Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo
Solontenan'ny Reporters Sans Frontières tsy nekena hiditra ao Hong Kong
Nosavaina sy nohadihadiana nandritra ny adiny enina tao amin'ny seranam-piaramanidina ny solontenan'ny RDF tamin'ny 10 Aprily 2024 mialoha ny nandroahana azy hivoaka ny firenena.
Ahoana no andoavan'ny governemantan'i Maduro vola hampiroboroboana propagandy sy fandisoam-baovao ao Venezoelà
Mivelatra an-tambajotra sosialy ny propagandy ofisialin'ny governemantan'i Nicolás Maduro noho ny asan'ny olom-pirenena izay mandray vola avy amin'ny governemanta mba hampivadika ny fironana ao amin'ny X, Facebook ary Instagram.
Ny asan'ny mpiaro ny tontolo iainana hihazonana ny anjara asan'ny natiora amin'ny fananganam-pandriampahalemana ao Ogandà avaratra
"... maika ny fanavaozana ny fomba ampidirana ny hasarobidin'ny zavaboary amin'ny politikam-pananganam-pandriampahalemana sy ny fampandrosoana misy amin'izao fotoana ao Ogandà."
Mihamivoatra ny nentin-drazana tsimanampaharoa hiraina mandritra ny Ramadany ao Azia Afovoany
Ny fitomboan-dazan'ny Jaramazan no mitondra azy ho any amin'ny trano fisakafoana, zaridainam-panjakana, lalana, ary birao, izay tanterahan'ny mpihira matihanina, ny ankizy madinika ary ny tanora.
Global Voices mitady Talen'ny Lingua Director, hanara-maso akaiky ireo tetikasa sy ireo sehatrasa marofiteny
Tadiavin'ny Global Voices olona iray ho talen'ny Lingua hanefy sy hampandroso sehatrasa marofiteny manerana ireo tetikasanay sy ireo sampana ato aminay. Hananany ny fitiavana lalina ho amin'ny fiteny marolafy, ny ho mpanentana mafana fo sy mpanohana ny fandraisan'ny vondron'olona anjara.
2.202 andro taoriana, nahazo valiny tamin'izay mety ho nanome baiko hamonoana an'i Marielle Franco ny breziliana
Rehefa nanontany izay namono an'i Marielle Franco ny breziliana, dia nisambotra olona telo voarohirohy ho nanome baiko hamono ny polisy federaly, ka anisan'izany ny lehiben'ny polisy tao Rio taloha.
Ao Brezila, hatramin'ny nitondran'i Bolsonaro, nihena ny daroka mpanao gazety fa mitombo ny fitoriana eny amin'ny fitsarana
Nasehon'ny firaketana (andron-drakitra fa nihena ho 181 tamin'ny heriantaona ny karazan-kerisetra nihatra tamin'ny matihanin'ny fampitam-baovao, raha nitombo 92,31 isanjato kosa ny fitoriana mpanao gazety teny amin'ny fitsarana.
Nandresy tamin'ny fifidianana tao El Salvador i Nayib Bukele ka mahazo vahana ao amin'ny kaontinanta ny tsirefesimandidy
Niezaka ny hofidiana indray ny filoha salvadoriana rehefa nanivaka amin'ny fandraràn'ny lalampanorenana miharihary, notohanan'ny fifehezany ny fahefana mpitsara.
Ivom-panorona itoeran'ny alamandon'i Guyana amin'ny ezaka hanitarana fizahantany manaja tontolo iainana
"Na dia eo amin'ny sehatry ny fanapahana hazo hahazoambola be aza, ny tahan'ny fandripahana ala isan-taona ao amin'ny firenena dia 0,06 isanjato — latsaka hatramin'ny 90 isanjato noho ny an'ny firenen'ny tany mafana sy mando hafa."
Foto-pianarana mahatohina momba ny sisintany ifanoloran'i Rosia sy Finlandy
Misy vondron'olona mpikaroka momba ny zon'olombelona sy ny fifindramonina manazava ny fomba hanitsakitsahan'ity lalàna ao Finlandy ity ny adidy iraisampirenena sy ny lalànan'ny zon'olombelona.