Candy · Janoary, 2011

Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Janoary, 2011

Voasakana ny vohikala Blogspot any Kambodza

  30 Janoary 2011

Nosakanana ireo vohikala Blogspot tany Cambodge rehefa nibaiko mpamatsy aterineto maro ny fitondràna hanakana ny blaogy malaza mpanohitra ny fanjakàna, KI Media. Efa "tsy voasakana" intsony ireo vohikala nefa matahotra ireo mpampiasa aterineto momba ity sivana aterineto tsy nanam-paharoa tany amin'ny firenena ity.

Frantsa: Filaharam-pireharehana Toniziana tany Parisy

  24 Janoary 2011

Anio, 15 Janoary, no manamarika ny "iray andro taoriana"sy ny andro voalohany naha-afaka an'i Tonizia tamin'i Ben Alia. Na eo aza ny ahiahiny momba ny herisetra tsy miato any Tonizia, ny havany ary ny hoavy, nampanantena tena ireo Toniziana 600 000 any Frantsa faindray andro any dia hifaly, hankalaza ary hizara fihetseham-po mahafinaritra iraisana. Ireto misy sary vitsivitsy avy amin'ny fampisehoana fireharehana Toniziana tany Parisy.

Côte d'Ivoire : Sehona habibiana ao amin'ny fonja be gadra indrindra

  08 Janoary 2011

Misy video mampikorontana ny fiaraha-monina Ivoriana amin'ny aterineto amin'izao fotoana izao. Ahitàna ny miaramila midaroka gadra - voalaza ho mpomba an'i Alassane Ouattara - ao amin'ny MACA, fonja any Abidjan. Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny krizy ara-politia any Cote d'Ivoire, am-polony ireo olona nosamborina tany Abidjan noho ny fironany ara-politika, ary nogadraina ao amin'ny MACA.

[Video] Sary avy amin'ny Tetikasa Fitrandrahana ny Zava-pady

Rising Voices  06 Janoary 2011

Ity ny voalohany amin'ny laharana video telo notontosain'ny mpanao sarimihetsika any an-toerana Mahmoud Saber, izay mifantoka amin'ny famatsian'ny Rising Voices any Ejipta. Ity video voalohany ity dia manasongadina ny tetikasa Fitrandrahana ny zava-pady (Taboo) any Caire.

Brezila: Blaogy hanihany voasivana

GV Mpisolovava  05 Janoary 2011

Ity dia pejy fandraisana ny vahinin'ny blaogin'i Paul Martins, mpiandraikitra ny ARTICLE 19 Brazil. Raha mila fanampim-baovao, mifandraisa amin'i Rebecca Vincent ao amin'ny: paula [ arobazy ] article19 [ teboka] org. Ireo vondrona Braziliana miaro ny fahalalahana maneho hevitra, anisan'izany ny ARTICLE 19, dia mikarakara fanentanana hanohanana ireo mpirahalahy mpitoraka...