Global Voices dia fikasana tsy mitady tombom-barotra ho any filazan-kevitra eran-tany, izay noforin’ny Berkman Center for Internet and Society, ao Harvard Law school. Io foibe io dia fikambanana ho any fandaliana sy fifankalozan-kevitra mombany vokatry sy vesatry Internet eo amin’ny lafin’ny fiaraha-monina.
Manangona, mampiseho ary mampivoitra ny fifampiresahana antserasera manerantany ny Globalvoices online sady mamoaka ny vaovaon ny toerana sy vahoaka tsy voaresaky ny fampahalalambaovao hafa.
Izahay dia miasa mba anavao ireo fitaovana, orinasa, sy serasera mba hanome feo ny mponina eran’izao tontolo izao.
Rehefa nokajiana fa aman-tapitrisa ny olona mibilaogy eran-tany, dia ahoana no iarovanao amin’ny filazana sy serasera diso tafahaotra? Ahoana no isivananao sy afantaranao an’ireo mpibilaogy manana ny maha izy azy, ary manana vesatra eo anivony nasionaly, indrindra moa fa ireo miaina ivelan’ny tanànao?
Ireo authors, regional blogger-editors and translators eran-tany, izay nanaiky iasa maimaim-poana no hanoro sy hanilo anao amin’ny tontolon’ny blogo.
Ireo olona mafana fo ireo dia mpibilaogy izay miaina amin’ny toerana sy tanàna maro samihafa. Nasainay izy ireo iasa ho mpanampy an-tsoratra na mpandray anjara am-pilazan-kevitra, satria ry zareo ireo no noheverinay fa mahazo ny fitsipihana, fahamarinana ny filazan-kevitra, dinidinika sy famakafakana apetraky ny mpibilaogy isan’andro, na laharan-teny izany, na sary, sarimihetsika – na izay rehetra mety ho fitaovana ampelezan-kevitra amin’ny Internet.
Manampy anay izy ireo manome dikany any izany rehetra izany, sy manazava ny soso-kevitra atolotry ny mpibilaogy, izay tsy hita na re amin’ny filazan-kevitra mahazatra.
Tsidio ny sokajy Links , izay ametrahan-dry zareo isan’andro tetezana amin’ireo bilaogy 5 na 10, voatsikaritra sy voatsara fa tena mitondra fiovàna sy soso-kevitra hafa-kely eo anivony ny tanànany . Ao anaty ny sokajy Weblog kosa, dia ahitanao tsetsatsetra lava kokoa, izay apetraky ny translators, editors, sy ny mpiasa maimaimpoana, momban’ny fasahiranany ny mpibilaogy eran-tany eo anivony ny tanindrazany tsirairay avy.
Ho fanampin’ity website ity dia nanorina fandaharana hoe “ Advocacy” i Global Voices entina manampy ny olona hilaza ny heviny, na dia voageja tsy afa-miteny noho ny fanjakana na fahefana tsy mamela azy ireo anao izany.
Global Voices dia nanangana fandaharana hafa koa izay atao hoe Rising Voices entina amporisika sy anome fahafahana ireo olona izay tsy hita na re ampahabe maso, mba ilaza ny heviny. Global Voices dia voadika translated amin’ny alàlan’ny Lingua project amin’ireto teny manaraka ireto:
- Bangla
- Chinese (Traditional & Simplified)
- Farsi
- French
- Spanish
- Portuguese
- Arabic
- Malagasy
(Mbola ho avy ny fandikana amin’ny teny: German, Hindi, Japanese)




