Global Voices teny Malagasy » avylavitra
Puerto Rico: Kiaka manohitra herisetra
Mitana toerana be lavitra noho ny isa fotsiny izy ireo. Izy ireo dia endrika, fiainana, nofinofy ary fanantenana. Izy ireo dia reny, zanaka vavy, anabavy, renibe, nenitoa, zanaky ny mpiray tampo, namana, mpiasa, mpanao politika, mpisolo vava, mpikambana amin'ny akademia, mpitolona, mpianatra, ireo olon-droa manaraka ny fitsipiky ny natiora na ireo mitovy nefa mifanambady [straight, gay]. Ny herisetra dia mamakivaky tsy ankifidy  sarangam-piarahamonina , volonkoditra, foko, sisintany, lahy na vavy, ary firehana manokana momba ny filàna ara-nofo.
Ao  Puerto Rico, araka ny tatitra ofisialy nangonin'ny  Birao mpiaro ny vehivavy, dia vehivavy 178 no novonoin'ireo olona niaraka niaina taminy teo anelanelan'ny 2001 sy 2008. Tamin'ity taona ity, efa vehivavy 16 sahady no maty noho ny herisetra an-tokantrano tao amina nosy kely ahitàna olona eo amin'ny 4 tapitrisa eo ho eo. Ny salanisan'ny tranga-na herisetra an-tokantrano notaterin'ny mpitandro filaminana dia 20,000 isan-taona. Sasantsasany amin'ireny ihany no naharaisana tatitra. Tamin'ny fanadihadian'izy ireo farany (2007), ny  Foibe natokana ho an'ireo Niharan'ny Fanolanana najoron'ny governemanta dia nikajy fa olona 18,000, vehivavy sy ankizivavy ny ankamaroany, no tratry ny herisetry ny filan'ny nofo isan-taona.
Maro ary amin'ny endrika samihafa no isehoan'ny herisetra, tsy fitovian'ny fahafahana mahazo fikarakarana ara-pahasalamana sy fanabeazana, ny fankahalàna ary ny fanavakavaham-bolonkoditra.
Sary lehibe, Diabe ho fanoherana ny herisetra, tao amin'ny Anjerimanontolon'i  Puerto Rico. Navoaka rehefa nahazoana alàlana tamin'ny mpikarakara.
Mbola misy maro ihany koa ny vehivavy , ny lehilahy, manohitra ny herisetra amin'ny fomba vaovao sy  maro tsy tambo isaina. Androany, 25 Novambra, ao anatin'ny fankalazana ny  Andro maneran-tany natao hamongorana ny herisetra atao amin'ny vehivavy, izay manamarika ihany koa ny andro voalohany maneran-tany amin'ny hetsika 16 andro hanoherana ny herisetra [16 Days of Activism Against Gender Violence], dia vehivavy mpitoraka blaogy avy ao  Puerto Rico no nanoratra lahatsoratra momba ny herisetra miantraika amin'ny fiainan'izy ireo, amin'ny fianakaviany ary amin'ny fiarahamonin-dry zareo.
Nanoratra tononkalo ry zareo, fanadihadiana lalina, sy fampieritreretana ihany koa. Nanoratra izy ireo momba ny herisetra ara-drafitra, amin'ny teny ifanaovana, ao an-tokantrano sy ny herisetra amin'ny fanolanana. Nanoratra izy ireo mikasika ny tsy fitoviana eo amin'ny lanjan'ny fifandraisana ankapobeny, ny politikan'ny mponina, ny lalàna, ny fahantrana, ny demaokrasia, ny toekarena, ary hatramin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy any anatin'ireny horonantsary ireny. ‘Ndao mba hojerentsika ny endrik'izy ireo, hovakiantsika ny lahatsorany, ary hohenointsika ny feony.
Ao amin'ny blaoginy Mujeres en Puerto Rico [ES], Verónica,  vehivavy mpisolo vava dia mahatsiaro ny vesatra nentin'ny  herisetra nianjady tamin'ireo vehivavy nifanerasera taminy, na nalàna tanatin'izany, teo amin'ny fiainany manokana hatrany amin'ny fahazazàny:
En mi temprana adolescencia, convencí a mi madre para que me permitiera hacerme mi primera manicura. En cuanto obtuve la ansiada autorización, corrí a un salón de belleza y allí conocí a Ada, la dueña del lugar. Simpática, agradable, sonriente, siempre trabajadora, Ada. Su socio era también su esposo, así que lo recuerdo a él también, entrando y saliendo del salón, mientras Ada trabajaba con mis manos. Un día, de repente, el salón de belleza amaneció cerrado. Ada había sido asesinada por su esposo. Se abrió la caja de pandora. Por primera vez, en mi vida escuché de primera mano sobre cómo la distorsión de lo que es una relación amorosa puede terminar en muerte. Perdí la inocencia.
Tany amin'ny fahatanorako, nandresy lahatra an-dreniko aho mba hahazo mandeha mikojakoja ny tanako amin'izay, sambako io. Vantany vao azo ny fahazoan-dàlana avy aminy, niolomay namonjy ny trano mpikojakoja hatsaran-tarehy aho, ary tany no nifankahalalako tamin'i Ada, tompon'ny toerana. Tsotra sy tsara fanahy izy. Sady nitsiky foana izy no nanohy miasa hatrany. Ny vadiny ihany no mpiara-miombon'antoka aminy amin'io asany io, tadidiko tsara koa izy mivoaka sy miditra ny efitrano mandritra ny fikarakaran'i Ada ny tanako. Indray andro, tampoka teo, nikatona ilay trano fikojakojana hatsaran-tarehy. Ho ahy, nisokatra ny boatin'i Pandora. Voalohany teo amin'ny fiainako no nahatsapako fa hoe mety hiafara amin'ny fahafatesana ny fitiavana lalina. Veriko ny maha-tsy manantsiny ahy.
Amárilis Pagán, vehivavy mafana fo, dia niampanga ao amin'ny  Brujas y Rebeldes [ES] ireo endrika maro isehoan'ny herisetra izay ny Fanjakana no tomponandraikitra amin'izany.
Estamos de pie ante un sistema de gobierno que se ha convertido en el principal agresor de las mujeres en Puerto Rico. De pie y resistiendo por nosotras y por otras poblaciones que son igualmente vulnerables. De la misma manera en que la violencia doméstica se trata de una cuestión de poder y control, la violencia actual del Estado en contra de las mujeres de la Isla es un asunto de poder y control matizado por una perspectiva acartonada de lo que son- y deben ser- las mujeres a la luz de una concepción judeo-cristiana de corte fundamentalista que se ha entronizado en la esfera gubernamental. Este 25 de noviembre, Día Internacional de No Más Violencia Hacia las Mujeres, es obligatorio hablar de la violencia hacia las nosotras en sus expresiones más amplias y profundas. Esa violencia no se limita a la violencia en relaciones de pareja (violencia doméstica) y es, en realidad, una violencia que se ha filtrado a través de muchas otras facetas de la vida de las mujeres. Pensar que la violencia doméstica es el único tipo de violencia que se inflige a las mujeres de la Isla es simplificar un asunto mucho más complejo.
Manohitra ny rafitra iray an'ny governemanta izahay, izay lasa voalohany amin'ny fampiharana herisetra amin'ny vehivavy eto  Puerto Rico. Manohitra izahay mba ho fiarovan-tenanay sy ireo tsy manan-kianteherana eo anivon'ny fiarahamonina. Toy ny amin'ny herisetra ao an-tokantrano ihany dia olana momba ny resaka fahefana sy fifehezana ihany koa ny olan'ny herisetra ataon'ny Fanjakana amin'ny vehivavy. Amin'io tranga io, izy dia voafaritry ny fomba fijery ny vehivavy, sy izay eritreretina fa tokony ho toeran'izy ireo araka ny foto-pinoana  Judeo-Christian izay mahavonto ny governemanta. Amin'ity 25 Novambra ity, andro maneran-tany hamongorana ny  herisetra atao amin'ny Vehivavy, tena ilaina mihitsy ny miresaka momba ny endrika rehetra sy ny halalin'ny fomba fanaovana herisetra amintsika. Io herisetra io tsy voafetra fotsiny hoe nataon'ireo olona akaiky indrindra antsika (herisetra an-tokantrano).  Endrika maro samihafa no isehoan'ny herisetra eo amin'ny fiainan'ny vehivavy. Ny finoana fa hoe ny herisetra ao an-tokantrano ihany no hany karazana endrika herisetra mianjady amin'ny vehivavy dia toa fanatsotsorana ihany ny olana izay tena saro-bahana tokoa.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="560" height="340" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/a-U3bZvdz2M&hl=en_US&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="560" height="340" src="http://www.youtube.com/v/a-U3bZvdz2M&hl=en_US&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Performance hamotsipotsirana ny herisetra atao amin'ny vehivavy ao  Puerto Rico. Video an'ny  Insula TV.
