Nanoratra mikasika ny maha-zava-dehibe ny firotsahan’i Etazonia an-tsehatra any Mali tao anatin’ny lahatsoratra nivoaka tao amin’ny NY Times i Oumou Sall Seck, ben’ny tanànan’i Goundam, ao avaratr’i Mali.
Tohiny »Lahatsoratra farany an'i Erikah
20/05/2013
Mety Hitondra Fiovana Ve Ny Fifidianana Solombavambahoaka Ao Malezia?
Noravàn' i Praiministra Najib Razak ny parlemanta Malezianina tamin'ny 3 Aprily 2013 mba hanomanana ny fifidianana solombavambahoaka faha 13 eo amin'ny firenena. Mety mbola hanjaka hatrany amin'ny fifidianana ve ny mpitondra nandritry ny antsasaky ny taonjato lasa? Sa ve hisafidy ny fiovana ny vahoaka?
16/04/2013
Nampametra-panontaniana Ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina Nataon'ny Mpitoraka Milaogy Iray Teratany Iranianina
Fa raha toa ka nampitandrina ny mpitoraka bilaogy sasany fa tandindonin-doza ny ain'i Mehdi Khazali taorian'ny nanaovany fitokonana tsy hihinan-kanina nandritry ny 90 andro mahery, dia teo kosa ireo izay manontany tena hoe tena marina tokoa ve ny fisian'izany fitokonana tsy hihinan-kanina izany.
04/03/2013
Nifidy An'i Morsi ny mponina Ejiptiana Satria …
Tao amin'ny Twitter, Nanenina avokoa ireo mponina Ejiptiana izay nifidy an'i Mohamed Morsi tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena Ejiptiana tamin'ny 24 Jona - ary mazava tsara ny nenin'izy ireo tao anaty tenifototra iray vaovao izay mivaky hoe: Nifidy an'i Morsi aho satria .. Niteraka fanesoana mifangaro sangisangy io tenifototra [ar] io #انا_انتخبت_مرسي_عشان . Nandresy an'i Ahmed Shafik, praiministr'i Hosni Mubarak farany teo i Morsi, mpilatsaka hofidiana avy amin'ny firahalahiana Silamo, tamin'ny fifidianana filoham-pirenena. Nametra-pialàna i Ahmed Shafik 32 taona taorian'ny hetsi-panoherana izay naharitra 18 andro nokarakarain'ny vahoaka rehetra teo amin'ny firenena hanoherana ny fifehezany.
24/02/2013
Shina: Fanaovana Tsindry Hazo Lena Olona Nitatitra Fisiana Fandikan-dalàna Iray Mba Hilaza Ny Loharanom-baovaony
Manao tsindry hazolena amin'i Zhu Ruifeng ny mpitandro ny filaminana ao Chongqing , ilay vavolombelon'ny fisian'ilay horonan-tsary mirakitra ilay tantara ratsinà resaka firaisana ara-nofo mba honolorany ny orizinalin'ireo horonan-tsary miisa 7 ireo mahavoarohirohy manampahefana miisa iraika ambinin'ny folo ao amin'ny governemanta.
19/02/2013
Manakenda Ny Artista Ny Lalàna Ao Japana Mikasika Ny Fahavetavetana
Nosamborina ilay mpaka sary lamaody antsoina hoe Leslie Kee noho ny famarotana sary mamoafady tamin'ny fampirantiana nataony farany teo tao Tokyo. Fa fanehoana talenta ve ny sanganasany sa fanehoana fahavetavetana? Ao anatin'ity lahatsoratra ity isika dia mahita ny fisian'ny lalàna izay 'manamavo' ny fanehoana ny talenta ao Japana.
08/02/2013
Fidirana Teo Amin'ny Sehatra Politika Somary Nisamboaravoara Ho An'Ilay Mpitondra Tenin'ny Governemanta Tao Senegal
Sarotra dia sarotra ny fidiran'i Abdou Latif Coulibaly, Senegaly mpanao gazety mpikaroka fanta-daza, izay lasa minisitry ny Fahaiza-mitantana sady mpitondra teny ny Governemanta Senegaly teo amin'ny sehatra politika . Niteraka fizarazaran'ny fomba fijery maro be teo amin'ireo mpikatroka mafana fo sy ny mpitoraka bilaogy Senegaly ny fivoahana farany nataony vao haingana kely teo, izay manavaka ireo mpanao hetsiky ny M23 amin'ny Y'en a marre
03/02/2013
Ny Fandresen'ny Tsimatimanota Manoloana Ny Fanjakana Tan-dalàna Ao Ginea
Fisamborana sy fitazonana tsy ara-dalàna, fampijaliana, fitsarana tsy mandeha amin'ny fahamarinana, izany no hita taratra teo amin'ny tantaran'i Guinée. Noraisin'ny Fikambanana maro samihafa tao Guinée an-tanana ny resaka tsimatimanota izay anjakan'ireo mpitondra voaheloka tamin'ireo heloka bevava.
23/01/2013
“Ny fanjaitra” Tantara Iray Hafa Mikasika Ny Vondrom-piarahamonin'ireo Nanova Taovam-pananahana Any Porto Rikò
Matetika amin'ny alina no mivenjivenjy manao ny asany eny amin'ny sisin-dalan'ny tanan-dehiben'i San Juan, ireo mpikambana avy amin'ny vondrompiarahamonin'ireo 'trans' (olona nanova taovam-pananahana) ao amin'ny faritr'i Santurce avy any Porto Riko.“Ny fanjaitra”, fanadihadiana iray vaovao tarihin'ilay mpamokatra horonantsary iray avy eo an-toerana antsoina hoe Carmen Oquendo-Villar, izay tsy miompana loatra amin'ny zava-mitranga eny an-dalana; fa mifantoka kosa amin'ny endrika ambadiky ny sehatra dia ny hatsaran'ny asa hita eny an-dalana izay ametrahan'ireo mpiasan'ny sisin-dalana fitokisana.
27/11/2012
Trinidad & Tobago: Rahona Mainty, Medaly Volamena
Nilona tao anatin'ny riaka mahery vaika sy tondradrano omaly maraina i Trinidad sy Tobago. Nihoatra ny moron'ny reniranon'i Diego Martin sy Maraval vokatry ny rivo-doza. Fa somary nihiratra kely ny sain'ny vahoaka tao amin'ny firenena - eny na dia fotoana monja fotsiny aza izany - satria nandrombaka ny medaly volamena io firenena io tamin'ny lalao Olympique ary faharoa izao teo amin'ny tantara izay isaorana manokana an'i Keshorn Walcott nohon'ny ezaka nataony teo amin'ny fanipazana lefona.






























RSS ho an i Erikah





Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa