Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Marsa, 2010
Sina: Resaky ny samy mpanivana aterineto
Dikasary iray mitovy amin'ny fàfan'ny solosaina maneho ny resaky ny vondrona QQ mpanivana aterineto no nivezivezy tanaty Twitter. Izy ity dia manampy ny olona aty ivelany hahatsapa ny fomba fiasa misoko mangina ho fanivànana ny aterineto ao Sina. Mpanivana – xiao dong (1111937) 13:49:33 Akory daholo, jereo ny vohikalanareo sao...
Ejipta: Mafana fo nosamborina noho ny famoronana vondrona Facebook
Dr. Ashraf Wagdy, Ejiptiana iray mafana fo avy amin'ny elatra havia, dia nosamborina omaly tamin'ny 7 ora hariva ora iraisam-pirenena. Nanangana vondrona Facebook iray izy mba ho tosika ho an'i Mohamed ElBaradie amin'ny hazakazaka ho amin'ny Fitondrana (Prezidansa). Manao fitokonana tsy mihinan-kanina izy izao mba ho fanerena amin'ny hamotsorana azy, ...
Sina: Endrika marobe isehoan'ny fanivànana aterineto
Ny 12 Martsa no Andro manerantany Hiadiana amin'ny Sivana amin'ny Aterineto ka namoaka ny lisitra farany avy aminy “Ireo fahavalon'ny Aterineto” ny Reporter without Border [Reporters sans frontières] izay manondro mivantana an'i Sina [China], anatin'ireo firenena maro hafa tsy refesimandidy. Jason Ng from Kenengba dia manandrana manatavy resaka amin'ny fanehoana...
Ejipta: Fanapahan-kevitry ny governemanta hanakana ny Skype mampiasa ny Modem USB
Toa miezaka ny hifehy ny habaky n y aterineto ny governemanta Ejiptiana raha ny tsaoa ary ireo mponin'ny aterineto dia miroso hatrany mankany mankany. Na dia hoe, tsy ananana porofo aza ny andrana maro nataon'i Ejipta hifehezana ny vohikala sy ireo tolotra anivon'ny aterineto, dia maro ny làlana arahan'ny governemanta...
Lahatsoratra iray hiadiana amin'ny Sivana aminy Aterineto
Mino ny Fahalalahana Miteny ve ianao? Heverinao ve fa azon'ny saina leferina ny fitarafana ny momba anao sy ny fitsikilovana anao rehefa eo amin'ny aterineto?! Heverinao ve fa zonao ny misitraka fikarohana&fitorahana blaogy tsy misy sivana amin'ny Aterineto? Mino ny Fahalalahan'ny Vaovao ve ianao? Ny Zo Hahazo Vaovao? Maniry ve...
Ejipta: Hosakanana ve ny Skype!?
Mandeha ny resaka fa hoe hosakanan'ny governemanta Ejiptiana ny Skype. Maneho hevitra momba izay vaovao tsy voamarina izay ny mpitoraka blaogy maro ao anatin'ity lahatsoratra ity.
Hiaro ny zon'ireo fahavalonao ara-politika ve ianao? (momba ny sivana Alzeriana)
Ho lahatsoratro voalohany eto amin'ny Global Voices Advocacy, te-hametraka adihevitra aho mikasika olana iray nitambesatra ela tamiko hatramin'ny nivoahan'ny vaovao milaza voalohany ny fahatapahan'ny vohikala politika teto Alzeria. Izany hoe, hatraiza no fetra azon'ny tsirairay aleha ho fiarovana ny zon'olombelona, ary ny tena lehibe indrindra amin'izany dia ny fahalalahana miteny,...
Italy :Nanameloka mpitantana telo ao amin'ny Google noho ny tsy fanajàna ny fiainana manokana
Tamin'ny herinandro lasa teo, mpitsara Italiana iray no nanameloka tomponandraikitra ambony telo avy amin'ny Google tamin'ny tsy fanajàna ny lalàna Italiana mikasika ny fiainana manokana noho ny video iray nampakarina tao amin'ny Google Video tamin'ny faramparan'ny 2006, izay nampiseho zaza sembana iray rabirabian'ireo ankizy hafa mpianatra tao Turin. Nahazo sazy...
Philippines: “Fifanaraham-panambadiana azo havaozina”
Vondrona politika iray ao Philippines no maniry hampiditra volavolan-dalàna mametraka ny fetram-pifanaraham-panambadiana iray ho manankery mandritry ny folo taona. Araka ny nanampoizana azy dia niteraka fanehoan-kevitra mivaivay eo anivon'ny fitorahana blaogy ity tolo-dalàna tokana an-tany ity.
Egypta: mpitoraka blaogy iray nalefa hiatrika fitsarana miaramila noho ny lahatsoratra nataony efa ho herintaona lasa izay
Sambany teto Egypta, nalefa hiatrika fitsara-miaramila noho ny zavatra nosoratany teto amin'ny aterineto ny mpitoraka blaogy iray. Ahmad Mostafa (mpianatra) dia nanoratra tao amin'ny blaoginy Maza Asabak ya Watan (Inona no maharary anao, Ô ry Fireneko?! “What Weent Wrong With You oh My country?!”) mikasika mpianatra iray avy tao amin'ny...