Nahomi Galindo-Malavé, vehivavy mafana fo, dia manadihady lalina ny endrika marolafin'ny herisetra noho ny tsy fitoviana  [of gender violence] ao amin'ny Poder, Cuerpo y Género [ES]:
En el mes de No más violencia hacia las mujeres, es importante recordar que todo acto de violencia encarna una red de relaciones de poder: en este caso, relaciones de género. Es por ello, que el objeto o “víctima” de la violencia de género no necesariamente es siempre una “mujer”.  Un ejemplo reciente de ello es violento asesinato del hombre gay de 19 años, Jorge Steven López. Para comprender este suceso como crimen de odio y como violencia de género, es importante entender cómo se despliegan a través de él las relaciones de poder y la construcción de las masculinidades… La violencia contra las mujeres es producto de las relaciones de poder que existen en nuestra sociedad. Se trata por tanto de una de las manifestaciones de la violencia de género, que se dirige contra todo aquello que no es inteligible, que rompe, que no se subordina, a las normas de lo masculino y lo femenino. Diferentes formas de violencia de género son las violencias domésticas, la violencia económica, los feminicidios y los crímenes de odio.
Nandritry ny iray volan'ny ‘Aoka izay ny herisetra atao amin'ny vehivavy' [No More Violence Against Women] tsara ny mampahafantatra fa ny herisetra tsirairay dia mifanindran-dàlana amina tambajotra-na fahefana ara-pifandraisana. Amin'io tranga io, ireo fifandraisan'ny lahy sy ny vavy. Izany no mahatonga hoe ireo izay voakasika na  “niharan'ny” herisetra noho ny tsy fitoviana  dia tsy voatery ho vehivavy foana akory. Ohatra iray tsy ela akory ny herisetra namonoana an'i Jorge Steven López, 19 taona,  lehilahy tia lehilahy. Mba hahafahana manakatra io vono-olona io ho toy ny habibiana nateraky ny fankahalana sy herisetra noho ny tsy fitoviana, ilaina dia ilaina tokoa ny mahafantatra hoe manao ahoana ny fahefana ara-pifandraisana ary ny fomba fiorenan'ny fahefan-dehilahy … Vokatry ny fahefana ara-pifandraisana ny herisetra atao amin'ny vehivavy ao amin'ny fiarahamonina misy antsika.  Ankoatr'izay, endrika iray isehoan'ny herisetra noho ny tsy fitoviana ateraky ny zavatra azo takarina tsara izay mampihataka sy tsy mifanojo mihitsy amin'ny lamina maha-lahy na maha-vavy mipetraka. Ny heloka ao an-tokantrano, ara-toekarena, famonoana vehivavy sy ny fankahalàna dia endrika samihafa isehoan'ny herisetra noho ny tsy fitoviana daholo.
Ao amin'ny El rincón de la cinefilia [ES], RDLC, izay mamariparitra ny tenany ihany ho lehilahy mpandala ny zon'ny vehivavy, dia mitondra tsikera momba ny horonantsary “What's Love Got to Do with It?” “Inona koa no hidiran'ny fitiavana amin'izay?” sy ny  “North Country” “Firenena Avaratra”. Mamintina izy fa:
La violencia en contra de la mujer, ya sea en el ámbito íntimo del hogar o en donde trabaja, está mal. Podríamos pensar que luego de años y años de concienciación a la sociedad esta enfermedad hubiera culminado. Sin embargo, aquí estamos: año 2009 y las estadísticas sobre actos violentos en contra de féminas siguen más altas de lo que quisiéramos. Por ello, les recomiendo ambas películas basadas en hechos reales donde féminas (famosas y no famosas) luego de ser confrontadas con la violencia, supieron sobrepasar dignamente el epíteto “víctima”, convertirse en heroínas y llevar un mensaje claro: no más violencia contra las mujeres. PUNTO.
Aretina ny herisetra atao amin'ny vehivavy, na izany any anatin'ny fiainan-tokantrano manokana na any anivon'ny toeram-piasàna. Te-hino izahay fa taorian'izay taona maro nanaovana fampahatsiarovan-tena izay, efa tokony ho fongotra io aretina io. Saingy, eto indrindra isika, anatin'ny taona  2009, ny antontan'isan'ny herisetra atao amin'ny vehivavy dia vao mainka nisondrotra be tsy araka ny niheverana azy. Izany indrindra no mahatonga ahy manolotra ireto video miainga avy amin'ny zava-marina ireto, ahitàna vehivavy, malaza na tsia, nandao ny toerana naha “mpizaka ankaso” [victims] azy ireo ho amin'ny toeran'ny Be herim-po. Hafatra mazava no ampitain'izy ireo: aoka izay ny herisetra atao amin'ny vehivavy. TEBOKA.
Mariana Iriarte, vehivavy mafana fo mpianatra lalàna dia miresaka momba ny herisetra atao amin'ny alalan'ny teny sy fihetsika ao amin'ny  Con otro y otras en el mundo [ES]:
Importante es entonces ser conscientes y concientizar a otras mujeres que la violencia física siempre es antecedida por la violencia simbólica, que antes de agredirte física o sexualmente, preparará el terreno discursivamente para que te sientas acorralada y sin salida, que anterior al golpe te hará sentir que no eres humana, que no vales nada, que eres un apéndice de él y más que su compañera eres su pertenencia. Reconocer que los roles que se te han asignado como mujer fueron construidos por los hombres para garantizar su dominio sobre las mujeres y que, sobre todo, nada de eso es normal. Por eso, hoy y siempre di no a la violencia contra las mujeres y sábete libre para hacer de tu identidad lo que te dé la gana.
Tena zava-dehibe, na izany aza, ny mahatsiaro saina sy misarika ny sain'ny vehivavy hafa ihany koa fa mazàna ny herisetra ara-batana dia ialohavan'ny herisetra amin'ny alalan'ny fihetsika. Fa alohan'ny haha-voadaroka na haha-voaolana anao mivantana mihitsy, dia efa nomanina miandalana teny ny kianja mba hahatonga anao ho toy ny voageja, tsy misy lalan-kivoahana intsony. Fa alohan'ny  hipetahan'ny totohondriny dia ataony izay hiheveranao fa tsy isan'ny olona ianao, tsy misy lanjany, ary miankina aminy ny fiainanao, fananany ianao. Tsara ny hiaikena fa tsy araka ny tokony ho izy izany, ary ireo fepetra apetraka aminao ireo dia ny lehilahy no namorona azy mba ho antoka amin'ny fanandevozana ny vehivavy. Izany indrindra, ankehitriny, no itenenana hoe aoka izay ny herisetra atao amin'ny vehivavy ary sahia manangana [mamorona] indray ny maha-ianao anao vaovao araka izay tianao.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/AjIU0VYniYg&hl=en_US&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/AjIU0VYniYg&hl=en_US&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Movimiento Amplio de Mujeres de Puerto Rico.
Ao amin'ny Poder, espacio y ambiente [ES] Erika Fontánez, mpandàla ny tontolo iainana sy vehivavy mpampianatra lalàna dia manadihady ireo endrika maro samihafa isehoan'ny herisetra avy amin'ny rafi-pitantanana atao amin'ny vahivavy:
Exigimos que se atienda la violencia, las violencias todas, las violencias de esta sociedad directas e indirectas, las obvias y las estructurales, contra las mujeres. Exigimos el cese de políticas excluyentes que tienen el impacto de fomentar nuestra exclusión y perpetuar la violencia, las violencias. No bastan las ‘palabras de hombre', no las queremos, queremos el reconocimiento en igualdad de condiciones y en igualdad de poder. Exijamos nuevas relaciones de poder en todas las cotidianidades que rompan con los ciclos de las violencias. No más violencia institucional ni de ningún tipo contra las mujeres.
Takianay ny handinihana ny herisetra: ny endrika herisetra rehetra mahazo ny vehivavy, mivantana na ankolaka, ny mivandravandra sy ny anaty rafitra. Takianay ny hanafoanana ny politika manome vahana ny fanilikilihana sy ny fampiharana herisetra: ny endrika herisetra rehetra. Tsy ampy  ‘Ireo fampanantenan'ny lehilahy sy ny lokalokany' (fanentanana iray nadika avy any ivelany napariaky ny governemanta ao  Puerto Rico). Tsy ilainay ireny. Mila fitoviana eo amin'ny fahefana ara-pifandraisana izahay ary eo amin'ny tontolom-piainana. Avelao izahay hitaky fahefana ara-pifandraisana hafa kokoa mba handrodanana ny faribolan'ny herisetra. Atsaharo ny herisetra atao amin'ny vehivavy avy amin'ny rafi-pitantanana.
Ao amin'ny  El diario de El Curio [ES], Yolanda Velázquez dia nandefa tononkalo. Ny blaogin'ny fifanatonana Movimiento Amplio de Mujeres [ES] dia manam-baovao momba ny hetsiky ny vehivavy tao  Puerto Rico.
Ozbekistana: Tashkent, tanàna maitso. Sa tsia?
Notapahana ireo hazo antitra tao afovoan-tananan'i  Tashkent – tanatin'ny iray andro dia niparitaka tao an-tanàna ilay vaovao nahatafintohina.
Photo by goricvet
Planetrees, na platanus [Avy amin'ny Mpandikateny: najanona amin'izao ny anara'ny hazo fa tsy fantatro amin'ny teny Malagasy], novolena tany amin'ny faramparan'ny taonjato faha-19 tany, no notapahana tao amin'ny zaridainam-pokonolona antsoina hoe Amir Temur (Tamerlane) ao Tashkent tamin'ny herinandro lasa teo. Araka ny nolazain'ireo manampahefana, ny fanapahana dia nampifanarahana tamin'ny drafitry ny asa ara-pahasalamana kasaina hatao ao amin'ny tanàna. Kanefa, tsikaritra fa ireo hazo dia tsara toerana sy nahasarika tokoa.
