Fahaiza-mahandro Meksikana nambàran'ny UNESCO ho Raki-tsarobidin'ny Lovan-tsofina sy tsy fanova ananan'ny zanak'olombelona

Mahafantatra olona tsy mahalàla ny atao hoe enchiladas ve ianao? Na olona mbola tsy nihinana mihitsy tacos na karazana sakafo meksikana hafa ? Ny fahaiza-mahandro meksikana dia malàza amin'ny fahamaroan'ny karazan-tsirony sy ny lokony, ny fifangaroana karazan-tahàro manaitaitra sy ny zavatra ilaina manokana ao anatiny. Ny sakafo nentim-paharazana meksikana dia mifototra amin'ny katsaka, tsaramaso ary karazan-tsakay samihafa.

Chilaquiles. sarin'i Laura Taylor, solonanarana Flickr bookgrl, ary nampiasàna ny Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic Creative Commons license

Raharaham-pirenena

I Tatiana Gutierrez, mpanao gazety avy amin'ny tranom-pamoahana Meksikana elsemanario.com.mx, dia manoritsoritra ny anjara toerana lehibe noraisin'ny sakafo tamin'ny fankalazàna ny faha-roanjato taona tao Meksika:

Vamos a cerrar con broche de oro este periodo de sugerencias a realizar durante las celebridades bicentenarias, ¿cómo?, con lo más preciado que tiene México: su gastronomía.

Hofaranantsika amin'ny fomba manetriketrika ity fakàn-kevitra ho fankalazàna ny faha-roanjato taona ity, amin'ny fomba ahoana anefa? Amin'ny alàlan'ny zava-tsarobidy indrindra ananan'i Meksika : ny fahaiza-mahandrony.

Tena be karazany tokoa ny nahandro Meksikana manerana ny firenena. Be ny fahasamihafàna tsinjonao isaky ny fari-piadidiana sy isaky ny faritany tsirairay avy, hatrany Avaratra ka hatrany Atsimo, miainga avy amin'ny faritra manana toe-tany mafàna ka hatrany amorontsiraka, ary miainga avy any an-tendrombohitra ka hatrany an-tany maina. Tena lehibe ny fahasamihafan'ny kolontsaina sy ny vondrom-piarahamonina ao anatin'ilay firenena; izany no antony ananan'ny faritra tsirairay karazan-tsakafo, tsiro sy hanitra mampiavaka azy.

David Emery, ao anatin'ny lahatsorany  “Ny 10 mendrika indrindra amin'ny nahandro matsiro manerantany”, dia manoratra mikasika ny fahamaroan-karazana manerantany izay mahatonga ny nahandro Meksikana ho tonga amin'ny toerana misy azy ankehitrio:

Fantatra noho ireo tsiro sy tahàro maro karazana ao aminy, ny fahaiza-mahandro Meksikana dia fitambàran'ny avy amin'ny mpanjànaka espaniola sy ny kolontsaina ‘Aztec’. Ny anjkamaroan'ny sakafo Meksikana hanintsika amin'izao fotoana dia fifangaroan'ny matsiron'ny fomban-drazana Aztec, Mayan ary Espaniola. Mànana ny dindony ihany koa ao anatin'ny tantara ny Frantsay, tamin'ny fitondràna ny sakafo atono amin'ny lafaoro toy ny mofo mamy sy ny  bolillo.

Shrimp tostadas misy zavoka. Sarin'i Matt Saunder, solonanarana Flickr mttsndrs, nampiasàna ny Attribution-NonCommercial 2.0 Generic Creaative Commons license

Matetika ny mpampiasa Twitter no mandefa bitsika milàza ny toerana lehibe misy ny sakafo Meksikana eo amin'ny fiainan-dry zareo. Mayela Gonzalez (@mayelagonzalez), Meksikana iray mpampiasa an'io avy ao  Monterrey, no nandefa bitsika toy izao andro vitsy lasa izay:

comí mole =) que delicia!!! #MexicanFood

Nihinana mole aho [hena asiana saosy natao tamina sôkôlà, sakay sy tsiro manaitaitra hafa] =) Tena matsiro!!! #MexicanFood

