Candy · Desambra, 2010

Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Desambra, 2010

COP16: Famaranana avy amin'ireo Tanora Mpikaroka

  31 Desambra 2010

Niblaogy ireo tanora "mpikaroka" avy amin'ny Tetikasa Manangàna mpanelanelana nandritra ny Fivorian'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan'ny Toetr'andro, izay natao tany Cancun, Mexico. ireto ny santionany amin'ny fanambarana sy eritreritra farany momba izay nitranga tao amin'ny COP16 avy amin'ny fomba fijerin'ny fireneny trsirairay avy.

Tohano ireo feo maro ao amin'ny Global Voices – Manomeza fanampiana izao!

15 Desambra 2010

Satria efa hifarana ny taona 2010, manao antso manokana izahay ho an'ny fanohanana amin'ny fanohizana sy fanitarana ny asa vitanay tamin'ity taona ity. Ny mpandrindra, mpanoratra ary mpandika teninay dia mandany ora maro isam-bolana hanambàrana ny haino aman-jerin'olontsotra avy amin'ny faritra sy ny fireneny, mifidy sy mampifandraika ireo feo tena mahasarika, tantara sy hevitra, manampy amin'ny fahafenoan'ny sarin'ny tontolo iainantsika. Raha mino ianao fa manome fahalalàna ho an'izao tontolo izao izahay, mba manaova fanohanana.

India: Heloka ve ny fampitàna mailaka?

  06 Desambra 2010

Niteraka fifanoherana ny lalànan'i India momba ny aterineto, noho ny fanararaotana amin'ny fampiasàna azy. Nosamborina i Moithu (47), mpiasan'ny governemanta ao amin'ny fitondràna Indiana Kerala,  noho ny nampitàny mailaka vazivazy tany amin'ny namana vitsivitsy, momba ny tsifahombiazan'ny Antoko CPM (Communist Party-Marxist) tamin'ny fifidianana. Tamin'ny fifidianana farany tany amin'ny fanjakàn'i Kerala,...