Etsy ankilany, trano be tranainy roa mifanila amin'ny zaridainam-pokonolona no andalam-pandrodànana. Ny iray voalohany dia ilay trano fisakafoanana  “Poytakht” (“Masonkarena” amin'ny teny Ozbeky) vao navaozina tsy ela akory, naorina tany afovoan'ny taonjato lasa iny. Ny iray faharoa dia ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana fahiny izay naorina ho an'ny Semineran'ny Mpampianatra Tashkent tamin'ny 1898. Tranom-panjakana vaovao no kasaina haorina eo amin'io toerana io.
Joendax manoratra (rus):
Tsy dia niraika firy tamin'ny momba ny hazo aho taloha. Fa tamin'ity andro ity sy ireo andro maro nifandimby, tsy nety nino aho hoe marina kay ilay izy. Rehefa mamerina mamisavisa ireny fahatsiarovana ireny aho dia manomboka latsa-dranomaso, satria tsy afa-manova na inona na inona.
Inona no azo anazavàna an'itony? Be ny mihevitra fa ny tena anton'ireo hetsika ireo dia ny Lapa vaovao ho an'ny Forum, niorina tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Lasa anton-dresaka be teo anivon'ireo mpitoraka blaogy Ozbekistana izy io.
Noho izany no  nanoratan'i UNKNOWN hoe:
[…] nisy fangatahana maika ny handravàna ny foibem-pifandraisana an-tarobia izay faran'ny tranainy indrindra ao  Tashkent, niorina tamin'ny 1932. Zavatra nanaitra ny ankabeazan'ireo mpiasa tao sy ny maro mpampiasa ny tolotra  tokoa. Amin'io fotoana io no sady andravàn-dry zareo ny foiben-toeran'ny fiara fitateram-bahoaka manakaiky ny Tobim-pifandraisana an-taribia.  Lapa vaovao iray  ho an'ny Forum no kasaina haorina eo.
Kanefa, ilay Lapa dia miteraka fanontaniana maro eny anivon'ny daholobe, indrindra indrindra fa ny tena anton'izao fandaniana be izao, ny fampiasàna herin-tsandry vahiny manolona any tsy fananana asa manenika ny firenena sy ny resaka hafa ihany koa, tafiditra amin'izany ny fandraràna tsy ahazoana maka sary ilay tranobe.
Amin'izao fotoana, ny tra-pahavoazana noho ny Lapa dia ny hazo antitra maanoloana azy indray.
Ny sasany mihevitra fa ny tsangambaton'i  Amir Temur, mipetraka ao afovoan'ny zaridainam-pokonolona, no tena anton'ny fanapahana ireo hazo :
nashingyou manao fanamarihana somary masirasira ihany (rus):
[…] Tashkent dia tsy maintsy tanora sy mavitrika  lalandava! Inona no hilàny izay hazo antitra sy bevata any? Inona no ilàny izay vakoka rakitry ny ela any? Fahiny izany! Ohatra izao, tsy ela izay no nandravàna ny zaridainam-pokonolona, dia afaka mahita ny soavalin'i Amir Temur avy eny lavitra eny ny mpizahatany.
Tamin'ny 21 Novambra dia nanao hetsika iray ho fanoherana ity asa fmotehana ity ireo tanora mafana.
Nametraka voninkazo sy labozia maro teo amin'ny fefin'ny zaridainam-pokonolona ry zareo, manakaiky  ny Lapa ho an'ny Forum. Tokony ho tao an-jazidaina no nanaovana ny hetsika, saingy efa nobahanan'ny mpitandro filaminana ny fidirana, raha nanohy niasa tao kosa ireo fiara vaventy [bulldozers]. Fotoana fohy taorian'ny nanombohan'ny hetsika, tonga namono ireo labozia sy nanipitsipy ireo voninkazo ny mpitandro filaminana.
Ny mpitoraka blaogy roost dia nitatitra fa (rus):
Natao ny Sabotsy teo n y hetsi-paniherana nanakaiky ny  Amir Temur Square. Amin'ny lafiny iray, tsara ilay izy, satria nahazoana olona nisinisy ihany. […] Amin'ny lafiny iray kosa, tsy dia nahomby loatra, satria ny ankabeazan'ireo labozia dia tsy iray minitra na mahery kely monja no nijoto teo. Raha ny fahafantarako hatreto, tsy nisy aloha ny voasambotra.
Malezia-Singapore: averina dinihana ny fifanarahana momba ny rano
Noho ny habeny sy ny toerana misy azy,i  Singapore dia màka efa ho ny antsasaky ny filàny rano any amin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy, Malaysia. Miisa roa goavana ny fifanarahany momba ny rano amin'i Malezia.
Ny fifanarahan'ny 1961 provides ny fivarotana galonan-drano tsy voadio 350 tapitrisa isan'andro amin'ny vidiny 3 cents Maleziana ny 1,000 galona. Nanaiky koa i  Singapore fa hamatsy an'i  Johor (fanjakana Maleziana iray ao akaikin'i Singapore) isan'andro amina rano voadio amin'ny sanda  50 cents ny 1,000 galona. Hifarana amin'ny 2011 ity fifanarahana ity.
Ny fifanarahana tamin'ny 1962 dia nanome alàlana an'i Singapore hisintona rano tsy voadio avy amin'ny reniranon'i Johor. Ho setrin'izay, mahazo famatsiana rano voadio isan'andro avy any Singapore i  Johor. Fifanarahana manan-kery mandritry ny 99 taona.
Hifarana ilay fifanarahana voalohany amin'ny 2011, Dr. Mahathir Mohamad,  Praiminisitra teo aloha  dia manontany ao amin'ny blaoginy be mpanaraka tokoa raha toa ny governemanta amin'izao fotoana mba mihevitra ny hamerina indray ny dinika momba ‘ilay fifanarahana mba hahatongavana amin'ny tolotra tsaratsara kokoa:
Tsy lavitra mihitsy ny 2011. Efa nihevitra ny hanalava na tsia  ny fifanarahan'ny 2011 ve isika na hamerina hidinika fifanarahana vaovao iray momba ny rano? Hanao mahantra be fiantrana eto indray ve isika ka hivarotra rano tsy voadio amin'ny  3 cents ny 1000 galona ho an'ny mpanankarena mifanolo-bodirindrina amintsika?
Ny be fiantrana sy tsy be fanontaniana manindritsindrona dia làlana iray tsara ahazoana sakaiza. Nefa kosa mitondra inona amin'ny vahoakan'i Malezia.
Kent Moo, mpitoraka blaogy, dia manamarika ny mpitondra teo aloha dia nanainga “onjan'eso momba ny resaka fivarotana rano amin'i  Singapore, ary izany fomba fanao izany dia mandrendrika ny mpandimby azy, Abdullah Ahmad Badawi.”
Ny hafatra nampidirin'i Mahathir ao amin'ny blaoginy, toy ny mahazatra, dia niteraka fanamarihana maro. i Abang Din dia mankasitraka ny famerenana indray ny dinika momba ny tolotra rano:
Tsy dia mifanaraka loatra amin'ny tokony ho izy ny hanohizana mamatsy rano tsy voadio an'i Singapore raha tsy mifanaraka velively amin'izany ny tombontsoa azo avy aminy. Asa fandraharahana no ataontsika eto, dia aleo ho asa fandraharahana tokoa. Mazava loatra fa tsy maintsy mijery ny fifandraisantsika amin'i Singapore isika, nefa tsy ao anaty safidy kosa ny hanohy fifanarahana sadasada tsy misy dikany.
Antenaiko fa hijery akaiky an'io olana io ny governemantan'i Malezia mba tsy hanome laza ratsy ny vahoakan'i Malezia. An'ny Maleziana rehetra ny rano tsy voadio, noho izany kendreho ho ara-drariny sy araka ny tokony ho izy ny fanapahan-kevitra.
Ifanonline koa dia mihevitra fa ny vidin-drano hotapahana mandritry ny fifanarahana dia tokony hahitàna taratra ny sanda mihatra eny an-tsena amin'izao fotoana
Fahatsapana faran'izay tsotra iraisan'ny rehetra io. Na iza na iza doa tokony hahafantatra daholo fa raha misy fifanarahana vaovao hivarotana rano amin'i Singapore, dia tokony hisy vidiny vaovao mifanaraka amin'ny hita eo amin'ny tsena amin'izao fotoana. Malezia sy Singapore dia afaka miresaka ara-pomba diplaomatika momba io resaka rano io hahatongavana amina fifanarahana momba izay ho vidin-drano vaovao. Tsotra be izany izao, rehefa tsy lanin'ny vavonin'i Singapore ny vidiny, i Malezia kosa tsy tokony ho be filirony ka hivarotra ny rano amin'ny vidiny varoboba.
Weesg dia mino hoe vahaolana tsy mitanila io raha toa ka tsy havaozina ilay fifanarahana voalohany mba hahaizan'i Singapore mianatra mizaka tena.
