avylavitra · Jolay, 2012

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Jolay, 2012

Maoritania: Diplaomaty Nandoro Tena

Minitra vitsy nialoha ny Iftar (fotoana fampitsaharan'ny Miozolmana ny fifadian-kanina fanao rehefa Ramadany ), Hassan Ould Abba [ar], Maoritaniana iray diplaomaty izay niasa amin'ny maha-mpanolotsaina azy tao amin'ny Masoivoho Maoritaniana ao Koety, dia nandoro tena [ar] tao amin'ny distrikan'i Ksar, any Avaratr'i Nouakchott, renivohitra Maoritaniana. Nihazakazaka hamonjy azy ihany ny fiaran'ny mpamonjy voina, saingy maty talohan'ny nahatongavany tany amin'ny toeram-pitsaboana izy.. Mamintina ny fanehoan-kevitra tety anaty aterineto i Ahmed Ould Jedou.

Azia Atsinanana: Firoboroboan'ny Varotra Vorona An-tsokosoko ‘Hatao Fiompy’

  30 Jolay 2012

Biby maro tandindonin-doza namidy mba hompiana anaty vàla mifefy no tany an'ala no nosamborina raha ny marina ary nalàna an-tsokosoko nivoaka ivelan'ny tontolo voajanahary niainany tamin'ny fomba feno habibiana, araka ny tatitry ny Jolay 2012 avy amin'ny Wildlife Trade Monitoring Network (TRAFFIC), tambajotra mpanara-maso ny varotra biby dia. Ho andrana hiadiana amin'ity olana ity dia mety hahafahana mamantatra mazava ireo vorona azo amidy ara-dalàna ao Taiwan ny fanomezana mari-pamantarana manokana ireo boloky nompiana nampidirina any an-toerana.

Shina: Nisambotra Mpampiasa Aterineto 5007 i Beijing

GV Mpisolovava  29 Jolay 2012

Ny 2012, hatreto ny rafitra fampiharana ny lalàna anaty aterineto an'ny filaminam-bahoaka ao Beijing dia nikirakira fanohintohinana miendrika heloka bevava maherin'ny 3.961 sy nisambotra olona noahiahiana niisa 2007. Ankoatra izay, nanaisotra votoaty niisa 366.000 tety anaty ateriento sy nanasazy orinasa mpanome tolotra aterineto niisa 7.549.

Repoblika Demaokratikan'i Congo : Voampanga Any Avaratr'i Kivu i Rwanda

  26 Jolay 2012

Hatramin'ny volana Aprly, ny M23, ivondronan'ireo mpiady tranainy tao amin'ny mpihoko tutsi Kongoley avy amin'ny Congrès national pour la défense du peuple CNDP dia manakorontana ny faritany Avaratr'i Kivu any Atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo. Ankoatry ny zavatra hafa dia takian'ireny miaramila ireny ny hanajàna ny fifanarahana tamin'ny 2009 izay, araka ny hevitr'izy ireo, dia tsy hajain'ny governemanta kongoley Mihevitra ny sasany fa tsy noho ny tsy fanajàna ireny fifanarahana ireny ihany no anton'ireny fitsoahana an-daharana ireny fa misy ihany koa finiavana hizarazara ny firenena. Mitohy miteraka fahafatesan'olona marobe sy fifindra-monina faoben'ny vahoka ny hetsika M23.