2009-09-07
Global Voices + Resadresaka hanatsaràna ny tany
Blaogy iray vaovao tohanan'ny United Nations Population Fund (UNFPA) antsoina hoe resadresaka ho fanatsarana ny tany no nanome làlana ny mpitoraka blaogy avy amin'ny Global Voices mba hanampy azy ireo hampivoitra ny resaka an-tserasera momba ny mponina sy ny fandrosoana manerana izao tontolo izao.
2009-09-04
Brezila: Mba afaka hitondra fiara raitra ve ny mainty hoditra?
Lehilahy mainty hoditra iray no niharan'ny herisetra teo amin'ny toerana fametrahana fiaran'ny toeram-pivarotana lehibe iray tao São Paulo raha nampangain'ny mpiambina ho niketrika fangalarana fiara izay tsy hafa fa azy ihany, niteraka adihevitra be teo amin'ny mpitoraka blaogy maro momba ny anganongano milaza an'y Brezila ho demokrasia ara-poko.
2009-08-30
2009-08-21
Sina: Tanora iray voadaroka mandra-pahafatiny noho ny fiankinan-doha amin'ny aterineto
Tamin'ny volana ambony, ny Ministera Sinoa momba ny Fahasalamana dia nilaza fa ny fampiasana herinaratra [electroshock treatment] hitsaboana ny “fiankinan-doha amin'ny aterineto” dia tokony hatsahatra. Na izany aza anefa, tsy nidika izany fa ny toeram-pitsaboana mitsabo ny “fiankinan-doha amin'ny aterineto” dia nampitsahatra ny fampiasana fampijaliana.
2009-08-18
2009-08-14
iran:twitter sy facebook notsaraina
Omaly, niditra tamin'ny fihodinana faharoa tamin'ny fitsarana ireo mpanohitra sy mpanao politika refôrmista [mpitaky fiovana] ny manampahefana iraniana. Tamin'ireo voapanga tamin'ity andiany ity dia nahitàna vehivavy frantsay iray 24 taona, Clotilde Reiss, nampangaina ho nanao asa fitsikilovana. Saiky ny ankamaroan'ireo voapanga no voatondro ho nitarika ny olona hikomy sy manohitohina ...
2009-08-04
Palestina: Ny Fisondrotana Kilasy any Gaza
Ny tawjihi dia ny fanadinana ankapobeny aorian'ny dingana faharoa any amin'ny faritr'i Gaza, sisiny andrefan'i Jordana, ary mamaritra ny safidin'ny mpianatra iray momba izay anjerimanontolo sy ny sampana horaisiny. Tamin'ity taona ity, ny fiatrehana miaraka ny fanadinana any amin'ny sisiny andrefana sy ao Gaza dia noraisina ho toy ny taratry ny firaisam-pirenena sahady.
2009-07-19
Maraoka: Volan-kakafotra ka ny omaly tsy miova
Raha mihamanatona ny lohataona eto amin’ny fanjakana, ny lohahevitra hita ho mampientanentana ny mpitoraka blaogy manerana an’i Maraoka izao dia ny momba ny fiovana. Nanomboka hatrany amin’ny traikefa vahiny azon’i Maraoka ka hatramin’ny fahalalàhana (na ny tsy fisian’izany) ho an’ny asa fanaovan-gazety, ny ‘blogoma' [Avy amin’ny mpandika: tontolon’ny fitorahana blaogy maraokana] dia toa niova ho sehatra filozofika mikasika lohahevitra maro