Manontany aho hoe nahoana no mipongatra izany ankehitriny. i Singapore efa nanao tsilian-tsofina fa hanadaboka ilay fifanarahana voalohany momba ny rano amin'ny 2011. Rehefa mahatsapa i Malezia fa tsy izy mihitsy ny vidin-drano, ary i Singapore kosa faly hanadaboka ny fifanarahana, tsy tombontsoan'ny andaniny sy ny ankilany ve izany? Raha tsy manana ranoVOADIO sahaza i  Singapore aorian'ny 2011, an'i Singapore manokana izany, sa tsy izany? Toy ny olona iray mikikitra mively soavaly maty.
Izany eo ihany, faly aho hoe nandà ny tsy hanalava ilay fifanarahan'ny 2011 i Malezia. Tsara ho an'ny firenena roa tonta izany. Afaka mianatra mizaka tena koa i Singapore.
Tsara ny hampahalalàna ny olona fa rehefa fifanarahana dia fifanarahana (dia fifanarahana). Mianara manaiky an'izay. Fidio am-pahendrena ny mpitondra anareo.
Ny Ministeran'ny Fampahalalam-baovao, Fifandraisana sy ny Zavakanto any Singaporedia namoaka  bokikely iray tamin'ny 2003 mba ho fanampim-panazavana momba ny resaka manodidina ny fifanarahana rano   Malezia-Singapore. Ao anatin'io bokikely io, Singapore dia manindry mafy fa mifandanja tsara ny fifanarahana tamin'ni Malezia raha ny tolotra rano no atao resaka.
Ny olana momba ny rano tsy resa-bola fotsiny fa ny fisian'i Singapore ho firenena manana fiandrianana mihitsy. Ireo Fifanarahana momba ny Rano dia tafiditra ao anatin'ny Fifanarahana Fisintahana izay miantoka ny maha firenena manana ny fiandrianany an'i Singapore. Raha azon'i Malezia ovàna araka izay itiavany azy ny votoatin'ny Fifanarahana momba ny Rano, dia mampametra-panontaniana koa ny momba ny fizakantenan'i  Singapore. Izay no tena fototry ny fifandirana.
Ny olana dia tsy ny hoe ohatrinona no alohantsika, fa ny hoe ahoana no fomba nanapahana ny fanitsiana ny sanda. Ny Fifanarahana momba ny Rano dia ahitàna andalana manokana mikasika ny hoe rehefa fotoana manao ahoana no azo anitsiana ny sandany ary ahoana no hikajiana ny fanitsiana. Ny fanitsiana ny sanda dia tsy araka izay maha-diavolana ny fon'ny andaniny na ny ankilany manokana. Raha toa MAlezia faka manova samirery ny votoatin'ny fifanarahana nekeny an-tsitrapo, aiza ny hasin'ireo fifanekena? Izay fifanarahana amin'ny ho avy rehetra hataontsika miaraka amin'i Malezia dia tsy hisy hanana ny lanjany.
Rajan Rishyakaran dia manakiana an'i Mahathir avy any Malezia ho nampikatso ny fifampidinihana teo amin'i Singapore sy Malaysia
Nahoana i  Singapore no tokony hanaiky handoa vola bebe kokoa amin'ny rano raha tsy mahazo na inona na inona ho tambiny ry zareo?
Ekena tanteraka, na tamin'ny vidin'ny rano tsy voadio tamin'ny andron'i  Mahathir aza, mbola mora kokoa ny vidin'ny rano tsy voadion-dry zareo Maleziana raha mitaha amin'ny fizakan-tena: saingy ny hilefitra amin'ny fangatahan'i Mahathir dia fiandohana ohatra ratsy any  Singapore. Noho ny tsy fahaizan'i Mahathir mitady marimaritra iraisana, ny fanaovan-javatra tsy amim-piheverana sy ny tsy fananany faharetana miaraka amin'i  Singapore, samy maty antoka izao i  Singapore sy Malezia.
Ny fiankinan-dohan'i Singapore amin'ny rano hafarana dia nanery azy hanamafy ny teknolojia vaovao mba hamokarana ny filàny manokana ara-drano. Nanangana ny  NEWater (avy amin'ny ranony efa niasa) izy ary tsy ela akory izay dia nanangana ny  ozinina lehibe indrindra any Azia ho fanasarahana ny rano sy ny sira avy amin'ny ranomasina.
Maraoka: Indro tonga ny Masoandro
Nambaran'i Maraoka tamin'ity herinandro ity ny fanombohan'ny tetikasa angovo azo avy amin'ny masoandro, mitentina hatramin'ny 9 lavitrisa $, hampiakarana ny tahan'ny angovo azo havaozina amin'ny famokarana angovo eo amin'ny firenena. Ireo mpitoraka blaogy mankasitraka azy io no tena maro mizàra ny eritreriny.
Mahita ny mazava aho,  avy  amin'i si David ao amin'ny Flickr
Ny vinavina, nambara ampahibemaso tany amin'ny tanànan'i Ouarzazate, andrefan'i Maraoka, nandritry ny lanonana natrehan'ny mpanjaka  Mohammed VI sy ny Sekreteram-panjakana Amerikana Hillary Clinton dia, araka ny nolazain'ireo masoivohom-baovao ao an-toerana, hahafahan'ny firenena mizara amin'ny fomba mitovy ny famokarana ireo angovo azo havaozina ao Maraoka azo avy amin'ny masoandro, ny rivotra ary ny tohodrano amin'ny taona 2020. Amin'izay fotoana izay, ireo angovo azo havaozina dia hanome ny  38% -n'ny famokarana angovo eo amin'ny firenena, raha ny voalazan'ny loharanom-baovao.
Taha Balafrej, mitoraka blaogy ao amin'ny  Vue du Maroc [Fr], dia manazava fa mety hisy fototra sy ainga vao ara-toekarena ho an'ny fironana politika vaovaon'ny firenena. Manoratra izy:
Dans le milieu des affaires, un intérêt grandissant est perceptible. Il faut reconnaître que l’effet Obama n’est pas étranger à cette prise de conscience animée par les opportunités économiques qu’elle engendre. Un pays comme le Maroc qui dépend presque entièrement des importations pour son énergie, et dont les ressources en eau se raréfient, a tout intérêt à rejoindre les pays qui y croient et y investissent.
Misy fahalinana misonga eny anivon'ny mpandraharaha. Ary tsapan'ny rehetra fa manana anjara ao anatin'io ny “tandindon'i Obama”, miaraka amin'ny vintana ara-toekarena napoitrany. Ho an'ny firenena toa an'i Maraoka, izay miankina betsaka amin'ny fanafàrana raha ny resaka angovo, ary ireo loharanony efa miharìtra, dia tombontsoa tanteraka ny fanarahan-dia ireo firenena  izay mino sy mampiasa vola amin'ny angovo madio.
Ny tetikasa masoandro, izay sady mahazo famatsiam-bola avy amin'ny tsy miankina sy ny fanjakana, dia hahazo tombony avy amin'ny haitao Amerikana momba ny masoandro sy ny ‘termika', izay toa misovoka ny tsenan'ireo mpandraharaha nentim-paharazana -  ny Frantsay no lohalaharana - zavatra izay tena nankasitrahan'i thestrategist, mitoraka blaogy ao amin'ny  Genesis Morocco tokoa :
Tena ivelan'ny vala ny Eraopeana tamin'ity indray mitoraka ity. Tsara kendry [ ho an'ireo mpandraharaha Amerikana]. Momba tanteraka azy ity aho, ry zareo Eraopena tsy mbola afaka hilahatra mihitsy amin'ny fahaiza-mifehin-dry zareo Amerikana raha resaka  fitantanana asa goavana…
thestrategist, namoaka taratasy misokatra ho an'ny mpanjaka Maraokana, avy eo manazava [Fr] ny antom-panohanany. Hoy izy manoratra:
[Cette technologie pourrait] nous libérer des aléas de la pluviométrie en utilisant l'énergie abondante et renouvelable […], afin de dessaler l'eau de mer et approvisionner outre les besoins de l'industrie et des ménages, un système d'irrigation nationale en appoint, voire en remplacement, de la stratégie des barrages…
[Ity haitao ity dia mety] hanafaka antsika amin'ny fiankinan-doha amin'ny fiavin'ny orana, amin'ny alàlan'ny fampiasàna angovo azo havaozina tsy manam-petra […], mba hanalàna ny sira amin'ny ranomasina sy hamatsiana, ankoatry ny filàn'ny indostria sy ny isan-tokantrano, ny tambajotram-pirenena tsara petraka ho solon'ny tetikasa fananganana tohodrano…
Raha ny ankamaroan'ny mpitoraka blaogy no manohana ilay vinavina, tsy ny rehetra kosa no resy làhatra. Jebli, mitondra fanamarihana [Fr] ao amina hafatra iray nivoaka tamina gazety mpiseho amin'ny aterineto, Hesspress [Ar], dia mahita fa toa lafo loatra ilay tian-katongàvana. Manoratra izy:
[C]e projet solaire va produire 2000Mega Watt/h, pour un cout de 9 milliards de dollars, ce qui est TROP TROP TROP cher.
Une centrale nucléaire, sa construction de bout en bout coute 1,5 milliard de dollars et produit 1000Mega watt/heure.
Ainsi, avec 9 milliards de dollars le Maroc aurait pu créer 6 centrales nucléaires, et aurait produit 6000Mega watt/heure.
