2008-09-05
Ezypta : Miarahaba tonga soa ny volana masin’ny Ramadany
Ny volana masin’ny Ramadany, nanomboka ny Alatsinainy teo, dia manana ny tsirony manokana any Azypta, ka noravàhana hifanaraka amin’izany ny lalàm-be rehetra.Mpitoraka blaogy iray no maneho ny lokony sy mitondra antsika eo anivon’izany fankalazàna izany
Vehivavy ezyptiana iray mpitoraka blaogy SaSa no mitanisa ao amin’ny blaoginy Stories from the Past (Ny ...
2008-09-03
Moyen-Orient : Momba sy manohitra ny fandaharana amin'ny fahitalavitra mandritry ny Ramadany
Vao manomboka ny volan'ny Ramadany izao ary ireo mpijery fahitalavitra miteny arabo dia samy efa tsindrian-daona miandry izay fandaharana haroson'ny fahitalavitra voaomana ho amin'izany ny hariva. Ireo mpitoraka blaogy jordaniana, saodiana sy ny avy any Barheïn dia mifanpizara ny fomba fijeriny manodidina ireo fandaharana be mpanaraka mandritry ny Ramadany.
Avy any ...
2008-08-15
Osetia Atsimo:Naka tàhaka an'i Kosovo ve?
Raha nanambara samirery ny fizakan-tenany i Kosovotamin’ny 17 febroary 2008, dia nizarazara be ihany ireo fiorenena maro manerantany ny amin’ny maha-aradrariny na tsia iny fihetsika iny Amin’izao fotoana izao, 45 amin’ireo firenena 192 mpikambana ara-dalàna ao amin’ny Firenena Mikambana no nankato tanteraka ny Repoblikan’i KosovoSinganina amin’izany ny firenena maromaro ...
2008-08-13
Fiji: Mamely mafy ilay “fananganana Fiji tsara kokoa” ireo mpitoraka blaogy
Komity iray najoron'ny governemantan'i Fiji no nandroso vinavina misy teboka 11 ho fanampiny ao amin'ny Lalampanorenan'ity nosy ao amin'ny Ranomasimbe Pasifika ity sy "hananganana firenena iray tsy misy fanavahana ara-poko, mavitrika sy mivondrona ara-kolotsaina, tsara tantana sy tena democratika ao ”. Ity vinavina misy pejy 75 ity, mitondra ny lohateny ...
2008-08-12
Tany Arabo:Vehivavy, tokantena, handao ny akany?
Ho an'ny ankamaroan'ireo vehivavy tokantena arabo, ny hiaina sy hiasa na handranto fianarana lavitry ny fianakaviana dia safidy tsy mora atao, noho ny tahotra ny hoe “Dia inona no ho lazain'ny olona”. Manerana ny tontolo arabo, vehivavy mpitoraka blaogy maro no efa naneho ny ahiahiny mikasika ny olana sedrain'ireo vehivavy ...
2008-08-11
Libanona: Doro ala sy fiakaran'ny maripàna
Efa an-taonany maro izao no ahitana doro ala isaky ny lohataona amin’ireo hany sisa mba faritra voajanahary Libaney. Ary isan-taona, lalaovina hatrany ny fifanilihana: ireo antoko sy mpanao pôlitika dia mifanilika hatrany ho tsy nisy fiomanana momba izany ary tonga hatrany amin'ny fifampiampangana ho nanao fanahy niniana ny fandorana.Raha izany, ...
2008-08-03
Cap_Vert:Politika ivelany sy ny zanany am-pielezana
Ao amin’ny blaoginy i Miguel Cruz Sousa [amin’ny teny portige] no mitondra fandalinana momba ny politika ivelan’i Cap Vert sy ny fifandraisan’ny firenena amin’ireo zanany ampielezana. “Ny tsy fananàna asa, ny elanelana ao anaty fiaraha-monina, ny tsy fandriampahalemana, ny karama varimasaka sy ny mety ho tsy fahampiana dia mitatao mandrakariva ...
Arabia Saodita:Ny fisaraham-panambadiana, teny tsy misy dikany ve?
“Dia ho lasa teny maivana (tsy misy dikany) ve ny fisaraham-panambadiana?” hoy ny fanontanian’i 3abira Sabbel, vehivavy saodianina mpitoraka blaogy [amin’ny teny arabo], ao anatin’ny hafatra iray mandalina ny fahasamihafàn’ny vehivavy ankehitriny sy ny reniben’izy ireny, ary ny antony mahatonga ny tanora lahy sy vavy hieritreritra fa zava-mora ny ...
2008-07-29
Singapour: Tokony ho ankatoavin'ny fanjakana ho ara-dalàna ve ny varotra taova?
Misy adihevitra mafonja miainga ao Singapour : Tokony hankato ny varotra taova ho ara-dalàna ve ny governemanta ? Ireo mamampahefana amin’ny fahasalamana, ireo mpitsabo manampahaizana manokana, ary ireo mpitoraka blaogy maro dia mifampizara fomba fijery momba azy io.
2008-07-26
India: Ireo fipoahana baomba erak'i Bangalore
Bangalore, renivohitry ny fanjakana ao Karnataka, dia lasibatry ny fampihorohoroana tamin’ny alàlan’ny baomba ora vitsy lasa izay. Ny vaovao ampela-tànana dia manambara fipoahana baomba fito tamin’ny faritra samihafa tao an-toerana, tanatin’ny elanelam-potoana roambinifolo minitra. Tsy dia nahery vaika loatra ireo baomba ary irony karazana zelatina (gélatine en baton) irony no ...





Pakistan: Nisy baomba nipoaka sady nahaf...
- eny tompoko, misaotra anareo nanome ny vaovao mikasika ny fiainam-pire...
Tohiny »