Candy · Aogositra, 2009

Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Aogositra, 2009

Shina: Voakombom-bava ve ireo mpitoraka blaogy Tibetana?

  31 Aogositra 2009

Somary mampatahotra ihany fa ny ankamaroan'ireo vohikala malaza amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy (afa-tsy iray ihany) dia tsy azo nidirana efa ho telo herinandro izao. Na dia efa mahazatra ireo vohikala amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy aza ny fiatona (indraindray noho ny “fanamboarana”) mandritra ny fotoana faritan'ireo manampahefana ho saropady...

Japana: Ny atao amin'ireo “Zavakanton'ny Media”

  30 Aogositra 2009

Ho an’ny firenena mikaroka ny hamadihana ny ‘soft power’ ananany ho toy ny masonkarena [herin'ny rindrankajy ve ity ‘soft power’ ity?], inona no anjara toeran’ny kolontsainan’ny sarimiaina japone sy ny manga ao anatin’ny pôlitikan’ny governemanta? Ny valinteny ofisialy dia hoe ny sarimiaina japone, manga ary zavakanto numérique dia lova sarobidy...

Palestina: Kolontsainan'ny fanoherana any Gaza

  30 Aogositra 2009

Nivoaka voalohany tany Gaza tamin'ny 1 Aogositra ny horonantsary lava novokarin'i Hamas, ampahany amin'ny tetika fanangonana fanohanana nataon'ilay hetsika avy amin'ny alalan'ny hetsika ara-kolotsaina, tamin'ny fananganana “kolontsainan'ny fanoherana“. Tamin'iny herinandro iny ihany, nisy lalao momba ny famokarana horonantsary nisokatra tany Gaza. Samy natrehan'ireo mpitoraka blaogy avokoa izy roa ireo, ary omeny antsika ny hevitr'izy ireo.

Maraoka: “9 Isan-Jato aho!”

  16 Aogositra 2009

Toa naharomotra ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny fanapahan-kevitry ny governemanta Maraokana hanàkana ny fipariahan'ny gazetiboky roa lehibe,Telquel sy Nichane, tokony hivoaka ny volana Aogositra. Teo am-panapariahana ny voka-pifidianana natao niaraka tamin'ilay gazety mpivoaka isan'andro Le Monde ireo gazetiboky ireo, izay niantsoany ireo olontsotra Maraokana hanome ny hevitr'izy ireo amin'ny fitondram-panjaka...

Caucasus: Resadresaka niaraka tamin'i Micael Bogar

  14 Aogositra 2009

Taorian’ireo disadisa telo tsy nahitam-bahaolana sy olana ara-poko maro dia toa tsy dia hita taratra loatra ny fandriampahalemana sy fitoniana any atsimon’I Caucasus Taorian’ny nipetrahany sy niasany tany an-toerana nandritra ny taona maro, talen'ny Tetikasa Center for Social Media ao amin’ny anjerimanontolon’I Amerika izao i Micael Bogar ary miresaka amin’i Global Voices Online momba ny tanjaky ny fitaovana haino aman-jery vaovao hisorohana disadisa sy hamerenana ny fifandraisana eo amin’ireo firenena mifanditra.

Gabon: Kandidà mampiasa media sosialy amin'ity fifidianana filoham-pirenena manan-tantara ity

  04 Aogositra 2009

Raha eo am-piomanana ny fifidianana voalohany taorian'ny nahafatesan'i Omar Bongo i Gabon dia indro misy kandidà iray miezaka ny mampiditra ny tenany ho ao anatin'ny tantara amin'ny alalan'ny fampiasana ny media sosialy. Nody any Gabon hilatsaka ho fidiana amin'ny maha-kandidà tsy miankina ny mpanao gazety sady talen'ny Institut Edith Stein any Frantsa Atoa Bruno Ben Moubamba. Anisan'ny mpifaninana aminy ny Praiminisitra amin'izao fotoana, Jean Eyeghe Ndong, sy ny zanakalahin'i Bongo. Miezaka ny mampakatra ny haavon-dalao i Moubamba.

Firenena Mikambana: fifaninanana horonantsary ho an'ny olona 9-25 taona momba ny fifindra-monina

  04 Aogositra 2009

Mikarakara ny fifaninanana horonantsary Plural+ momba ny fananganana fiaraha-monina mandray andraikitra sy mahay mifandefitra kokoa ny 'Vovonana momba ny sivilizasiona ao amin'ny Firenena Mikambana [United Nations Alliance of Civilizations]'. Misokatra ho an'ireo mpandray anjara rehetra eo anelanelan'ny 9 hatramin'ny 25 taona hatramin'ny 30 Septambra io fifaninanana io