Franchement, je ne comprend pas le choix de nos dirigeants, ils choisissent des téchnologies au hasard, sans réflichir, vraiment ils gaspillent l'argent public.
Ity tetikasa masoandro ity dia hamokatra  2000 Mega Watt / ora, amin'ny vidiny  9 lavitrisa $, izay TENA lafobe tokoa. Ny fanangànana foibe nokleary iray dia andaniana eo amin'ny  1.5 lavitrisa  dolara eo ary mamokatra 1000 Megawatt / ora. Raha 9 lavitrisa  dolara, afaka manana foibe nokleary 6 sy hamokatra  6000 Megawatt / ora i Maraoka. Mba marina e, tsy takatry ny lohako ny safidin'ireo mpitondra antsika. Mifidifidy haitao fahatàny ry zareo, tsy mandanjalanja tsara.  Tena mandanilany foana ny volam-bahoaka mihitsy ry zareo .
Mitondra fanamarihana amin'io lahatsoratra io ihany, i Hay Bin Yaqdanin [Ar], ao anatin'ilay tetikasa dia mahita fitsabahan'ny tànan'ny hery vahiny amin'ireo loharanon-karem-pirenena . Hoy izy manoratra:
نرجو أن لا يخصخص هذا المشروع و نصبح في رحمة شركة ما (في الغالب فرنسية).
لمذا انتظر الملك حتى زيارة كلنتون للإفتتاح صحبتها؟ نظرتي نحو هذا المشروع هو تكريس هيمنة الدول المتقدمة “أمريكا” مثلا
Iriko mba tsy ho tena tsy miankina tanteraka ity tetikasa ity, mba tsy hitrosonantsika any amin'ny ampihimamban'ireo fikambanana vaventy “corporations” ( frantsay ny ankamaroany). Fa nahoana no niandry ny fitsidihan'i Clinton ny mpanjaka? Raha ny fomba fijeriko  an'ity tetikasa ity dia fitaovana izy io hanamafisana ny vahohon'ireo firenena efa mivoatra be, toa an'i Amerika
Arabia Saodita: Doka ho an'i Grande Bretagne avy amina mpitoraka blaogy iray
Maram Meccawy dia Saodiana mpanoratra  sady mpitoraka blaogy, monina sy miasa any Grande Bretagne. Tsy ela akory izay dia nanoratra lahatsoratra iray izy, nantsoina hoe  “Nahoana aho no vonona hiaro an'i Grande Bretagne? [Why am i ready to defend Britain?]“
Maram dia manomboka ny filazàny amin'ny hoe:
كنتُ دائماً أعلن أنني أحب بريطانيا..فهنا أحلى ذكريات طفولتي، وهنا الوطن الثاني الذي عشت فيه (ولا أزال) ردحاً من عمري. ولم تكن لدّي مشكلة كبيرة مع كون بريطانيا دولة عدوانية بامتياز (تاريخياً وفي الحاضر أيضاً ) باعتبار مشاركتها في الحربين على أفغانستان والعراق، لأنني كنت هنا منذ البداية وأعرف بأن هناك فرق شاسع بين ما يقوم الساسة بتنفيذه وبين ما يريده الشعب حتى في دولة ديمقراطية مثل المملكة المتحدة. فأنا أدرك بأن أقوى المنظمات الشعبية المعارضة للحرب موجودة هنا، وأفضل الأفلام الوثائقية التي فضحت جرائمها أنتجت في هذا البلد. وأراقب يومياً الجدل الدائر في الصحافة والإعلام وأروقة السياسة حول رغبة الشعب في رؤية قواته تنسحب من هذين البلدين وأن يفتح باب المحاسبة والمحاكمة لكل من تسببوا بهذه الجرائم.
Nilaza mandrakariva aho fa tia an'i Grande Bretagne… Tany ireo fahatsiarovana tsara indrindran' ny fotoam-pahazazako, tanindrazako faharoa, izay niainako betsaka ny androm-piainako nandritry ny fotoana maharitra (ary hatramin'izao). Tsy dia nanana olana goavana loatra aho momba izay maha-firenena mahery setra an'i Grande Bretagne  (na ara-tantara ary mandrak'izao aza) indrindra fa raha ny hoe nandraisany anjara tamin'ireo ady roa tany Afganistana sy Iraka, satria teto foana aho hatramin'ny nanombohany ary fantatro fa misy fahasamihafàna goavana eo amin'ny tian'ireo mpanao politika hapetraka sy izay tadiavin'ny vahoaka,  na dia anatina firenena demaokratika toa an'i Grande Bretagne aza. Noho izany no nahatsapako fa eto daholo ireo foibena fikambanana goavana manohitra ny ady, ary ireo horonantsary tsara indrindra maneho ny heloky ny firenena dia eto no vokarina. Ary hitako saika isan'andro amin'ireo resaka an-gazety sy media isan-karazany, hatrany an-dalantsàran'ny mpitondra àny ny hetahetan'ny vahoaka hanesorana ny tafik'izy ireo amin'ireo firenena roa ireo, sy ny hanokàfana fanadihadiana lalina ka hitondràna eo anatrehan'ny lalàna ireo rehetra tomponandraikitra tamin'ireny vono olona ireny.
ومع مقتي الذي لا أخجل من التصريح به علناً ورفضي للسياسات الخارجية لحكومات لندن المتعاقبة، إلا أنني كنت دائماً أكن احتراماً كبيراً لسياساتها الداخلية والتي تقوم على احترام حقوق الإنسان وعلى إنشاء مجتمع متعدد الثقافات.
Na eo aza ny fankahalàko, izay tsy asiako henatra fa abaribariko ho hitan'ny maro, ary ny tsy fankasitrahako ireo politika ivelan'ny governemantan'i Londres nifanesy, dia manàja mandrakariva ny politika anatin-dry zareo kosa aho, izay mifototra amin'ny fanajàna ny zon'olombelona sy ny fametrahana fiarahamonina isian'ny fifangaroana kolontsaina marolafy.
فأنت في بريطانيا ليس مطلوباً منك أن “تنصهر” أو ” تتبرطن” حتى يعتبرك الناس واحداً منها. تستطيع أن تكون مسلماً وبريطانياً، يهودياً وبريطانياً، وأسودأً وبريطانياً، وتستطيع أن تصل بالأمس أو تولد هنا ومع ذلك تقول بفخر بأنك بريطاني ولن ينكر عليك أحد ذلك. صديقاتي الفرنسيات والإسبانيات وغيرهن من الأوربيات المتحدرات من غير البلد ذاته الذي يحملون جنسيته (حتى لو كان بلداً أوربياً مجاوراً) يعلنون بصراحة بأن الوضع ليس كذلك في بلدانهن. فالجزائري يظل غريباً في فرنسا ولو كان جده هو من هاجر إلى باريس قبل مائة عام يوم أن كانت الجزائر بالأصل جزء من فرنسا.
Rehefa tonga aty Grande Bretagne ianao, tsy ilainao akory ny hoe  “hahafehy” na  “hiova ho Anglisy” vao handray anao ho isan'izy ireo ny olona. Azonao atao ny sady ho Silamo no Anglisy,  sady Jiosy no Anglisy, sady mainty  no Anglisy; mety ho vao omaly ianao no tonga teto na teto mihitsy no teraka, ary dia afaka sahady hitoetra amim-pireharehana fa Anglisy ianao  – tsy misy olona afaka handràra anao amin'izany. Ireo vehivavy namako teratany Frantsay,  Espaniôla, sy Erôpeana hafa koa izay manana fiaviana ivelan'ireo firenena ireo sy izakàn'izy ireo ny zom-pireneny (na dia ireo manam-piaviana avy amin'ireo firenena Erôpeana mpifanolo-bodirindrina aza) dia tsy mihambahamba miteny fa tsy mba toy izao ny tranga iainana any amin'ny firenen-dry zareo. Ny Algeriana iray dia mijanona ho vahiny foana any Frantsa, na dia mpifindra monina tany Parisy efa anjaton-taonany tany aloha tany  aza ny raibeny  fony Alzeria mbola teo ambany fiahian'i Frantsa.
حدثان في الأسبوع الماضي لفتا انتباهي بخصوص خصوصية بريطانيا.
Tamin'ny herinandro lasa dia tranga roa no nisarika manokana ny saiko momba ny lafy tsara mampiavaka sy ananan'i Grande Bretagne.
Maram dia tonga hatrany amin'ny famaritana ny hetsika iray tao amin'ny Anjerimanontolon'i Oxford ho fandraisana mpiasa, nataon'ny Kaompanian-tsolika izay iasàny. Nandritra ilay hetsika dia maro ireo naneho tsy hafaliana nandrangaranga izay lazain-dry zareo fa nataon'ilay kaompania tany amina firenena maro maneran-tany, mitoroka azy ho nanao heloka bevava. Nanomboka nanàla ireo mpanao fanoherana ny mpitandro filaminana, saingy ny tomponandraikitry ny kaompania kosa nanaiky hamela azy ireo hilaza izay tiany hambara nandritry ny dimy minitra, tamin'ny nilazàny fa hajainy ny zon'izy ireo hànana fahalalàhana maneho hevitra. Kanefa, taorian'ny nahataperan'ny dimy minitra dia tsy navelan'ireo mpanao fihetsehana hanohy ilay tomponandraikitra, sady nanohy ny horakoraka ry zareo. Na teo aza anefa ny fanakorontanana, tohina ilay tomponandraikitry ny kaompania rehefa nahita iray tamin'ireo mpanao hetsika nentina an-keriny; nolazainy fa i Grande Bretagne dia firenen'ny fahalalàhana ary tsy misy olona tokony hofaizina satria hoe tsy mankasitraka ny fomba fiasan'ny kaompania.
