GlobalVoices anaty

finoana

Momba ny mpandray anjara · 38 Lahatsoratra · Nanomboka nandika tamin'ny 25/06/2011

RSS ho an i finoana RSS ho an i finoana
imailaka finoana

Lahatsoratra farany an'i finoana

24/05/2013

Video Lahatsoratra
Nikaragoaiana Miaro Ny Lalàna Manohitra Ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy

Tohin'ny lahatsoratra

Ny volana Aprily , natomboka tao amin'ny tambajotra sosialy ny fanentanana iray mitondra ny lohateny hoe "Manohana ny Lalàna 779 aho" mba hangatahana ny hanajàna ny "Lalàna Manontolo Hanoherana ny Herisetra atao amin'ny Vehivavy" manoloana ireo fanavaozana marobe naroson'ireo mpitarika fivavahana sy mpikambana ao amin'ny Ambaratonga ambony eo amin'ny Fitsarana (CSJ) .

20/05/2013

Mitrandraka Avy Any Ifotony Hisian'ny Fifidianana Madio any Bolgaria

Tohin'ny lahatsoratra

Dimy andro latsaka, ny 12 May, ireo mponina Bolgara dia nifidy parlementa vaovao. Misy fisalasalana anefa raha ny ho fanekena ny fifidianana ho avy. Mba hanampiana ny fanaraha-maso ireo fanitsakitsahana ny dingam-pifidianana, namorona fiasana maro ao anatin'ny aterineto ireo Bolgara mpikatroka mafàna fo. Tatitr'i Ruslan Trad.

18/05/2013

Video Lahatsoratra
Roa Taona Taorianan'ny Niafenany, Nandositra Tany Londra i Ali Abdulemam, Bahraini Bilaogera

Tohin'ny lahatsoratra

Nipoitra tany Londra i Ali Abdulmam, Bahraini bilaogera, taorian'ny nandosirany tany Bahrain, izay toerana niafenany nandritra ny roa taona. Nandrtra ny fitsaràna tsy narehany, Abdulemam, 35 taona, dia voasazy 15 taona an-tranomaizina noho ny maha-mpikambanana azy anaty fikambanana mpampihorohoro ary koa saika hanongam-panjakana. Resak'ireo mpisera ety anaty aterineto ny tantaran'i Abdulemam nony nivoaka ny andinindininy tamin'izy io-aterineto.

Video Lahatsoratra
Mitokona Tsy Mihinan-kanina Ny Renin'ireo Meksikàna Tsy Hita

Tohin'ny lahatsoratra

Ireo reny sy mpikambana hafa avy amin'ny fianakavian'ireo tsy hita any Mexico dia nanao fitokonana tsy hihinanan-kanina nanomboka ny 9 May mba hangataka amin'ny governemanta hanatanteraka ny fampanantenana nomeny mikasika ny fikarohana ireo malalany.

12/05/2013

Mba Ho Heno Amin'ny aterineto: Thor, Ireo Mpanao Sangy Ratsy Ary Ireo Mpikatroka Mafàna Fo Amin'ny Fampahalalam-baovao

Tohin'ny lahatsoratra

Ireo mpisera anaty aterineto, ireo mpanaitra, ireo mpanao gazety, ireo mpijirika tsy ara-dalàna ary ireo mpanao sangy ratsy dia namorona ny tontolo virtoaly vokatry ny fakàna sary an-tsaina ifotony tety amin'ny aterineto, izay mitarika antsika - mba hamerina indray ny filazan'i Michel Maffesoli - ao anatin'ny "fahaterahana vaovao mifototra amin'ny anganongano"

08/05/2013

Vehivavy, Kongolezy Ary Minisitra Ao Anaty Governemanta Gaovao Italiana

Tohin'ny lahatsoratra

Notsaohan'ny tontolon'ny bilaogy afrikana ny fanendrena an'i Cécile Kyenge, profesora mpitsabo avy amin'ny mpiavy, ho eo amin'ny toeran'ny Ministre de l'Intégration ao anatin'ny governemanta italiana.

07/05/2013

Malezia: Iza Amin'ireo Antoko No Manana Fanambaràna An-tsoratra Tsara Indrindra Mikasika Ny Fifidianana ?

Tohin'ny lahatsoratra

Fifidianana solombavambahoaka faha-13 no notontosaina tany Malezia ny 5 may ary soa ihany, namoaka ny fandaharam-potoany mikasika ny fifidianana ireo antoko goavana ary nanampy ny mpifidy hifidy izay kandidà matotra izany. Antoko iza no manana foto-kevitra sy baikom-pitolomana an-tsoratra tsara indrindra ?

27/04/2013

Video Lahatsoratra
Fandraketana Trangam-Panavakavahana Mba Hampitsaharana Ny ‘Tsy Fikitika’

Tohin'ny lahatsoratra

ONG iray iraisampirenena ny Video Volunteers, no sady mpiaro zon'olombelona, nanomboka ny fanentanana ARTIKLA 17 tamin'ny taona lasa izay idiran'ny fandraisana andraikitra amin'ny fijoroana vavolombelona mikasika ireo endrika samihafa isehoan'ny 'Tsy Fikitika' noraketin'ireo Mpifandray amin'ny Vondrom-piarahamonina Video Volunteers an-tsary. Hatreto dia lahatsary 30 no azo jerena mikasika ny fanaovana izany manerana an'i India.

26/04/2013

Mpikatroka Mafàna Fo Mpiaro Zon'olombelona, Nampanantsoin'i Arabia Saodita Mba Halaina Am-bavany

Omar Al-Saeed, mpikambana ao amin'ny Fikambanana Saodiana Mpiaro ny Zo Sivily sy Ara-politika (ACPRA), dia voaantso halaina am-bavany tamin'ny 22 aprily ary mbola nangatahana hiverina amin'ny herinandro ho avy. Izy no farany indrindra hatreto amin'ireo mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona nalaina am-bavany sy miatrika fitsaràna ao Arabia Saodita.

Hobitsihana, Halefa Mailaka sy Bilaogy Ny Fifidianana Ho Manaraka Eo Ao Japana

Tohin'ny lahatsoratra

Nankato ny volavolan-dalàna izay hahafahan'ny mpanao politika milatsaka ho fidiana mampiasa Twitter sy bilaogy i Japana ary mamoaka dokambarotra mampiasa aterineto mandritra ny fampielazan-kevitra ataony. Hatramin'ny herinandro lasa, ireo Japoney mpilatsaka ho fidiana dia tsy maintsy nitandrina fatratra tamin'ny fitetezana ny pejy Facebook-ny, ny kaonty Twitter sy ireo bilaogy mba hialana amin'ny fandikan-dalàna hentitra mikasika ny fifidinana eo amin'ny firenena izay mandràra ny hetsika ara-politika eny anaty aterineto.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny