Lahatsoratra farany an'i Candy
29/03/2013
Mifidy Kandida Ho An'ny Fifidianana Filoham-pirenena Ireo Antoko Mpanohitra Any Panama
Nifidy ireo izay ho kandidà ho an'ny fifidianana filoham-pirenena 2014 ireo antoko politika roa goavana tena mpifanandrina any Panama. Miha-mafana izany ary mitaky fifaninanana avo lenta ny vahoakan'i Panama any amin'ireo vohikalan- tambajotra sosialy.
27/03/2013
Kirizy Any Sabah Taorian'ny Olana Saro-bahàna Tany Malezia Niaraka Tamin'ireo Filipiana Mitam-piadiana
Sabah dia anatin'i Malezia nefa ny Soltàna avy amin'ny Fiiipina dia mitaky mafy ny anjarany amin'ny fanjakàna. Ireo mpanara-dia azy mitam-basy dia nanjanaka faritra tao Sabah tamin'ny volana Febroary nefa nofaranan'ny tafika Maleziana malaky izany fanjanahantany izany. Tapitra ny olana saro-bahana fa mbola mitohy kosa ny kirizy.
28/12/2012
Ny Fanavaozana ny Tafik'i Yemen nandrasana efa ela
Gaga sady faly ireo Yemenis omaly naheno ny momba ireo fanapahan-kevi-dehibe noraisin'ny Filoha Abd-Rabbu Mansour Hadi mba hanambatra ny tafika - ary hanala ireo havan'ny filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh, izay nitàna toerana ambony tamin'ny tafika sy ny fiarovana. Am-pitandremana ihany no hanehoan'ny mpampiasa aterineto hevitra, ary ny sasany manahy valifaty.
Miparitaka ny Lahatsary “Fetaka” nataon'ny Mpitandro Filaminana tany Bahrain
Roa taona lasa izay, nanomboka ilay antsoina hoe "Lohataona Arabo" rehefa nisy Toniziana mpitandro filaminana iray namelaka tovolahy tany Sidi Bouzid. Nihevitra ny olona fa ho foana vetivety ny tsindry hazolena ataon'ny mpitandro filaminana, nefa nisy lahatsary iray indray niparitaka tany Bahrain mba hanmpahatsiahy antsika fa mbola velona sy tomady tsara ireo mpitandro filaminam-panjakàna.
23/12/2012
Miray Hina Ny Fampielezam-baovao Sosialy Mba Hijoro Ho Fanavotana ireo Hazon'i Colombo
Nandritra ny herinandro farany tamin'ny volana Novambra anefa, maro ireo hazo antitra nanamorona ny Reid Avenue no notapahan'ireo manampahefàna. Nisy ireo olom-pirenena namorona Pejy Facebook mitondra ny anarana hoe "Mijoroa ho an'ireo Hazon'i Colombo" hanoherana sy hanentanana tolona mangina any an-tanàna mba hanavotana ireo hazo.
04/12/2012
Taratasy Misokatra: Ho An'ireo Mpampiasa Aterineto Any Sina, Avy amin'ny Mpampiasa Aterineto Any Pakistana

Ho an'ny ezaka firaisankina eo amin'ireo vahoaka misedra olana iray mitovy amin'ny aterineto, manao fanentanana ireo mafana fo Pakistane mba hiresahana amin'ireo Shinoa mitovy aminy. Noho ny governemanta Pakistane maka tàhaka amin'ny fepetra Shinoa mba hifehezana ny aterineto, Sana Saleem, Pakistane mpampiasa aterineto sady mpandray anjara amin'ny Global Voices, dia mandefa taratasy misokatra ho an'ireo Shinoa mpampiasa aterineto.
03/12/2012
Kim Kardashian, Baomba Mandatsa-dranomaso Ary Milkshake any Bahrain
Tany Bahrain i Kim Kardashian hanokatra ny fivarotany "milkshake". Nanohitra ny fitsidihany ireo Salafista "extremistes" - ary naparitaky ny mpitandro filaminana.
Nampalemy Ireo Reformista Ve Ny Vaovao Momba Ny Harenan'ny Praiminisitra Sinoa?
Ny andro faran'ny Praiminisitra Sinoa Wen Jiabo tao am-pitondràna dia rakotra tsaho fa nampiasa ny heriny sy ireo fifandraisany akaiky ny fianakaviany mba hanangonan-karena ho azy manokana. Nahatonga ireo Sinoa mpampiasa aterineto hiresaka momba ny korontana anatiny misy ao amin'ny Antoko Kaominista koa izany tranga izany.
30/11/2012
“La Calle Loíza”, Làlana Manan-tantara Nanita-dàlana Tao Amin'ny Aterineto
Manana fiatoana vaovao ny fitsangatsanganana any amin'ny làlana mikintaontaona indrindra any amin'ny renivohitr'i Porto Rico,San Juan, ka amin'ny aterineto izany. Calle Loíza, any afovoan-tanàna manan-tantara any Santurce, dia fifangaroana trano miloko Karibeana maro maha-te honina sy ny manara-damaody.
13/11/2012
Vahaolana Ara-dalàna Ho An'ny Fitsaràm-bahoaka Any Nizeria?
Tamin'ny 5 Oktobra 2012, mpianatra efatra avy tao amin'ny Anjerimanontolon'ny Port Harcourt any Nizeria no nodarohana ary nodorana velona noho izy ireo voalaza fa nangalatra finday blackberry sy solosaina filanja. Ny herisetra nahafaty ireo mpianatra ireo dia niteraka adihevitra sy fihetsiketsehana tamin'ny aterineto mba hanoherana ny fitsaràm-bahoaka any Nizeria.






























RSS ho an i Candy




tena mampijaly vahoaka tokoa ity TGV ity , betsaka @zao no tsy misakafo afatsy...