakan'ny Wikileaks no raharaha mahoraka indrindra eo amin'ny gazety sy ny fitondrana isan-karazany amin'izao fotoana izao. Renata Avila no mijery hoe tahaka ny ahoana no ampianaran'ny Cablegate antsika ny antsoina hoe teknolojian'ny fangaraharana.

Iran: Jiolahin'ny solosaina avokoa isika rehetra

Manana lalàna eo ampelatanany ahafahany miampanga ny mpampiasa aterineto rehetra ho jiolahy ny fitondrana Iraniana. Nolanian'ny antenimiera iraniana tamin'ny janoary 2009 ny "Lalànan'ny heloka eo amin'ny solosaina" (singany ao amin'ny andininy miisa 56) . Fitaovana nentina nanenjehana sy namaizana mpamaham-bolongana sy mpazoto an-tserasera izyio, nefa tsy mba nanaitra ny olo-tsotra sy ny mpandinika ireo andininy ireo.