avylavitra · Jolay, 2011

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Jolay, 2011

Iran: Fanentanana ho Fanafahana Ireo Amerikana Mpihanika An-Tongotra Sisa Voatàna Am-ponja

Sarah Shourd dia nandany 410 andro natoka-monina tany Tehran, Iran, talohan'ny nanomezana alàlana azy ho afaka miverina any Etazonia tamin'ny Septambra 2010. Miantso izao tontolo izao izy mba hiresaka mikasika ireo namany roa, Shane Bauer sy Josh Fattal, izay mbola any am-ponja ao Iran noho ny fiampangana ho nanao "asam-pitsikilovana" hatramin'ny fotoana nahasamborana azy telo niaraka fony nihanika an-tongotra ny tendrombohitra nanakaiky ny sisintanin'i Iran tamin'ny Jolay 2009.

Korea Atsimo: Misedra Fanakianana Mahery Vaika ny Fiara Natokana Ho An'ny Vehivavy Any Anaty Metro

  23 Jolay 2011

Satria mitombo be ny herisetra ara-nofo any anaty metro, indrindra mandritra ny ora maha betsaka ny mpandeha sy rehefa alim-be, nanapa-kevira ny governemanta ao Seoul hametraka fiaran-dalamby natokana fotsiny ho an'ny andriambavilanitra mba hampiatoana ny fiakaran'io taha io. Na izany aza, niteraka fanehoan-kevitra nafampàna tokoa teo anivon'ny Koreana Tatsimo mpampiasa aterineto ilay fihetsika.

Koety: Miady Amin'Ireo Orinasa Mpanome Tolotra Aterinto Ny Bilaogera

Tato anatin'ny roa volana, ireo bilaogera Koetiana dia nanao fanentanana manohitra an'ireo mpanao tolotra aterineto izay manery amin'ny famerana ny 'bande passante" (Avy amin'ny mpandika : asa raha azo atao hoe "Fatran'onja" izy io), ny vola lafobe aloa efa hatramin'ny taona lasa, izay sanda nifanarahan-dry zareo fa hampitoviana, ary dia mamono araka izany ny fifaninanana eo amin'ny tsenan'ny aterineto.. Manaparika izany hetsi-panoherana izany i Mona Kareem.

Sao Tome sy Principe: Ho Famonjena Ny Kolotsaina Maro Sampana

  21 Jolay 2011

Ny fankalazan'i Sao Tome sy Principe ny faha-36 taonan'ny fahaleovantenany, ny 12 Jolay, dia nahitàna hetsika ara-kolotsaina sy ara-pomban-drazana natao nanerana ny firenena. Sampannan-dalàn'ny kolotsaina nandritra ny taonjato maro io firenenq io, nitelinq karazana fomban-drazana samihafa hanjary ho tokana. Manampy amin'ny fandraketana ireo dihy nentin-drazana sy bilaogera; sady maneho ny alahelony fa tsy ampy ny hetsika atao mba hitahirizana azy ireny ho an'ireo taranaka ho avy.

Bolivia: Mpiady Mpiangaly Cholitas Eny Alohan'ny Sehatra

  18 Jolay 2011

Nahasarika ny sain'ny teratany sy ny mpitsidika efa ho am-polotaonany izao ny tolom-behivavy (catch) ao El Alto, Bolivia. Nampian'ireto vehivavy ireto zavatra kely avy amin'ny nentin-drazan-dry zareo ity lalao malaza ity: taiza koa no nahitanao zipo lava mirenty miaraka amin'ny atin'akanjo, fehin-tenda misy volombolony, volo matevina sy satroka bozaka entina miady eny ambony ringa?

Mametraka Ny Tatao Amin'ny Entona Karbaona I Aostralia

  18 Jolay 2011

Mizarazara ny hevitry ry zareo Aostraliana taorian'ny fanambaran"ny Praiminisitra Julia Gillard mikasika andiana fepetra momba ny Angovo Madio miaraka aminà tataom-bidin'ny entona karbaona $A 23 isaky ny taonina ary ny tsenan'ny famoahana entona mampitombo hafanana hatramin'ny 2015. Marihan'ireo bilaogera fa i Aostralia no hany firenena tokana manerana izao tontolo izao mametraka ny tato amin'ny entona karbaona amin'ny sehatra rehetra amin'ny toekarena.

Lahatsary: Tortillas, Chapatis, Mofo Sy Maro Hafa Manerana Izao Tontolo Izao

Betsaka amin'ireo kolontsaina no mampiaraka ny sakafony amin-javatra vita avy amin'ny voamaina; mofo, biskoitra sy karaza-mofo nahandroina tamin'ny entona no tena isan'ny sakafon'ny olna amin'ny toerana maro manerana izao tontolo izao. Androany isika dia hitsidika mpiangaly sy mpahandro mba hijery ny fomba fikarakaran-dry zareo sy fanaovany ny sakafo fanomeny ny fianakaviany.

Zambia: Pastora Mampiasa ny Facebook Mba Hitoriana Filazantsara

  11 Jolay 2011

Ny Matio 28: 19 no mibaiko ireo rehetra nantsoina hanely n y filazantsaran'Andriamanitra, “Mandehana ka ataovy ho mpianatra ny firenena rehetra…” Mampiasa ny fomba rehetra sy ireo seha-pifanakalozan-dresaka anaty aterineto mba hitoriana teny ireo mpitory filazantsara Zambiana. Niaraka tamin'ny fahatongavan'ireo tambajotra toy ny Facebook, misy amin'ireo pastora be ketrika sy mpitory teny mafàna fo no mampiasa ny vohikala hanakaikezana ireo “fanahy very”