Candy · Novambra, 2009

Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Novambra, 2009

Poland:Voasambotra ireo mpamorona ny “Rapidshare Poloney”

  21 Novambra 2009

Vao haingana tamin'ity volana ity, nosamborin'ny polisy Poloney (POL) ireo mpanorina sy tompon'ny OdSiebie.com. Ilay vohikala, izay tsy mandeha amin'izao fotoana izao, dia dika mitovy amin'ny Rapidshare, ary nanomboka tamin'ny andro voalohany niasàny tamin'ny 2007 dia tsy nitsahatra nisondrotra ny fivezivezen'ireo mpitsidika tao aminy. Mitatitra ireo fihetsika avy amin'ny tontolon'ny blaogy Poloney i Jakub Gornicki.

Sina: Ny haintany sy ny tohodranon'i Three Gorges

  19 Novambra 2009

Nanomboka tamin'ny Septambra tamin'ity taona ity, ny tohodranon'i Three Gorges any Sina, ny tobin'herinaratra azo avy amin'ny rano lehibe indrindra eran-tany, dia nanomboka tetikasa famenoana mba hanatrarana ny fetran'ny tahiriny, 175 metatra. Tamin'ny Oktobra, nisy haintany mahery vaika tany amin'ny faritanin'i Hunan sy Jiangxi tamin'ireo faritra antonontonony sy iva miohatra amin'ny renirano Yangtze. Misy fifandraisany ve ilay tohodrano sy ny haintany?

Sina: Ranomandry vita sinoa

  13 Novambra 2009

Tamin'ny Alahady 1 Novambra lasa teo, nahita ny firotsahan'ny ranomandry lasa aloha indrindra tao anatin'ny 22 taona i Beijing. Ny fiovàn'ny toetr'andro tampoka, izay nandrakotra ranomandry ny tanàna manontolo, dia nahazendana mponina maro. Nefa taoriana kely dia nitatitra ny haino aman-jery fa ny birao mpanova toetr'andro ao an-toerana no nanao...

Japana: Rehefa tsy salama ramatoa vadinao

  06 Novambra 2009

Rehefa mifandona ny kolontsaina Japonein'ny “vahoakan'ny orinasa” (社蓄 shachiku) sy ny soatoavina ary ny lanjan'ny fanambadiana – maherin'ny 300 no olona namaly an'ity fanontaniana ity tao amin'ilay “forum”  goavana Hatsugen Komachi: Tokony hijanona tsy hiasa ve ny lehilahy rehefa marary ny vadiny? Tranga Nivady nandritra ny 8 taona i Rina...