avylavitra · Marsa, 2011

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Marsa, 2011

Kolombia: Vondrom-Piarahamonina Indizena Miaro Ny Fahavitan-tena Ara-Tsakafony

  31 Marsa 2011

Nanao dingana ho fiarovana ny fahavitan-tena ara-tsakafony ireo vondrom-piarahamonina Indizena any Kolombia. Tsy hoe fotsiny mampianatra ny mpiara-monina aminy hihinana izay novoleny teo an-jaridainany izy ireo, toy izay hividy sakafo lafo netina avy any ivelany, fa koa manohitra ny lalàna vaovao sy ny fameperana ny fahazoan'izy ireo manjifa ronono.

Japana: Bitsika Vonjy Taitra Ho an'Ireo Ray Aman-dReny Mpialokaloka

  29 Marsa 2011

Raha mbola mampanahy mafy ny toe-draharaha ao amin'ilay toby nokleary ao Fukushima Daiichi [en] ary mampitandry ny amin'ny fisian'ny taratra maheryvaika avy amin'ny iodine sy cesium zava-maniry sy ny rano ny governemanta, mitady toky sy torohevitra avy amin'ireo manampahaizana manokana any anaty aterineto kosa ireo ray aman-dreny manana zaza mbola kely.

Libanona : Fantaro i Ziad Antar, Libaney mpamokatra lahatsary

  28 Marsa 2011

Fa iza moa ireo  Libane mpanakanton'izao vanimpotoama izao? Manodidina ny fanadihadiana anaty aterineto iray eo ampanomanana ary mikasika ny tontolon'ny fisehoana an-tsehatra vao misondrotra ao Libanona, ny bilaogy mpiara-miasa amin'ilay fanadihadiana, Libalel, no manasongadina ireo mpanakanto toa an'ilay Libane mpamokatra lahatsary Ziad Antar. Ziad Antar dia teraka tamin'ny 1978 tao Saïda...

Shina: Cybercafé 130.000 No Nakatony Tao Anatin'ny Enina Taona

GV Mpisolovava  27 Marsa 2011

Araka ny  “tatitra Tsenan'ny Cybercafé Shina taona 2010″ navoakan'ny Ministeran'ny Kolotsaina tamin'ny 17 Martsa 2010, maherin'ny 130.000 ireo cybercafé tsy ara-dalàna nakatona tao anatin'ny 6 taona. Ankoatra ny fanakatonana ireo cybercafé tsy ara-dalàna dia nampiditra fandrindràna vaovao ihany koa ny governemanta ka nametraka sazy henjana mba hanilihana ireo cybercafé madinika...

Myanmar: Fitantarana ny Taorian'Ilay Horohorontany Avy amin'Ireo Mpiasa Mpanao Vonjitaitra

  27 Marsa 2011

Mbola tena ao anatin'ny hatairana nentin'ilay horohorontany namely ny fireneny ary nanana hery 6.8 tanteraka mihitsy izao i Myanmar. roa andro aty aoriana. Nandika ireo tafatafa sy tantara samihafa avy amin'ireo mponina sy mpiasa mpanao vonjitaitra izay nanatri-maso ny halehiben'ny dona naterak'ilay fihetsehana tany amin'ny ilany avaratr'i Myanmar ny mpanoratra avy ato aminay mipetraka any Myanmar

Brezila: Ny Sandan'ny Famatsiana Ara-Bola ny Kolotsaina

  27 Marsa 2011

Vaovao vao haingana ny hoe navelan'ny Ministeran'ny Kolotsaina Breziliana ilay mpihira malaza Maria Bethânia mba hanangona volaR$ 1.3 tapitrisa tsy tataovan-ketra (ny reais Breziliana iray dia tokony ho US$ 777,000 eo h eo) mba hananganana bilaogin-tononkalo, ary izany dia niteraka hatezeran'ireo mpitoraka bilaogy, ny mpampiasa Twitter sy ireo mafàna fo hafa amin'ny sehatry ny kolotsaina.

Myanmar: Sary Avy Amin'ilay Faharavana Nentin'ny Horohorontany

  26 Marsa 2011

Horohorontany iray nanan hery 6.8 no namely ny ilany avaratsa-atsinanan'i Myanmar ny harivan'ny Alakamisy 24 Martsa 2011, izay re hatrany akaikin'i sisintanin'i Thailand ary hatrany Vietnam sy Shina lavitra any mihitsy aza. Ilay fihetsehana dia namoizana aina 70 ary nandrava trano maherin'ny 240 tao Myanmar fotsiny. Tao an-tananan'i Tachilek, vatampaty maro no lafo ora maro taorian'ilay horohorontany.

Bahrain: Ny Anjara Raisin'Ireo Mpila Ravinahitra

Tahaka ireo firenena rehetra mpikambana ao amin'ny GCC (Gulf Cooperation Council), dia miankina betsaka amin'ny herim-pamokarana avy any ivelany i Bahrain, indrindra indrindra fa ny avy any amin'ireo firenena ao Azia Atsimo, na izany ho an'ireo asa mila fari-pahaizana ambony na ny salantsalany. Raha araka ny fanisàna natao tao Bahrain tamin'ny 2010, manome ny efa ho 51 isan-jaton'ireo hery afaka mamokatra amin'ny mponina 1.2 tapitrisa ao Bahrain ny mpiasa nafarana.. Indiana iray mpila ravinahitra no mizara ny fahitany ao anatin'ity lahatsoratra ity.