Ny hetsika faharoa nisarika ny sain'i  Maram dia ampahany manokana tamin'ny fandaharana Fotoan'ny Fanontaniana [Question Time] fandefan'ny BBC isan-kerinandro, ka tanatin'izany no namalian'ireo mpanao politika sy olona maro hafa ny fanontanian'ny mpihaino momba ny olana sedraina ankehitriny. Tsy lanin'ny sain'ny maro, ny Question Time dia nahafahan'ny filohan'ny antoko ankavanana anglisy British National Party sady mpikambana ao amin'ny  EParlemanta Eropeana, Nick Griffin, nijoro ho isan'ireo mpandray anjara tamin'ilay fandaharana. Tany aloha tany i Nick Griffin dia efa voaheloka noho ny fizaràna fitaovana nihantsy  fifankahalàna ara-poko.
Taorian'ny fikarakarana ny seho an-tsehatra, Maram dia mamaritra ny zava-nitranga nandritra ilay fandaharana:
عودة إلى غرفن فقد أعطي الفرصة ليحدثنا عن خزعبلاته ويشتم الجميع دون أن يؤذيه أحد! وإنما استطاع زملائه في البرنامج من الأحزاب الأخرى وعلى رأسهم الوزير جاك سترو وكذلك الجمهور الحاضر (من بيض وسود وآسيوين ومسلمين ويهود ومسيحيين وغيرهم) بأن يردوا على أفكاره المتخلفة بمنتهى الهدوء والتحضر ويعروه أمام الجمهور البريطاني، فبدا (خريج جامعة كامبريدج) وكأنه طفل يحاول إغاظة الكبار بقول كل الكلمات التي طلبوا منه سابقاً أن لا يقولها..ثم بدا كفأر في مصيدة لا يقوى على الخروج منها…وكان أجمل تعليق ذلك الذي قاله أحد الحضور من المسلمين إذ عرض عليه أن يشتري له تذكرة للقطب الشمالي ليستمتع بالحياة في بيئة بيضاء لا تعكرها الألوان المزعجة!
Ndao hiverenana any amin'i  Griffin, nomena fotoana izy nilazàny tamintsika ny hagaigeny àry tsy nisy mihitsy olona nanelingelina azy tamin'izany! Soa fa ireo mpandray anjara avy amin'ny antoko hafa tamin'ilay fandaharana, notarihan'ny minisitra Jack Straw, ary ireo mpanatrika teo (fotsy, mainty, aziatika, silamo, jiosy, kristiana sy hafa koa) dia samy afaka namaly ny hevitra maiziny tamim-pahatoniana sy tamin'ny fomban'olo-mandroso avokoa, ary nampihanjahanja azy nanoloana ny vahoaka Anglisy. Ity olona navoakan'ny Anjerimanontolon'i  Cambridge ity dia toa nanao fanahin-jaza niezaka nandranitra ireo zokiny tamin'ny famerenana ireo teny rehetra efa noraràna tsy holazainy tany aloha tany… Avy eo dia toy ny voalavo tratry ny fandrika izy, tsy nahita ny làlan-kivoahana…Ny fanamarihana tsara indrindra dia avy amin'ny iray tamin'ireo Silamo nanatrika; nanao tolotra  hividy tapakila ho azy mba hahafahany mandeha any amin'ny Tendron-tany Avaratra ilehio, mba hahafahany manaram-po amin'ny tontolo fotsy, tsy pentipentenin'ny loko hafa!
انتهت الحلقة منذ أربعة أيام … ولم يخسر أحد وظيفته، ولم تقم انتفاضات ولا نزلت قوات الشغب إلى الشوارع! وواصلنا جميعاً حياتنا بسلام.
بعد أن شاهدت الحلقة ليلتها أطفأت جهاز التلفاز، وذهبت لأنام وأنا أشعر بفخر خفي لأنني متواجدة في هذا البلد العظيم  وبالتالي جزء منه، وأغمضت عيني وأنا أقول لنفسي بأن البلد الذي يمنح هذا القدر من الحرية للناس ليعيشوا ويتحدثوا دون خوف – مالم يخالفوا القوانين المعلنة المعروفة – لهو أجدر بقعة جغرافية بأن يتداعي الناس للدفاع عنها ولم لم ينتموا إليها عرقاً أو ولادة أو سكناً أو رحماً..فوطن الحرية هو واحة يستظل تحتها الجميع..في حين أن أوطان القمع هي سجون لأهلها..وشتان ما بين الواحة وزنزانة السجن الباردة..
Efatra andro lasa izay ilay ampaham-pandaharana… tsy nisy ny very asa, tsy nisy korontana nitranga, ary ny mpitandro filaminana mpandrava korontana dia tsy nirotsaka an-dalambe! Nanohy ny fiainanay tam-pilaminana izahay rehetra.
Taorian'ny nijerena ilay seho iny alina iny, nopihako ny fahitalavitra dia lasa aho natory niaraka tamina hadedahana tsy ambara havana fa hoe miaina eto amin'ity firenen-dehibe ity aho ary vokatr'izay dia vatana iray aminy. Nakipiko ny masoko no sady niteny irery aho hoe ny firenena afaka manome ny vahoakany ny fahalalàhana miaina sy miteny tsy amin-tahotra - raha mbola tsy mankitsakitsaka ny lalàna velona ry zareo - no tena toerana ara-jeografika ilain'ny olona hivondronana sy hahitàna fifanohanana, na dia tsy singa iray amin'izany noho ny fiaviana ara-poko, na noho ny fahaterahana, na noho ny fonenana teo aza izy … Toeram-pialàna sasatra an-tany efitra ho an'ny tsirairay ka ahafàhany misitraka  alokaloka  ny firenena iray itoeran'ny fahalalàhana, raha fonja ho an'ny vahoakany kosa ireo firenena anjakàn'ny famoretana… ary toy inona ny fahasamihafàn'ny toeram-pialantsasatra sy ny efitra famonjàna mamirifiry iray…
Syria: Ny lahatsoratra tsara indrindra sa ny faran'izay ratsy e?
Iray amin'ireo takela-by any  Syria maneho ny Filoha Bashar al-Assad (sary an'i  jilliancyork)
Matetika ireo mpitoraka blaogy Siriana no manakiana lahatsoratry ny mpivahiny momba ny firenen-dry zareo - mazàna izy ireny no “stereotypical” loatra, indraindray moa dia diso tanteraka. Ary ho an'ny firenena izay tondroina ho  “nitoka-monina” ela, fara-faharatsiny avy any Etazonia, tena mankarary manokana ny saina ny mahita ny lahatsoratra toy izany ka asandratra ho toy ny zava-marina. Kanefa, nony nahatsikaritra lahatsoratra iray nivoaka tamin'ny National Geographic noheveriny fa “ny tsara indrindra amin'ny lahatsoratra miresaka an'i Syria tanatin'ireo folotaona farany,” i Sasa, Siriana mpitoraka blaogy be mpahalala , mpamahana ny blaogy Syria News Wire, dia  zavatra tsotra no azony nolazaina:
Ny tena Syria marina no  lazain'ity lahatsoratra ity. Mampibaribary ireo teboka maro  efa fantatry ny Siriana mikasika ny fireneny, saingy hodian'ireo mpanao gazety vahiny tsy hita (na dinganina), noho ny fahamaizan'izy ireny hanamafy fotsiny ny stereotypes-ny.
Tsy atao mahagaga, matetika ao anaty firenena voasamatsamaka, tsy ny olona rehetra no homba ny fandalinan'i Sasa ilay lahatsoratra.   Imad Moustapha, Masoivoho Siriana any Etazonia (sady mpitoraka blaogy rahateo) dia nandefa taratasy ho an'ny tonian-dahatsoratry ny  National Geographic izay nivoaka koa tao amin'ny  blaogy Syria Comment, miantso ny lahatsoratry ny  National Geographic ho  “fanehoana diso momba an'i Syria izay tany niaviako.” Tsy dia nanao fanamarihana loatra momba ilay lahatsoratra tao amin'ny Syria Comment i Joshua Landis, ny hafatra nalefany dia naharaisana  fanamarihana efa ho valopolo any ho any sy adihevitra mivaivay.
Ny mpametraka fanamarihana, Alex avy amin'ny Creative Syria dia nanakiana ilay lahatsoratry ny  National Geographic , amin'ny filazana hoe:
Tsy dia asiako olana loatra ny ankabeazan'izay voasoratra .. fa manana olana aho amin'ny fananako fahatsapana fa ny 90% amin'ilay lahatsoratra dia ny zavatra miiba no resahany … Tsy mieritreritra aho hoe Amerikana mpamaky iray no hanisy fisalasalàna hanafoana ny fialantsasatra efa nomaniny mialoha hatao any Syria. Iza no hahalatsa-kanina ao Bab Touma raha misy Siriana mahantra mitolona ho an'ny demaokrasia ampijaliana ao ambadiky ny varavaran'i Bab Touma ao?
