avylavitra · Avrily, 2010

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Avrily, 2010

Global Voices Summit 2010: Andro vitsy sisa dia.. Santiago

13 Avrily 2010

Tao anatin'ny 25 andro, amin'ny6 May 2010, olona any amin'ny 200 any avy amin'ny lafin'ny efatra amin'izao tontolo izao no hihaona ao amin'ny Bibiloteca de Santiago ao Santiago, Chile, hanatrika ny Fihaonambe 'The Global Voices Citizen Media'. Miaraha aminay mandritra ireo roa andron'ny hetsika sy ny fanambarana ny vokatra voalohan'ny fifaninanana Mamaky Sisintany [Breaking Borders] iarahan'ny Google/Global Voices!

Maraoka: Tandindonin-doza ve ny Kristiana?

  08 Avrily 2010

Tany amin'ny fiandohan'ny Martsa, nahita ireo mpanara-baovao fa manodidina ny 20 eo ireo mpiasa tranainy tao amina fitaizana zaza kamboty iray no noroahana handao ny firenena izay noraisin'izy ireo ho tanindrazany. Ilay tranga, ary maro hafa no nanaraka azy ity, dia nametraka ho eny aloha indray ny adihevitra momba ny toeran'ny finoana Kristiana ao anatin'ny Fanjakana.

Tontolo Arabo: Tratry ny gripan'ny iPad ny Arabo

  07 Avrily 2010

Mailaka nividy ny farany indrindra amin'ireo kilalao sy mampidera izany, mpitoraka blaogy sy mpampiasa Twitter maromaro avy amin'ny tontolo Arabo no mankalaza ny iPad. Ity no azon'ny mpianatra Saodiana iray sy mponina iray any Koety hambara momba ilay kilalao vaovao an'i Apple.

Tonizia: WAT.TV, fahatelo amin'ny tranonkala fifampizaràna video voasakana!

GV Mpisolovava  07 Avrily 2010

Andro vitsy lasa izay, nosakanan'ny fanjakana Toniziana ny fidirana ho ao amin'ny  WAT.TV, tambajotran-tserasera sosialy iray sady tranonkala fifampizaràna media, izay heverina ho ny  laharana faha-3 amin'ireo mpandefa video amin'ny aterineto ao Frantsa. Io ihany koa no fahatelo amin'ny tranonkala fizaràna video voasakana teto amin'ny Firenena. Voalohany indrindra dia nosakanan-dry...

Libanona: Feo voalohany voarahona

  05 Avrily 2010

Fantatra ary notsiriritina tany amin'iny faritr'i MENA iny noho ny fahalalahan'ny tontolo virtoaly (cyberspace) nananany i Libanona. Tsy dia izany loatra intsony nony nanamarika ny volana Martsa ny olan'ny sivana aterineto voalohany tao Libanona. Manome antsipirihany maro i Layal Al Khatib ao anatin'ity lahatsoratra ity.

Greenpeace vs. Nestle – manodidina ny fahalalàhana maneho hevitra

GV Mpisolovava  01 Avrily 2010

Tapa-bolana izao no nahamarihana fa niakatrakatra ny adihevitra manodidina ny fanentanana ataon'ny Greenpeace tato ho ato mikendry manokana ny Nestle noho ny fampiasan'izy ireo ny menaka voanio izay mitarika fahasimbana goavana ho an'ny tontolo iainana. Ny fanentanana dia nanomboka tamina video viral iray (horonantsary miresaka otrikaretina) nampakarina tao amin'ny  YouTube...