GlobalVoices anaty

Jentilisa

Momba ny mpandray anjara · 1177 Lahatsoratra · Nanomboka nandika tamin'ny 11/09/2007

RSS ho an i Jentilisa RSS ho an i Jentilisa
jentilisa

Mpamaham-bolongana araka ny fomba fiteniko manokana ary mpitoraka blaogy amin'ny teny malagasy ranoiray kosa raha amin'ny fiteny mahazatra. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.

Any amin'ny bolongako ao amin'ny Vaovao eto anToerana moa no tena fampahalalako izany zava-misy izany fa eto kosa dia fiezahana handika amin'ny teny malagasy ny vaovao mitranga any ivelany any. Ilaina ihany manko ny mahay teny vahiny na dia kely monja aza ary na dia ijerena rakibolana matetika ihany koa aza.

Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.

imailaka Jentilisa

Lahatsoratra farany an'i Jentilisa

16/05/2012

Sary Lahatsoratra
Norvezy: Ireo Resaka Momba An'i Amerika Latina Ao Amin'ny Oslo Freedom Forum

Tohin'ny lahatsoratra

Ny herinandro lasa teo no notontosain'ny Human Right Foundation tao an-drenivohitra norveziana ny Oslo Freedom Forum. Ny teny filamatra “Avy amin'ny aizina mankamin'ny mazava,” avondron'ny  forum ny endrika fanta-daza manerantany...

Kondwani Munthali: Bilaogeran'ny Taona ao Malawi

Tohin'ny lahatsoratra

Sambany teo amin'ny tantaran'ny media ao Malawi no ekena ho fanao manana ny anjara toerany eo amin'ny fanaovan-gazety ny famahanana bolongana. Izany no nanaraka ny fanomezandoka ilay bilaogera sady mpanao...

Iran: Tsy Voakapoka in-25 Noho Ny Nanoritsoritany Mpanao Politika Ilay Mpanao Sariitatra

Tohin'ny lahatsoratra

Voasazy [fa] hahazo kapoka 25 noho ny nanoritsoritany ilay mpikambana parlemantera teo aloha ilay mpanao sariitatra Iraniana, Mahmoud Shokraye. Nisy ny fanentanana an-tserasera ho fanohanana azy

15/05/2012

Rosia: Vohikala Mampiseho Ny Karaman'ny Mpiasam-Panjakana

Tohin'ny lahatsoratra Akon'ny RuNet

Najoro ny tetikasa “Tombontsoam-bahoaka” [ru] mba hahitan'izay liana hahafantatra ny mombamomba ny karaman'ny mpiasam-panjakana sy ny lefitry ny manampahefana ambony. Narafitra tamin'ny alalan'ny nangonin'ny olona ary navoaka araka izay mifanaraka...

Hankatò Ny Fampitam-Baovaon'Olo-Tsotra Ny Loka Robert F. Kennedy

Tohin'ny lahatsoratra

Miantso ny hisian'ny fifantenana ny Lokan'ny Fanaovan-gazety momba ny Saripika Iraisampirenena sy ny Valan-tserasera Iraisampirenena ny iray amin'ny fikambanana iraisampirenena miaro ny zon'olombelona lasa aloha indrindra, ny Robert F. Kennedy Center, izay...

Sary Lahatsoratra
Espaina: Mivelatra Ihany Koa Ny Zavakanto Ao Amin'ny Lohataona Ankapobe

Tohin'ny lahatsoratra

Ny 12 Mey (12M) ka hatramin'ny 15 Mey (15M) [es], Miaina hetsika sosialy eny an-dalambe hanoherana ny fifehezan'ny banky sy hitaky ny isian'ny rafitra demokratika, andraisan'ny besinimaro ary [salama] mety kokoa...

12/05/2012

Rosia: Ustream.tv Voatafika Noho Ilay Bilaogera Rosiana

Tohin'ny lahatsoratra Akon'ny RuNet

Ny marainan'ny 9 Mey 2012, nisy olo-tsy fantatra nanafika tamin'ny alalan'ny DDoS (Distributed Denial of Service) ny vohikala mpikarakara mivantana Ustream.tv. Araka ny nolazain'i Victoria Levy avy ao amin'ny Ustream.tv, avy amin'ny IPs an'arivony, miorina any Rosia, Kazakhstan ary Iran ny fanafihana. Nitodika tany amin'ny mpisera iray manokana [ny fanafihana] izay tsy iza fa i, reggamortis1 [ru], ilay nampita ny fivorian'ny mpanohitra sy ny hetsi-panoherana ao Moskoa.

11/05/2012

Bolivia: Fampandrosoana Misanda Ohatrinona? Fifandirana Momba Ny Lalana TIPNIS

Tohin'ny lahatsoratra

Mbola niteraka fifandirana sy hetsi-panoherana indray ny tetikasa fanamboaran-dalana ao Bolivia izay manavatsava ny Faritanin'ny vazimba teratany sady valan-java-boarim-pirenena Isiboro Sécure (TIPNIS amin'ny teny espaniola)

10/05/2012

Madagasikara

Nitokona nandritra ny herinandro noho ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ny vola raisin-dry zareo isam-bolana ny sendikàn'ny mpampianatra. Noteriterena tamin'ny alalan'ny fandefasan'ny tafika mitam-piadiana baomba mandatsa-dranomaso [fr] ny hetsi-panoherana. Niditra tao anatin'ny hetsi-panoherana ihany koa [mg] ny mpianatra (via bolonga-tsarin'i Jentilisa).

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Maoritania: Tafihan'ny Mpitandro Ny Filaminana Ny Mpanohitra

Tohin'ny lahatsoratra

Noravain'ny mpitandro ny filaminana tamin-kerisetra vao marainan'ny 3 mey ny sit-in nataon'ny mpanohitra tao Nouakchott. Io no andia-pihetseha-panoherana farany indrindra nitranga tany Maoritania.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin ny