Mpametraka fanamarihana hafa indray, Ghassan, nankafia ilay lahatsoratra:
tena mifototra amin'ny zava-misy ilay lahatsoratra, araka ny tokony ho izy, ary tsy iadian-kevitra. Manohana ny NG aho, ary ny fampitam-baovao sy fitenenana  malalaka izay tsy misy ao Syria.
Norman, dia nametraka fanamarihana ihany koa tamin'ny lahatsoratr'i  Landis, ka nanamarika fa:
Mahaliana ny hoe ahoana no tsy hiombon-kevitra amin'ity lahatsoratra ity  i Syria tia ny Siriana rehetra.
Mpitoraka blaogy maro  hafa ivelan'i Syria no nihetsi-po mafy tamin'ilay lahatsoratry ny  National Geographic. Evan Hill, manoratra ao amin'ny blaogy iraisana The Majlis, dia nahatsapa fa mametraka an'i Syria ho toy ny tavela aoriana (taraiky tsy maharaka toetr'andro) ilay lahatsoratra, ka manamarika fa:
Isika dia tavela miaraka amina Syria mihisatra, ara-toekarena sy ara-politika, amina toe-tsaina antitra be efa ho 40 taona be izao raha kely indrindra. Ny  Talen'ny orinasam-panjakana iray mpamboly hasy, manadino na manafina fotsiny izao ny fahalalàny ny loza rehetra manodidina ny tontolon'ny asa any an-toerana any, dia miondrikondrika be ihany sy toa sahirankirana rehefa nanontaniana raha toa nahazo ny tombontsoany hatramin'izay. Ireo eny amin'ny Anjerimanontolo sy ireo mafàna fo dia samy mbola raiki-tahotra amin'ny asan'ny sampam-pitsikilovana natsangan'ny rain'i Assad taona maro lasa izay mba hamotehana ny fanoherana rehefa tsy nandeha ny tetikady politikany.
Rehefa avy namaky  ny fanakianana rehetra, ny  Syria News Wire dia nanainga ireo mpamaky mba hamaky ny lahatsoratra fototra sy ny  fanakianan'i   Imad Moustapha alohan'ny handraisan'izy ireo fanapahan-kevitra.
Irana: Afaho i Hossein Derakhshan
1 Novambra 2009 no tsingerintaona voalohany amin'ny namonjàna ilay Iraniana mpitoraka blaogy, Hossein “Hoder” Derakhshan.
Cyrus Farivar, amerikana iray monina any sady mpitoraka blaogy no mpanao gazety dia  nitatitra fa tafaresaka tamin'i Hamed, rahalahin'i Derakhshan izy, izay nilaza taminy hoe :
Nihaona tamin'ny mpampanoa lalàna vaovaon'ny distrika ireo raiamandreniny, fotoana vitsy lasa izay, ka nomen'io alàlana nahazo niara-nisakafo hariva tao amin'ny fonjan'i Evin niaraka tamin-janany lahy, Hossein Derakhshan, ny Alakamisy29 Oktobra 2009 teo. Manamafy izany fa mbola voatazona ao amin'ny fonjan'i Evin i  Hossein, nefa tsy fantatr'ireo fianakaviana akory hoe rahoviana indray ny fotoana manaraka hahafahan'izy ireo mihaona aminy.
Ny mpitoraka blaogy Iraniana,  Jooya, dia  manoratra fa i Derakhshan dia mbola ao amin'ny sampana No. 325 foana any amin'ny fonjan'ny  Revolutionary Guards. Raha ny filazan'ireo mpiaro ny zon'olombelona, hoy i  Jooya manampy, dia natoka-monina tanteraka izy nandritra ny herintaona eo ho eo.
Vondrona iray ahitàna mpitoraka blaogy  Iraniana  no nanapa-kevitra hanampy hoe “Afaho i  Hossein Derakhshan” amin'ny anarana entin'ny blaogin-dry zareo mandritra ny herinandro iray. Milaza (fa) i Fanous Azad fa:
Izaho koa nanampy ny hoe “Afaho i Hossein Derakhshan” amin'ny anaran'ny blaogiko.
Manampy izy fa:
. . . fony  Hossein nanomboka niampanga ny hafa dia nitsahatra tsy namaky ny blaoginy aho, saingy ankehitriny dia miaro ny zony aho, tsy asiako fieritreretana hoe iza moa izy izay. . . . Hossein, toy ireo olombelona rehetra ihany, dia tokony hànana ny zony amin'ny fahalalàhana misaina sy miteny.
Parsanevesht dia manentana ny mpitoraka blaogy rehetra mba hiasa miaraka mba hahazoana akony goavana.
Arzantina: Lany ny lalàna vaovao hifehy ny Media
Nolanian'ny Loholona Arzantina ny lalàna vaovao hifehy ny media mampiasa haino aman-jery, izay ahitàna fepetra vaovao maromaro momba ny Onjam-peo, ny cable, ny fampielezam-peo sy fahitalavitra avy amin'ny zanabolana. Fanampin'izay, mametraka fatra farany ambany amin'ny fandefàsana hira sy horonantsary vokatry ny tany ihany koa izy io. Ny lalàna teo aloha izay nifehy ity tsena ity hatrany amin'ny fotoan'ny jadona tao Arzantina dia nofoanana.
Sarin'ireo mpanohana ilay lalàna vaovao hifehy ny media, avy amin'i  Beatrice Murch ary nampiasàna ny Creative Commons license.
Nandritra ny fifanakalozan-kevitra momba ilay lalàna, maro ireo fanakianana nivoaka tamin'ireo foibe fampielezam-peo sy fahitalavitra maro. Ny vondrona media malaza ao amin'ny firenena, Clarin, izay tsy maintsy hamotsotra ny sasany amin'ireo fantsona fahitalavitra, fampielezam-peo sy ampahany amin'ny mpanjifany nisoratra anarana hampiasa cable, dia nandrakotra tamin'ny lafiny miiba [nanakiana] ilay lalàna ary nanao toy izany koa ny media sasany. Kanefa, na dia teo aza ny adihevitra teny anivon'ny media, tsy nisy kosa ny fanoherana goavana natao teny an-dalambe, izay zavatra nitranga nandritry ny  adihevitra tamina'ny 2008  momba ny fampakàrana ny haba aloa amin'ny vokatry ny fambolena. Fehiny, fandresena azo mora ny an'ny governemanta nanoloana ny Loholona. Aorian'ny 10 Desambra, havaozina ny Kaongresy ary ho very seza ao amin'ireo Sampana roan'ny Kaongresy ireo ny Sampana mpanatanteraka amin'izao fotoana.
Ao amin'ny  blaogy Aristotelizar [es], mifantoka betsaka amin'ny fomba nandaniana ilay lalàna tao amin'ny Kaongresy ry zareo:
El tratamiento de la ley de medios arroja nuevas luces sobre el modo de gobernar del matrimonio presidencial que continúa erosionando la ya escasa credibilidad de las instituciones. Esta es una ley arcaica que se nutre del ideario del primer peronismo, a pesar de que el mundo ha cambiado y mucho, desde entonces.
Ny fomba nikirakiràna ilay lalàna hifehy ny media dia maneho ny fomba fitondràn'ny filoham-pirenena mivady ny tany sy fanjakana, izay vao mainka mikiky ny fitokisana efa manify an'ireo sampan-draharaham-panjakana. Lalàna efa nilaozan'ny vaninandro izy ity ary mamoky firehana Peronism, na dia efa hita izao aza fa niova ny tontolo hatramin'izay no mankaty.
Ao amin'ny blaogy Nanopoder [es] , dia efa maminany ny fiantraikany hanao tohivakana ry zalahy, ratsy daholo, amin'ny fampihàrana ilay lalàna. Feno fomba fijery miiba ihany koa momba ilay lalàna hifehy ny media ( na ny fomba nandaniana azy tao amin'ny Kaongresy, fara faharatsiny) ao amin'ny  Un Alumno Diferente [es], El Atrilero [es], sy  El Observatorio Político [es].
Avy amin'ny lafiny ahitàna ireo mahita ny fahalanian'ity lalàna vaovao ity ho zavatra miabo, dia  manambara i Al Centro y Adentro [es] :
La instalación del debate sobre una nueva ley de medios audiovisuales en el parlamento tuvo otro efecto en la población. Las franjas más progresistas de la población acompañaron, militándolo, el proyecto de ley que envió el Poder Ejecutivo al Legislativo. Esta vez la centroizquierda y casi todo el campo popular apoyaron la iniciativa del Gobierno (…). Las élites dominantes no pudieron imponer sus intereses particulares (…) en contra de la voluntad general.
Vokatra hafa mihitsy no nentin'ny fametrahana ny adihevitra mikasika ilay lalàna vaovao mifehy ny media mampiasa ny haino amanjery teo anivon'ny Parlemanta teny anivon'ny sarambabem-bahoaka. Ny ankabeazan'ireo olona any amin'ny lafy mpikatsaka fivoarana dia nanohana, mavitrika, ilay volavolan-dalàna nalefan'ny Mpanatanteraka tany amin'ny Sampana mpanao lalàna. Tamin'ity fotoana ity dia ny Afovoany Ankavia [left center] sy ny ankamaroan'ny sarangam-piarahamonina rehetra no indray nanohana ny fanapahan-kevitry ny governemanta (…). Ireo Sangany mitàna toerana betsaka dia tsy nisy afaka nametraka ny momba ny tombontsoan'izy ireo manokana (…) hisedra ny filàn'ny besinimaro.
