Candy · Desambra, 2009

Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Desambra, 2009

Miara-miasa amin'ny Google ny Global Voices ho an'ny fifaninanana fahalalàhana maneho hevitra

  31 Desambra 2009

Misokatra androany (29 Desambra 2009) ny fisoratanana anarana ho an'ny fifaninanana Breaking Borders, fifaninanana vaovao noforonin'ny Google sy Global Voices mba hanomezam-boninahitra ireo tetik'asa malaza amin'ny tanterahin'ireo olon-tsotra na vondrona mampiseho herim-po, tanjaka ary fiketrehana amin'ny fampiasàna aterineto mba hampielezana ny fahalalàhana miteny.

Kazakhstan: mpanao gazety novonoina, tsy miankina amin'ny asa

  31 Desambra 2009

Sayat Shulembayev, 28 taona , mpanao gazety ao amin'ilay vohikalam-baovao sy horonantsary “Stan” dia novonoina tamin'ny fomba mahatsiravina tany Almaty. Araka ny lazain'ny mpamorona ny “Stan” , nanofa efitra iray tao amina trano akaikin'ny fiantsonan'ny fiara mpitatitra i Sayat. Novonoin'ireo mpamono olona i Sayat sy ny tompon-trano, araka ny hita,...

Maneran-tany: “Mi-tweet” ho an'i #Gaza

  31 Desambra 2009

Ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona voalohan'ny fanafihan'ny Israely an'i Gaza tamin'ny Desambra 2008, mafana fo maro no nanomana ny fanentanana “tweet for Gaza” ao amin'ny Twitter. Manana betsaka amin'izany Jillian C. York

Iran: Rehefa ihoaran'ny hatezerana ny tahotra

  29 Desambra 2009

Niely nanerana an'i Teheran sy ireo tanandehibe ny mpanohitra Iraniana nihaika ny fitondrana Iraniana ny alahady teo, raha maro ny tangoron'olona hankalaza ny Ashura, fetim-pivavahana lehibe iray.

Amerika Latina: finoana, matoatoa, devoly ary tahotra.

  27 Desambra 2009

Manan-karena tokoa i Amerika Latina raha ara-tantara: ny angano sasany dia tonga aty amintsika avy any Incas, Mayas na Aztecs, ary ny sasany dia azo tamin'ny fanjanahan-tany tany Eoropa. Amin'ny tapany voalohany amin'ity lahatsoratra avy any Amerikana Latina ity, hitety ireo lovan-tsofina sy angano malaza indrindra toa an-dry Llorona, ny Cegua, ny Cadejos ary ny "Evil Light" isika.

Polona: Mangata-bola ho an'izay te-hamaky ireo Blaogy

  20 Desambra 2009

Androany, mety ho taitra ireo mpamaky ireo blaogy poloney malaza raha nahita pejy fanolorana vaovao tamin'ny iray amin'ireo vohikala ankafizin-dry zareo indrindra: nilaza izy io fa, manomboka ny 14 Desambra 2009, tsy ho maimaim-poana intsony ny fidirana amin'io blaogy io. Manoratra momba izany i Jakub Gornicki.

Rosia: Mpitoraka blaogy Tatarstana iray voasazy 2 taona latsaka any amina Tobim-pigadràna

  08 Desambra 2009

Irek Murtazin, sary avy amin'i Sergey Varshavchik Tamin'ny 26 Novambra, ny fitsaràna ao amin'ny distrikan'ny Kirov any Kazan, izay renivohitry ny Repobilikan'ny Tartastan, dia nanameloka an'i Irek Murtazin, mpanao gazety sady mpitoraka blaogy 45 taona, noho ny fanaparitahana vaovao tsy marina ary fisarihana saim-bahoaka ho amin'ny fankahalàna, hoy ny Gazeta.ru...

Maraoka:Mitohy ny ady atao amin'ny mpanao gazety

  04 Desambra 2009

Manamafy ny fanenjehana ny mpanao gazety mahaleotena ny fanjakana Marokana. Ao anatin'ny herinandro iray dia tsy maintsy mahita tsy fanarahan-dalàna ny fanjakana, mba hanamelohana ny asa fanaovan-gazety, na ny an-tsoratra izany na amin'ny haino aman-jerin'ny aterineto. Niady hevitra momba izany fizotry ny raharaha izany ireo mpitoraka blaogy.

Horonantsary: Atsaharo ny herisetra atao amin'ireo vehivavy maneran-tany

  01 Desambra 2009

Anio, faha-25 Novambra no andro iraisam-pirenena Iadiana amin'ny Herisetra Atao amin'ny Vehivavy, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no anehoan'ny olona maro sy fikambanana maneran-tany ny fanirian'izy ireo hampiato ny herisetra ary koa ny ezaka entin'izy ireo hanamafisana fa manana tontolo afaka iainana am-piadanana ny vehivavy.