Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Mey, 2009
Rosia: Veloma mandrakizay ho an'ilay mpilalao sarimihetsika Oleg Yankovsky
Maty tany Mosko tamin'ny 20 Mey teo amin'ny faha-65 taonany ilay mpilalao sarimihetsika Rosiana Oleg Yankovsky ary nalevina tao amin'ny Fasan'i Novodevichy roa andro taty aoriana. Mpankafy an'arivony no tonga nanao veloma farany azy tao amin'ny Fanaovana tantara an-tsehatra Lenkom. I drugoi, mpampiasa LJ, dia namerina namoaka sary avy amin'ny...
Haiti, U.S.A.: Fahatsiarovana an'i Môpera Jean-Juste
Miraradraraka ny fanehoam-pankasitrahan'ireo vondrona mpitoraka blaogy ho an'i Fr. Gérard Jean-Juste, pretra Haitiana Katolika fantatr'ireo mpakafy azy amin'ny maha-tompondakan'ny mahantra azy sy mpanohana mafana fo ny antoko pôlitika Fanmi Lavalas , tarihan'ilay Filoha voaongana Jean Bertrand Aristide. “Dada Gerard Jean-Juste“, sarin'i danny.hammontree, ampiasàna ny Creative Commons license. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i...
Honduras: Horohoron-tany mahery nanetsiketsika ny firenena
Nifoha aloha be tokoa i Honduras ny marainan'ny 28 Mey noho ny horohorontany mirefy ‘7.1 tamin'ny maridrefy Richter’ nanetsiketsika ny firenena. 130 kilometatra tany avaratry ny tanànan'i La Ceiba ny foibeny, tany amin'ny morontsiraky ny ranomasim-be Atlantika. Tamin'ny 2:24 maraina, ora tany an-toerana, nanery ireo mponina hivoaka ny tranony tanatin'ny...
Japana: Fitadiavam-bady!
Nanomboka tamin’ny fararanon’ny taona lasa teo, tany Japana, nisy fiteny vaovao indray mandehandeha eny. Tsy inona izany fa ny konkatsu 婚活 (fanafohezana ny kekkon katsudô 結婚活動), nosintonina tamin’ilay fehezanteny malaza shûkatsu (就活 fitadiavan-kasa), afaka adika tsotsotra hoe ‘fitadiavam-bady’. Tsy teny vaovao monja ihany ny Konkatsu Konkatsu fa trangam-piarahamonina nipoitra tsikelikely...
Bahrain: Ny filàntsika ny Indiana dia toy ny filàntsika rivotra
Tany ampiandohan'ity volana ity, nanambàra i Bahrain fa tapitra hatreo ny endrika fanohanana ireo mpiasa vahiny, midika izany fa manomboka amin'ny volana Aogositra dia tsy hiankina amin'ireo mpampiasa azy intsony ireo mpiasa ireo, fa tohànan'ny governemanta mivantana amin'ny alalàn'ny Sampana mpandrindra ny tsenan'asa, àry hahazo alàlana hiova asa tsy ilàna...
Sina: manampy an'ilay mpandroso sakafo nahafaty mpiasam-panjakana iray ireo mpampiasa aterineto
Deng Yujiao, mpandroso sakafo iray mipetraka any amin'ny faritanin'i Hubei nanindrona antsy mpiasam-panjakana iray ary nandratra iray hafa raha nanohitra ny fikasan'iretsy farany ny hanao firaisana ara-nofo taminy. Ny resaka mandeha eo anivon”ny aterineto dia tsy misy fitserana manoloana ilay razana fa manohana amin'ny ankapobeny an'ilay vehivavy 21 taona, amin'ny...
Tontolo: Arahaba nahatratra ny Fetin'ny Reny!
Felam-boninkazo tany Xela, Guatemala nalain’i Erik++ ao amin’ny Flickr Raha misy ny zavatra iombonan’ny olombelona rehetra, dia ny hoe samy manana reny daholo isika rehetra. Ary amin’ny faritra maro eran-tany dia fahazàrana ny mankalaza ny renintsika amin’ilay andro miavaka iray: ny Fetin'ny Reny. Na dia miovaova aza ny daty ankalazana...
Okraina: faha-65 taonan'ny famindràna faobe ireo Tartares avy any Crimea
Ny 18 May no anamarihana ny faha 65 taonan'ny Sürgün, ny famindràn-toerana faobe tamin'ny 1944 natao an'ireo Tartares avy any Crimea hiala ny tanin'izy ireo tao Crimée. J. Otto Pohl dia nanoratra momba ny tantàran'ireo famindràna faobe, ary indro misy ampahany avy amin'ny hafany: Tamin'ny 18 May 1944, ny NKVD...
Maraoka: Fandraisana an-tànana ny fikarakaràna ny biby
Hopitalim-biby any Fez, Maraoka, izay nitsàngana tamin'ny 1920 ny American Fondouk novatsian'ny Sosaity any Massachusetts ho fisorohana ny herisetra atao amin'ny Biby [Massachusetts Society for the Prevention of Cruelty to Animals](MSPCA). Ilay hopitaly, izay mikarakàra ny biby lehibe sy kely, dia ahitàna voalohany indrindra mpitsabo biby sy mpiandraikitra Maraokana, na...
Libia: Vehivavy, Mpanoratra, Mpanakanto
Raha ny fahitàna azy hatreto dia mbola tsy mahakasika ny tontolon’ny fitorahana blaogy libiana ny gripan-kisoa fa mino aho fa ny firesahana ny momba ny anjara toeran’ny vehivavy dia efa famakiana lay kosa. Taorian’ny fitrandrahana blaogy libianina maro, Highlander izay mandefa lahatsoratra momba ireo mpanoratra sy mpitoraka blaogy arabo/libiana dia...