Lahatsoratra maro hafa mankasitraka ity lalàna ity no azo jerena ao amin'ny  Francisco José Bessone's blog [es], Arte y Brujería [es], Sin Zonceras [es], sy Fin del Capitalismo ¿Salvaje? [es].
Nisy fifanakalozana fomba fijery lava be tokoa tao amin'ny Twitter, izay azo aràhana amin'ny alàlan'ny teny fototra  #leydemedios [es] sy #leymedios [es] (lalànan'ny media).
Sina: Fibahànana ireo rindrambaiko natao ho an'ny sarambabe ao amin'ny Twitter
Tanatin'ny andro maromaro izao, nitatitra ireo Sinoa mpampiasa twitter fa nobahanan'ny sivana Sinoa ny ankamaroan'ireo rindrambaiko natao ho an'ny sarambabe ao amin'ny  Twitter.
Hatrany amin'ny fiandohan'ity taona ity izay nandidiana ny hanakatonana ny Fanfou, vohikala Sinoa fitorahana bolongana, maro tamin'ireo mpitoraka blaogy no nikisaka nankany amin'ny  Twitter mba hanapariaka ny heviny. Mafàna fo maro amin'ny sehatry ny aterineto no nino fa sarotra ny hanàkana ny Twitter noho ny fisian'ireo  rindrambaiko maro natao ho an'ny sarambabe  hahafahan'ny mpampiasa azy mamaky na mandefa hafatra tsy ilàna akory miditra amin'ny tranonkala. Na izany aza, tsy ela akory nanomboka tamin'ity herinandro ity, Sinoa maro mpampiasa twitter no nitatitra fa ireo  rindrambaiko natao ho an'ny sarambabe be mpampiasa toy ny  twitpic, itweet, twitese, twittergadget dia voasàkana daholo ary voatery mikisaka mampiasa fitaovana hafa ry zareo.
Raha mitady ny  #fuckgfw ao amin'ny  twitter ianao, dia hahita ny fanampim-baovao rehetra momba ny tatitra amin'ilay fibahànana. Eto ambany ny fantina amin'ireo tatitra tao anatin'ny andro vitsy lasa:
Tamin'ny Alatsinainy, 12 Oktobra 2009
(trans) jason5ng32: bit.ly sy twitpic dia samy GFWed. [avy amin'ny mpandika: fanafohezan-teny manokana fampiasan-dry zareo angamba izy ity hilazana ny sivana]
(trans) saytesnake: j.mp koa maty
Ny Talata, 13 Oktobra 2009
Hafidxu Tsy afaka manokatra ny  http://bit.ly avy any Chine! #FuckGFW
(trans) binky2008: twitese.appspot.com dia GFWed.
(trans) guoxintao #fuckGFW Tamin'ity tolakandro ity (Talata): dabr.co.uk  sy  itweet  dia  samy  GFWed. Miha-avo dia avo hatrany ny rindrina.
Androany, Alarobia,14 Oktobra 2009
weelingsoh Tsy afaka miditra Twitter mandalo amin'ny Twitzap na TwitterGadget intsony. #fuckgfw dia miha-saro-bahàna isan-andro. NGHNGH !
(trans) bleutee RT @iGFW itweet、twitzap、tweetree、twitterfeed sy rindrambaiko maro hafa natao ho an'ny sarambabe ao amin'ny Twitter  no maty  #GFW #FuckGFW
(trans) kavenyan:  ‘zao vao nahita fa tsy afaka mampiasa  itweet.net  sy  twitter gadget avy ao amin'ny Gmail intsony. Mitrona ny GFW. #fuckgfw
(trans) amoiist: any Plurk, misy olona nitatitra hoe: “ Vaovao farany, ny sehatra fitorahana blaogy any Taiwan  http://buboo.tw dia tsy azo tsidihana intsony any PRC!!! [Repoblika Entim-bahoakan'i Sina]”. Noho izany dia voabahana ve i  Buboo? #fuckGFW
Ankoatry ny fanehoan-dry zareo ny fahasorenany noho ny  GFW, mpampiasa  twitter maro koa no mizara ny heviny momba izay handingànana ilay Rindrina.
amoiist RT @williamlong: ampanaraho ny toetr'andro ny twhirl: manokàfa kaonty, fidio ny laconi.ca, ampidiro: “ny kaonty twitter-nao”@twitter-proxy.appospot.com, ny tenimiafinao tany amin'ny twitter ihany no tenimiafina. Dia vita. #fuckGFW
Mpitoraka blaogy Sinoa maro sy mafàna fo amin'ny aterineto no indray nino fa aorian'ny faha-60 taonan'ny PRC, mba hanalefaka ny vahohony ampihariny amin'ny aterineto ny governemanta. Ankehitriny dia toa mahavery fanahy mbola velona ny zava-misy.
Kazakhstan: Tsy fahazakàna fampielezan-kevitra
Araka izay amaritan'i megakhuimyak azy, tamin'ny herinandro lasa iny tao  Kazakhstan,  “miha-henjana ny fikorosiana.” Mbola manalokaloka sy mibahana ao an-tsain'ny firenena iray manontolo ny vinantolahin'ny filoha teo aloha, Rakhat Aliev, fahavalo   émigré ho an'ny fitondrana # 1. Ny tahotry ny olona ny fiandrianana mahafehy ny zavatra rehetra sy ny mpiasam-mpanjakana mpitsikilo dia nivadika ho tahotra ny ho voarohirohy ho mifandray tendro amin'ny mpandositra fitsarana, izay vao mainka  niharatsy kokoa noho ireo fepetra vaovao ifehezana ny vontoatin-javatra amin'ny aterineto [ru]:
Ny [forum Kazakhstani malaza] Center of Gravity izao dia mampitandrina ireo mpampiasa mba tsy hitendry ny teny  hoe “Aliev,” izay ovàny avy hatrany ho  ellipses. Mitranga koa io raha toa ny  “aliev” ka singa iray ao anatin'ny fanampin'anarana hafa.
Taorian'ny fifanakalozana mafana vay momba ilay fepetra vaovao, dia naàton'ny mpandrindra ilay forum ny fibahànana ny anarana ary nofafany ny dinidinika momba izany. “ Mba nanome sombim-pahalalàhana kely ho antsika ry zareo nony farany,” hoy i megakhuimyak manamarika [ru].
mnatali33 mitanisa fanambaràna iray nosoratan'ny mpanohitra mikasika ny fitsarana ilay mafana fo  Kazakhstani mpiaro ny zon'olombelona, Yevgenii Zhovtis, izay voaheloka hifonja 4 taona an-tranomaizina. Milaza ilay fanambarana fa ny sazy dia nobaikoin'ny tsikera nataony momba ny fomba fampiharana ny lalàna, ny rafitra ara-pitsarana sy ara-politika. Manampy ilay mpitoraka blaogy, ketraka [ru]:
Na rahoviana na rahoviana no mbola hitelemantsika ampahanginana azy ity ho toy ny sakafo maraina, antoandro sy hariva, tsy hanana mandrakizay isika – renareo ve aho e? – MANDRAKIZAY tsy hanan-jo, na olona mpiaro ny zon'olombelona, na fanjakana tan-dalàna.
Ho toy ny fanamafisana, dass dia mitanisa antontan'isa ofisialy momba ny fanodikodinam-bola niseho hatramin'ny niandohan'ity taona ity – manodidina ny sivy lavitrisa tenge (eo ho eo amin'ny 60 tapitrisa dolara eo) – ary ampiany amin'ny kajikajy matematika avy aminy manokana[ru]:
Ity famoahana ity dia mandrakotra fotsiny ny enim-bolana voalohany tao anatin'ny taona, ary miaty fotsiny koa ireo halatra voasazin'ny didim-pitsarana amin'ny fomba ofisialy. Raha raisina hoe ny ankamaroan'ny halatra dia mbola tsy tratra, ary misy ampahany mbola eo andalam-panadihadiana, dia heveriko fa ny hadiry mitambatry ny fanodinkodinana dia manodidina ny  200 lavitrisa tenge ho an'ity taona diavina ity.
Mantrovkz kosa miverina amin'ilay resaka  Aliev, izay nilaza tsy ela akory izay ny fananganana hetsika fanoherana iray [ru]:
Ny fanoherana any  Kazakhstan dia fivondronanan'ireo mpiasam-mpanjakana taloha, tratra noho ny fanodikondinana. Amin'izao fotoana ilay adala lahy Rakhat Aliev dia manandrana manorina vondrom-panoherana mitambatra antsoina hoe  “Ho amin'i  Kazakhstan malalaka.” Raha izaho manokana, izaho dia momba ny  Kazakhstan tsy misy an'i Aliev, Abliazov, Kazhegelgin sy ny namany, ao anatiny koa ireo mpanodikondina sy mpangalatra amin'izao fotoana tsy mbola nitonon-tena ho mpanohitra ireo.
Hita koa ao amin'ny  neweurasia