avylavitra · Jona, 2011

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Jona, 2011

Espana: Olona an-jatony Manao Fihetsiketsehana Manohitra Ny Fitondràna Siriana

  30 Jona 2011

Anjatony maro ireo olona nanao fihetsiketsehana tao Madrid ny Alahady teo ho fanehoana fanohanana ny vahoaka Siriana. Nanofàna fiara vaventy fitateram-bahoaka mba hitondràna ireo olona avy any amin'ny tanana Espaniola hafa mihitsy, toa an'i Valencia sy Granada. Nangatahan-dry zareo ny hampodiana ny masoivoho Siriana ao Espana, ny ny hamaizan'ny governemanta Espaniola ny governemanta Siriana, tompon'antoky ny fanampenam-bava lehibe indrindra mahazo ireo mafàna fo Siriana nandritra ny taompolo maro.

Ejipta: Mipoaka Ny Hatezerana ao Tahrir

Nirefotra indray ny kidraka tao amin'ny kianja Tahrir, ivon'ny hetsi-panovàna Ejiptiana, ny alina teo (28 Jona) ary niitatra hatramin'ny anio (29 Jona). Kaonty maro samihafa no miely any anaty aterineto mikasika ny zavatra tena nitranga marina sy ny fomba nitsimbadihan'ny hetsika, ireny rehetra ireny izay nifanandrinan'ny fianakavian'ireo maritiora maty nandritra ny hetsi-panoherana - sy ny antson'izy ireo hisian'ny rariny, ny mpanao hetsi-panoherana, ny jiolahim-boto sy mpanakorontana niaraka tamin'ny polisy. Ny tatitra dia milaza fisianà baomba mandatsa-dranomaso nalefa tany amin'ireo mpanao fihetsiketsehana, ary ny mpanao fihetsiketsehana (na jiolahim-boto) namaly tamin'ny alalan'ny tora-bato sy cocktails Molotov - tsy dia voatery loatra ho toy izay ny fandehany.

Tranganà Bilaogera Maleziana hoe Nanàla Baràka – Miteraka Ahiahy

GV Mpisolovava  29 Jona 2011

Manoloana ny fitsarana an'ilay Maleziana mpiaro ny zon'olombelona sady bilaogera, Charles Hector noho ny resaka fanalàm-baràka, amin'ny 28-29 Jona 2011, niantso ny Fitsarana Maleziana ny ARTICLE 19 mba handinika ilay tranga mifanaraka amin'ny fepetra iraisam-pirenenan'ny fahalalahana maneho hevitra anaty aterineto. Raha ny lanja mavesatry zo halalaka maneho hevitra, sy ny fankatoavan'ny andalana faha 10 ao amin'ny Lalampanorenana Maleziana azy io, ARTICLE 19 dia mangataka ny Fitsarana mba hanome antoka fa hoe ny lalàna Maleziana mifehy ny fanalàm-baràka dia hodinihana, araka izay azo atao, ao anatin'ny fanajàna tanteraka ny zon'i Hector halalaka hiteny.

Syria: Ny Revolisiona sy ny Toekarena

Tato anatin'ny 100 andro; tsy nandroso tsy nihemotra ny toekarena tao Syria. Ny vanim-potoanan'ny fizahantany vao mitsidika io dia tsy mamelom-panantenana.Fanampin'izany, an'aliny ireo Siriana velon'ahiahy ka namadika ny tahiriny hiala amin'ny "Syrian pounds" hanjary dolara amerikana na Euros, nahatonga ny vola Siriana hizaka tsindry mavesatra.

Sénégal : Novoizina Mafy Tao Amin'ny Twitter Ity Fihetsiketsehana Ity

  25 Jona 2011

Alakamisy 23 jona 2011, tototr'ireo mpanao fihetsiketsehana i Dakar. Ny tanjon'izy ireo: ny tsy hahatanteraka ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana izay azo andaniana ny filoha mahazo vato hatrany amin'ny 25% dieny amin'ny fiodinana voalohany sy manome soso-kevitra ny hisian'ny filoha lefitra toy ny an-dry zareo amerikana. Nahomby ry zareo.

Ejipta: Miroborobo Hatrany Ireo Lova Navelan'i Khaled Said

Khaled Said dia tanora Ejiptiana izay maty teo am-pelatanan'ny polisy tamin'ny taona lasa, niteraka fanehoan-kevitra sy nitondra tamin'ny fionganan'ny filoha Hosni Mubarak. An'aliny ireo nanao fihetsiketsehana nanerana an'i Ejipta tsy hoe ho fankalazana fotsiny ny fitsingerenan'ny taona nahafatesany, fa hikiaka koa ny hatezeran-dry zareo momba izay lazain'izy ireo fa herisetra sy fampijaliana tsy miato ataon'ny polisy.