Candy · Jolay, 2009

Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Jolay, 2009

Israely: Finoana ny ho fiaraha-miaina – resadresaka tamin'n’ilay mafana fo Ibn Ezra

Raha nikisaka tany ankavanana Israely manontolo tato anatin'ireo taona vitsivitsy farany teo, mbola misy ihany ireo Israeliana manohitra ny pôlitikan’ny governemanta manoloana ireo Palestiniana, arymavitrika anatin'irony vondrona tahaka an-dry Peace Now, Gush Shalom, New Profile, Machsom Watch, Israeli Committee Against House Demolitions, ary Anarchists Against the Wall. Nanadihady an’ilay mafana fo Joseph Dana izay mitoraka blaogy ao amin’ny Ibn Ezra ny Global Voices Online momba ny fandraisany anjara ao amin’ilay vondrona Ta'ayush (”fiaraha-miaina”), ny toetry ny firotsahana an-tsehatra mavitrika any Israely, ary ny fampiasana haino aman-jery sosialy ho fampitàna hafatra.

Afrika: Miteraka adihevitra ny fahatongavan’ny tambajotra Seacom

  31 Jolay 2009

Miteraka adihevitra sy fahalinana teo amin’ny tontolon’ny fitoraham-blaogy Afrikana ny fahatongavana tambajotra ambany ranomasina izay hampiakatra ny fatran'onja [bandwidth] sy hampidina ny sandan’ny fahazoana Aterineto manerana an’i Afrika. Nalefa nivantana tamin’ny Alakamisy i Seacom, izay mampifandray an’I Afrika atsimo, Tanzania, Kenia, Oganda ary Mozambique amin’i Eoropa sy Azia, ka hampiditra an’I Afrika Atsinanana sy Atsimo ho ao anatin'ny tambajotra manana fatran'onja midadasika.

Malezia: “Aiza ny demokrasia?”

  30 Jolay 2009

Roa herinandro lasa izay no nankalazan'ny 100th day niasany ny Praiminisitry ny Malezia Najib Abdul Razak. Nefa maro tamin'ireo mpifidy azy no nifidy ny hanamarika ilay fotoana amin'ny fanontaniana hoe “Aiza ny demokrasia? Noforonina ilay blaogy 711whereisdemocracy mba hampaherezana ireo vahoaka Maleziana hanohana ny hetsika fanoherana.

Mpandresy tamin'ilay fifaninanana horonantsary momba ny Demokrasia

  30 Jolay 2009

Inona no atao hoe Demokrasia? Izany no fanontaniana nezahan'ireo mpandray anjara maherin'ny 900 novaliana tamin'ny alalan'ny horonantsarin-dry zareo, ho valin'ny Fifaninanana Horonantsary momba ny Demokrasia nokarakarain'ny Departemantan-panjakana Amerikana sy mpiara-miasa maro hafa, misokatra ho an'ny mpandray anjara maneran-tany. Tamin'ny alalan'ny fantsona YouTube-ndry zareo, ny olona dia nandefa ireo horoantsarin-dry zareo izay mameno ilay fehezanteny hoe "Ny Demokrasia dia..."

Irana: Horonantsary amin'ny aterineto mampita hafatra ho an'i Joe Biden

  18 Jolay 2009

Eo amin'ny Iraniana, Amerikana sy Iranana-Amerikana 100 eo no nandefa hafatra manokana fohy tao amin'ny YouTube mba hanohanana ny hetsiky ny mpanohitra Iraniana izay miantso ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona ho hosoka. Miantso an'i Joe Biden, filoha lefitra Amerikana, sy ny governemanta Amerikana tsy hankatoa ny governemanta Iraniana amin'izao...

Azerbaijana: Tanora mafana fo, mpitoraka blaogy, voadaroka sy voasambotra

  18 Jolay 2009

Tamin'ny 8 Jolay, Emin Milli, iray amin'ireo mpanangana ny fototry ny hetsika tanora the Alumni Network ary Adnan Hajizada, mpitoraka blaogy an-tsarimihetsika avy ao amin'ny OL! Youth Movement dia niharan'ny daroka mafy nataon'olon-tsy fantatra raha nisakafo niaraka tamina vondron'olona sivily hafa sy tanora mafana fo tao amina trano fisakafoanana iray tao an-tanànan'i Baku. Taorian'ny nametrahan'izy ireo fitoriana tany amin'ny manampahefana momba ny zava-nitranga dia ry zareo indray no notànana, mety hihoatra ny 48 ora.