Candy · Septambra, 2009

Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Septambra, 2009

Porto Rico: Adihevitra momba ny sivana

  28 Septambra 2009

Ny Ministeran'ny Fampianaran'ny governemantan'i Porto Rico dia nanala boky dimy amin'ny fandaharam-pianaran'ny taona faha-11 ao amin'ny rafi-pampianaran'ny sekolim-panjakana. Maro ireo mpanoratra sy mpanakanto any Porto Rico no naneho ankarihary ny olany ary nandray ny fihetsiky ny governemanta ho sivana. Mihetsika noho izany fifanoheran-kevitra izany ny tontolon'ny blaogy ao Porto Rico.

Myanmar: Pôlitika vaovao mitaky ny fisoratan'anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH

  16 Septambra 2009

Ny Ministeran'ny Fahasalamana any Myanmar dia mitaky ny fisoratan'anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH raha te-hiasa any an-toerana ireto farany. Matahotra ny sasany sao dia ampiasaina "hifehezana" na hanimbana ny fahaleovantenan'ireo vondrona mpilatsaka an-tsitrapo any Myanmar ity pôlitikan'ny governemanta vaovao ilàna ny fisoratana anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH ity.

Pakistana: Fahafatesana nandritra ny Seho mivantana

  13 Septambra 2009

Niteraka adihevitra mafana teo amin'ny tontolon'ny blaogy Pakistane ny fahafatesan'ilay Pakistane iray mpandray anjara tamina seho mivantana. Mpitoraka blaogy maro no manontany momba ny fisian'ireny karazana seho fialamboly ireny, izay tsy ampy fepetra fiarovana, ary ny andraikitr'ireo vondrona vaventy izay manohana azy ireny.

Maraoka: Fampianarana ny teny “Berbery” any an-tsekoly

  09 Septambra 2009

Niteraka resa-be tao amin'ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny lahatsoratry ny BBC News iray momba ny fampianarana ny “teny Berbery” any Maraoka. Ilay lahatsoratra, izay manasongadina ireo safidim-mpampianarana hianarana sy handalinana ilay fiteny, sy manome fanazavana momba ny fivoaran'ny alfabeta Tifinagh, dia niteraka karazan-dahatsoratra maro. Mitantara i Jillian C. York.