Andriamifidisoa Zo · Mey, 2009

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Mey, 2009

Indonezia: Fitarainana nidirana am-ponja

  31 Mey 2009

Adi-hevitra mamaivay eo amin'ny tontolom-bolongana Indoneziana amin'izao fotoana izao ny raharaha Prita Mulyasari, renim-pianakaviana mananjanaka roa. Nametraka taratasy fitarainana an-tserasera [id] nitory hopitaly mamahantena any Tangerang, iray amin'ny tanàna manodidina an'i Jakarta ny anao vavy, kanjo ankehitriny dia iharan'ny fiampangana nandìka ny lalàna toko faha-27 andininy faha- 3 amin'ny Lalàna...

Palestina: Noheligelenin'ny miramila isiraeliana ny lanonana ara-literatiora

  27 Mey 2009

Mivezivezy any amin'ny faritra manamorona an'i Jordana, Palestina, ny Lanonana ara-literatiora ao Palestina izay fihaonana ara-haikanto tontosaina manomboka ny 23 ka hatramin'ny 28 mey. Ny tanjon'izy ity moa dia ny hanotronan'ny mpanoratra sy ny artista manerantany ny Palestiniana, hisavasava ravina sy hikarakara lanonana ara-kolotsaina andraisan'ny ao an-toerana sy iraisam-pirenena anjara....

Venezoelà: Mitazona ny aterineto ho laharam-pahamehana

  26 Mey 2009

Mihofahofa, any amin'ny tontolon-tserasera liana amin'ny mety ho fiantraikan'ny aterineto amin'ny fanabeazana, fikarohana ary amin'ny taranja hafa ho fampandrosoana, ny saina mena raha namoaka ny didy hitsivolana laharana faha-6649 ny governemanta venezoelàna. Te-hanafoana ny “fandaniana amin'ny tsy antony”na “rendrarendra” ao amin'ny fandaniam-bolam-panjakana manko ny didy hitsivolana ka tafiditra ao aantin'io...

Rosia: Fandraisana fepetra noho ny finoanoam-poana

  25 Mey 2009

Nanoratra (teny rosiana) toe-draharaha tsy tokony hisy dikany any amin'ny faritra hafa ivelan'i Osetia avaratra, firenena mizaka tena ao anatin'ny firaisamben'i Rosia, ary nizaka ny herisetra maro isan-karazany ny mponina ao aminy hatramin'ny nianjeran'i Firaisana sôvietika, ny mpampiasa ny LJ liza-valieva – na ny mpanao gazety Osetiana tavaratra Liza Valieva...

Rosia: “Mpamaham-bolongana malaza”

  25 Mey 2009

Any amin'ny tontolon'ny endri-tsoratra Sirilika (grika sy rosiana) ao amin'ny LiveJournal dia ny isan'ny mpamaky  – “namana” -misoratra ao amin'ny bolongana iray no iray amin'ny fepetra mamaritra ny laza (na “hery”) ananany. Ny mpamaham-bolongana manana “namana” arivo raha vitsy indrindra dia antsoina hoe tysyachniki (avy amin'ny voambolana rosiana hoe tysyacha,...

Maraoka: 11 ny maty nandritra ny fampisehoana iray

  24 Mey 2009

11 raha kely indrindra no maty ary 30 no maratra nandritra ny fampisehoana an-kira notontosaina tao Rabat, renivohitra maraokana tamin'ny Asabotsy alina 23 May, fampisehoana ao anatin'ny Fetiben'ny  mozika Mawazine. Efa hifarana indrindra ny fampisehoana no nitranga ity toe-javatra nampalahelo ity fa nianjera nankao amin'ny kianja  Hay Nahda hipooky ny...

Philippines: Fitantarana ny fanairana ny momba ny hanohanana

  22 Mey 2009

hunger Taona vitsivitsy lasa izay no nandrombahan'ny sarimihetsika fohy iray ny lokan'ny fitiavan'ny mpijery nandritra ny Fetin'ny Film Iraisam-pirenena faha-56 ao Berlin, ary mbola miely manerana ny aterineto izy io amin'izao fotoana izao, entina hanairana amin'ny resaka fahantrana sy hanoanana. Chicken A la Carte notoontosain'i Ferdinand Dimadura no iray amin'ireo...

Shina: Nasavorovoron'ny T-shirt iray

  22 Mey 2009

Toa nahasarika ny mason'ny polisy sy nanohintohina ny filaminanam- bahoaka ny soratra tamin'ny T-shirt nanaovan'ny mpahay lalàna Liu Shihui. Omena anareo eto ambany ny ampahan'ny voasoratry Liu ao amin'ny bolongany momba izay niainany tany Guangzhou. 2009年5月12日下午5点多,我在广州市岗顶地铁站靠近C出口的地铁闸口外面等我女朋友….电话联系知道她已经快到了。 Niandry ny sipako tao amin'ny garan'ny metro tao Guangzhou tamin'ny 12 Mey 2009 tamin'ny...