Isaaco @Isaacloco, izay ao Meksika ihany koa, dia nanoratra:

y para ke se les antoje.. comeré unas ricas #enchiladas verdes!!!! hayy ke sabrosas!! =)

ary ho fampilendalendana anareo…androany aho dia handeha hihinana #enchiladas maitso sy matsiro!!! Ohh tena matsiro be an!! =)

Amin'ny sehatra iraisam-pirenena

Saingy tsy ny Meksikana irery ihany no mikepoka ny sakafo Meksikana; ireo mpampiasa Twitter avy amin'ny firenena hafa koa dia niresaka momba ny nahandro Meksikana:

Chris Gonzales (@Chris1356J) avy any  Albuquerque, US, niteny hoe:

#tacos no tena sakafo tsara indrindra

Ary olona avy any Texas i  Jessica Clemmons (@JessicaClemmons) no milaza fa:

Tsia, miala tsiny  #Arizona… Ny sakafo Meksikana-nao #Mexicanfood tsy MISY DIKANY miohatra amin'ny anay aty  #Texas!. Tsara ilay andrana na izany aza.

i Cristina Potters, mpitoraka bilaogy teraka tany Amerika, dia efa nisakafo tamina faritra 28 amin'ireo 31 misy ao Meksika ary tao an-tanànan'i Meksiko. Ao amin'ny bilaoginy Mexico Cooks! izy dia nanoratra mikasika ny zavatra rehetra miainga hatrany amin'izay sakafo tena mampiavaka sy an'ny Meksikana ka hatrany amin'ny kolontsaina tehirizin'izany. Nitsara ireo trano fisakafoanana manerana ny firenena ihany koa izy ary nanoratra fomba fandrahoan-tsakafo mihitsy aza. 30 taona eo izao no niainan'i Potters tao Meksika, ary tiany ery ny manoritra ny tanjon'ny bilaoginy ho toy ny:

Vegetarian Chiles misy Nogada. Sarin'i Madeleine Ball, solonanarana Flickr madprime,nampiasàna ny Attribution-ShareAlike 2.0 Generic Creative Commons license

Tsy ela akory izay dia nahazo voninahitra ny nahandro Meksikana tamin'ny nanambaràna azy ho  Masterpiece of the Oral and Intangible Heritage of Humanity (Raki-tsarobidin'ny Lovan-tsofina sy tsy fanova ananan'ny zanak'olombelona) avy amin'ny UNESCO. Tim Johnson, lehiben'ny masoivohon'ny  Gazety McClatchy any Meksika dia nanoratra tao amin'ny bilaoginy Mexico Unmasked:

Iray volana mahery kely eo izao, nilaza ny tomponandraikitra Meksikana iray fa ela ny ela ka nahazo ny maha- Raki-tsarobidin'ny Lovan-tsofina sy tsy fanova ananan'ny zanak'olombelona azy avy amin'ny UNESCO ny fahaiza-mahandro Meksikana. Ny filazàna amin'ny fomba ofisialy dia hatao any Nairobi amin'ny volana Novambra. Saingy ho famintinana, nahazo ny mendrika azy ny nahandro tsy manan-tsahala Meksikana. Tsy mbola nisy fahaiza-mahandro avy amina firenena hafa nahazo vohinahitra toy izany.

Ankehitriny, raiso tsara ity: i Frantsa dia efa indroa raraka! Ny fotoana farany nandraisan'i Frantsa anjara, tamin'ny 2008, dia nanambàra toy izao ny Filoha Nicolas Sarkozy, “Izahay no manana ny fahaiza-mahandro tsara indrindra manerana izao tontolo izao — farafaharatsiny aloha araka ny fomba fijerinay. Tianay ny mba handraketana izany ho isan'ny lova sarobidin'izao tontolo izao.”

Izany izany, mila manenjika an'i Meksika i Frantsa ankehitriny, amigos.

Feno karazana mampilendalenda maro, samihafa amin'ny tsirony ary tokana amin'ny fahatsapàna ateraky ny fofony, tsy azo ihodivirana io fahaiza-mahandro io, eny fa na dia ho an'ireo lanilany miseho ho sarotiny manerantany aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.