Candy · Avrily, 2012

Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Avrily, 2012

Guinea-Bissau: Taorian'ny Fanonganam-panjakàna,Nosamborina Ary Nodarohan'ny Miaramila Ilay Mpitoraka Blaogy Malaza

GV Mpisolovava  30 Avrily 2012

Aly Silva dia iray amin'ireo mpitoraka blaogy malaza indrindra, raha tsy izy mihitsy no malaza indrindra, any amin'ny firenena kely andrefan'Afrika, ahitàna mponina 1 tapitrisa monja (jereo ny tafatafa nataon'ny Global Voices taminy). Olona miteraka adihevitra izy any amin'ilay firenena, satria tsy manafina ny fironany ara-politika. Nefa tsy mbola manam-paharoa izy raha resaka faharetana, fahavitrihana mamoaka lahatsoratra, ary ny fahazotoany manoratra blaogy.

Sina: Fanandramana Ny “Fanapahana Vonjimaika” ny World Wide Web?

GV Mpisolovava  25 Avrily 2012

Nanjary "intranet" ny aterineton'i Sina nandritra ny adiny roa teo ho eo ny 12 Aprily. Tsy afaka niditra tamin'ny World Wide Web (WWW) ny mpampiasa aterineto rehetra tany Sina ka tsy afaka nifandray tamin'ireo vohikalan-tambajotra sosialy sy mailaka rehetra tany ivelany. Mino ireo mpampiasa aterineto fa fanandramana ny sivana aterineto ho an'ny "Fanapahana vonjimaika".

Myanmar: Eritreritra Momba Ny Voka-pifidianana

  10 Avrily 2012

Nanao ny fankalazàna teny an-dàlambe ny mpifidy raha naneho ny fankasitrahany ny vokatry ny fifidianana tao amin'ny facebook kosa ireo mpampiasa aterineto izay hita fa tena fandresena goavana sahady ho an'ny antoko mpanohitra. Nampiseho ny vokatra [my]  fa 43 tamin'ireo toeran'ny parlemanta miisa 45 no lasan'ny mpanohitra National League for Democracy...

Ejipta: Mifanandrina Ny Mpirahalahy Miozolomana Sy Ny Filankevitra Faratampon'ny Tafika – Miala Ve Ny Saro-tava?

“Lehilahy anapitrisany no nidina an-dàlambe hanao fitakiana ny hianjeran'ny cabinet Ganzouri" vakio ny gazety ofisialin'ny Freedom and Justice Party na ny Antokon'ny Fahafahana sy ny Fitsarana taorian'ny hetsika izay namela ny vahoaka Ejiptiana ho voarirarira. Fa nahoana ilay fifandraisana akaiky dia akaiky teo amin'ny Filan-kevitra Ambon'ny Tafika Ejiptiana sy ny ankamaroan'ny hery politika no tonga amin'izay atao hoe "fahatapahana mahatsiravina”?