GlobalVoices anaty

Candy

Momba ny mpandray anjara · 239 Lahatsoratra · Nanomboka nandika tamin'ny 17/07/2009

RSS ho an i Candy RSS ho an i Candy

A high-school student and translator for Global Voices Lingua Malagasy.
You can read her Malagasy blog here or her English blog here

imailaka Candy

Lahatsoratra farany an'i Candy

30/04/2012

Guinea-Bissau: Taorian'ny Fanonganam-panjakàna,Nosamborina Ary Nodarohan'ny Miaramila Ilay Mpitoraka Blaogy Malaza

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Aly Silva dia iray amin'ireo mpitoraka blaogy malaza indrindra, raha tsy izy mihitsy no malaza indrindra, any amin'ny firenena kely andrefan'Afrika, ahitàna mponina 1 tapitrisa monja (jereo ny tafatafa nataon'ny Global Voices taminy). Olona miteraka adihevitra izy any amin'ilay firenena, satria tsy manafina ny fironany ara-politika. Nefa tsy mbola manam-paharoa izy raha resaka faharetana, fahavitrihana mamoaka lahatsoratra, ary ny fahazotoany manoratra blaogy.

25/04/2012

Sina: Fanandramana Ny “Fanapahana Vonjimaika” ny World Wide Web?

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Nanjary "intranet" ny aterineton'i Sina nandritra ny adiny roa teo ho eo ny 12 Aprily. Tsy afaka niditra tamin'ny World Wide Web (WWW) ny mpampiasa aterineto rehetra tany Sina ka tsy afaka nifandray tamin'ireo vohikalan-tambajotra sosialy sy mailaka rehetra tany ivelany. Mino ireo mpampiasa aterineto fa fanandramana ny sivana aterineto ho an'ny "Fanapahana vonjimaika".

08/04/2012

Bahrain: Fankalazàna sy Fitsikerana Mitsena ny “Manama, Renivohitry ny Kolontsaina Arabo 2012″

Tamin'ny 2 Febroary no natomboka tamin'ny fomba ofisialy ny Manama, Renivohitry ny Kolotsaina Arabo 2012, izay sady natao tsara fandraisana no notsikerain'ireo olom-pirenena Bahraini. Nefa nandritra izany fankalazàna izany, tany an-kafa tany an-drenivohitra kosa dia rava ny tolona nataon'ireo mpanohitra.

16/03/2012

Maraoka: Namono Tena Ilay Zaza Tsy Ampy Taona Noterena Hanambady Ny Lehilahy Nanolana Azy

Amina, vehivavy 16 taona avy any Larache any Avaratr'i Maraoka, noterena hanambady ilay nanolana azy, dia namono tena tamin'ny fisotroana poizim-boalavo tamin'ny Sabotsy lasa teo. Araka ny voalazan'ny al-Masa'a [Ar], Amina dia naolan'ny lehilahy zokony 10 taona, raha vao 15 taona monja izy. Ary mba hitandrovana ilay antsoina hoe "voninahitry ny fianakaviana", nokarakaraina ny fanambadian'i Amina ilay lehilahy. Nanohina fo maro ny tantaran'i Amina, ary nahatezitra ny Maraokana mpampiasa aterineto, izay nampiasa ny tenifototra Twitter #RIPAmina mba hisaonana an'ilay tovovavy.

14/03/2012

Video Lahatsoratra
Ny Fihiràna Ny Hiram-pirenena Amin'ny Fiteniny Manokana

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Amin'ny lahatsoratra faharoa manasongadina ireo lahatsary avy amin'olom-pirenena mampiseho ny hiram-pirenena hiraina amin'ny teny zara raha fantatra na tsy be mpampiasa, tsikaritra fa any amin'ny firenena maro dia voararan'ny lalàna ny fihiràna ny hiram-pirenena amin'ny teny ankoatran'ny tenim-pirenena ofisialy. Na izany aza dia tsy voasakana ireo olon-tsotra hampiasa ny fampielezam-baovaon'olontsotra izany hihiràna ny hiram-pireneny amin'ny teniny manokana.

Video Lahatsoratra
Rosia: Firaisana ara-nofo, Vehivavy, Putin ary ny Lahatsary

Akon'ny RuNet

Toa nanjavona ireo tovovavy niantso sy nanentana mba hiboridana ho an'i Putin tamin'ny fahavaratra lasa teo. Koa satria efa hifarana ny fotoam-pifidianana any Rosia, ndeha asiana topi-maso kely ny fomba nivoaran'izany fihetsiketsehana izany, sy ny fomba nampirisihany ireo vehivavy hafa - na manohitra an'i Putin na momba azy - hanana saina mpamorona.

08/03/2012

Korea Atsimo: Miala Amin'ny Asany Ireo Mpanao Gazety Maro Avy Amin'ny Fahitalavi-panjakàna Iray

Tohin'ny lahatsoratra

Ireo mpanao gazetin'ny iray amin'ireo tambajotram-pahitalavitra ara-barotra lehibe indrindra any Korea Atsimo, ny Munhwa Broadcasting Corporation (MBC) dia mitokona mandritra ny fotoana tsy voafaritra efa nanomboka tamin'ny volana Janoary 2012, mitaky ny fahamarinana amin'ny fanaovan-gazety tsy misy ambadika politika. Tamin'ny 4 Martsa 2012, mpanao gazety 166 no nanambara fa hiala amin'ny asany [ko] ho mariky ny fanoherana.

28/02/2012

Haiti: Fanehoan-kevitra Tanaty Aterineto Momba Ny Raharaha Duvalier

Tohin'ny lahatsoratra

Tamin'ny faran'ny volana Janoary 2012, ny mpitsara mpanao famotoana mitady vesatra mikasika ny zon'olombelona hanenjehana an'ilay mpanao didy jadona voaongana tany Haiti, Jean-Claude "Baby Doc" Duvalier, dia nanapa-kevitra fa "tapitra ny fe-potoana voafetran'ny lalàna mikasika ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona - tsy izany kosa anefa ny amin'ny fangalàran'i Duvalier ny volam-panjakàna.

27/02/2012

Tonizia: Nisafidy Ny Fitantanana Misokatra Amin'ny Alalan'ny Fampielezam-baovao Sosialy Ireo Mpanao Politika sy Solombavambahoaka

Tohin'ny lahatsoratra

Ny fanonganana ny fitondràn'i Ben Ali tamin'ny volana Janoary lasa teo dia nanokatra làlana nampitombo ny fampiasana fampitàm-baovao sosialy any Tonizia. Ankehitriny ireo mpanao politika dia mampiasa ireo fitaovana enjehin'ny fanjakàna ireo, mba hampitàna ny hafany amin'ny vahoaka. Mitatitra amintsika i Ahmed Medien.

Topimaso Maimaika Amin'ireo Tolotra Famatsiana Tetikasa Madinika Ataon'ny Rising Voices

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Manomboka any Afghanistan hatrany Zimbabwe, Rising Voices dia nahazo tolotra miisa 1175 avy any amin'ny firenena 124 maneran-tany. Indro misy topimaso maimaika amin'ny fanazavana ara-demografika avy amin'ireo tolotra tetikasa, anisan'izany ireo firenena niaviany, tanjona kendreny, ary ireo teny nampiasainy tao amin'ny fanoritsoritana ny tetikasa. Izany fahasamihafana izany dia mampiseho ny fahalinana sy ny filàna mitondra ny fampielezam-baovaon'olontsotra ho any amin'ireo vondrom-piarahamonina madinika zara raha hita sy re.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin ny