2009-11-04
Syria: Ny lahatsoratra tsara indrindra sa ny faran'izay ratsy e?
Matetika ireo mpitoraka blaogy Siriana no manakiana lahatsoratry ny mpivahiny momba ny firenen-dry zareo - mazana izy ireny no "stereotypical" loatra, indraindray moa dia diso tanteraka. Ary ho an'ny firenena izay tondroina ho “nitoka-monina” ela, fara-faharatsiny avy any Etazonia, tena mankarary manokana ny saina ny mahita ny lahatsoratra toy izany asandratra ho toy ny zava-marina. Ato anatin'ity lahatsoratra ity, hojerentsika ireo fanehoan-kevitra maro noho ilay lahatsoratry ny National Geographic momba ny firenena tsy ela akory izay.
2009-11-03
2009-10-20
2009-10-15
Sina: Fibahànana ireo rindrambaiko natao ho an'ny sarambabe ao amin'ny Twitter
Tanatin'ny andro maromaro izao, nitatitra ireo Sinoa mpampiasa twitter fa nobahanan'ny sivana Sinoa ny ankamaroan'ireo rindrambaiko natao ho an'ny sarambabe ao amin'ny Twitter.
Hatrany amin'ny fiandohan'ity taona ity izay nandidiana ny hanakatonana ny Fanfou, vohikala Sinoa fitorahana bolongana, maro tamin'ireo mpitoraka blaogy no nikisaka nankany amin'ny Twitter mba hanapariaka ny heviny. ...
2009-09-23
Kazakhstan: Tsy fahazakàna fampielezan-kevitra
Araka izay amaritan'i megakhuimyak azy, tamin'ny herinandro lasa iny tao Kazakhstan, “miha-henjana ny fikorosiana.” Mbola manalokaloka sy mibahana ao an-tsain'ny firenena iray manontolo ny vinantolahin'ny filoha teo aloha, Rakhat Aliev, fahavalo émigré ho an'ny fitondrana # 1. Ny tahotry ny olona ny fiandrianana mahafehy ny zavatra rehetra sy ...
2009-09-07
Global Voices + Resadresaka hanatsaràna ny tany
Blaogy iray vaovao tohanan'ny United Nations Population Fund (UNFPA) antsoina hoe resadresaka ho fanatsarana ny tany no nanome làlana ny mpitoraka blaogy avy amin'ny Global Voices mba hanampy azy ireo hampivoitra ny resaka an-tserasera momba ny mponina sy ny fandrosoana manerana izao tontolo izao.
2009-09-04
Brezila: Mba afaka hitondra fiara raitra ve ny mainty hoditra?
Lehilahy mainty hoditra iray no niharan'ny herisetra teo amin'ny toerana fametrahana fiaran'ny toeram-pivarotana lehibe iray tao São Paulo raha nampangain'ny mpiambina ho niketrika fangalarana fiara izay tsy hafa fa azy ihany, niteraka adihevitra be teo amin'ny mpitoraka blaogy maro momba ny anganongano milaza an'y Brezila ho demokrasia ara-poko.
2009-08-30
2009-08-21
Sina: Tanora iray voadaroka mandra-pahafatiny noho ny fiankinan-doha amin'ny aterineto
Tamin'ny volana ambony, ny Ministera Sinoa momba ny Fahasalamana dia nilaza fa ny fampiasana herinaratra [electroshock treatment] hitsaboana ny “fiankinan-doha amin'ny aterineto” dia tokony hatsahatra. Na izany aza anefa, tsy nidika izany fa ny toeram-pitsaboana mitsabo ny “fiankinan-doha amin'ny aterineto” dia nampitsahatra ny fampiasana fampijaliana.






