Japana: Drinkommunication, rehefa lasa adidy ara-tsosialy ny fisotroana toaka

Hoy ireo olona taloha hoe “ao anatin'ny vera no misy ny marina – In wine is truth”. Ekena fa ny alikaola amin'ny fatra voafetra dia manampy amin'ny fanariana ireo sakana mahazo ny olona iray, saingy any Japana kosa, dia matetika izy io no ampiasaina ho toy ny solika manodina ny ara-tsosialy eo anivon'ny fiarahamonina iray izay mahita ny tsy maintsy ilàna elanelana eo amin'ny fihetseham-po tena izin'ny olona iray sy ny fikasany (honne) ary izay ambaran'ny isam-batan'olona rehefa misy vanin'andro ara-tsosialy mitranga (tatemae).

Ny fisotroana miaraka amin'ny mpiray kilasy na mpiray tarika raha mbola mpianatra ianao, na miaraka amin'ny mpiara-miasa raha mpiasa ianao dia zavatra iray manan-danja raha te-ho voaray ho ao anatina vondrona iray.  Raha ny filazan'ny maro, dia misy fifandraisana matotra kokoa, na  nommunication mety ho teraka avy amin'ny labiera iray vera na ‘sake’ eny an-tànana.

Nommunication (adika tsotsotra ho drinkommunication [fifandraisana amin'ny alalan'ny fisotroana]) dia anarana iray noforonina tamin'ny fanafangaroana ny enti-milaza nomu (misotro) sy ny anarana ‘fifandraisana’.  Izy io dia azo faritana ho ampahany iray manan-danja hahafahana miroso ho olona ara-tsosialy [en], noho izy io mifamatotra amin'ny laharan'asan'ny mpiasa iray, ary noforonina hanondroana ny karazam-pifandraisana misy eo amin'ny lehibe iray sy ny mpiasa eo ambany fiadidiany mandritry ireo fisotrosotroana sosialy ivelan'ny birao.

Alim-pisotroana iray. Avy amin'i jamesjustin CC License.

Ny famintinana tantara fohy iray tsy fantatra anarana [ja] nampitondraina lohateny hoe  “Fandinihana ankapobeny ireo LehilahyMpikarama” (サラリーマンに関する一般的考察) dia manazava ny niandohan'ilay foto-kevitra.

そもそも、ノミュニケーションというのが出来たのは、高度経済成長時代に、会社運営を円滑に行うために思考錯誤された結果であると考えられる。
というのも、上司というのは一般的に部下を叱責する義務がある。端的に言えば、部下というのは怒られるために存在しているようなものである。かと言って、誰でも怒られて嬉しいわけではない。
そこで、部下の様子を見て上司は一杯連れていってやるわけである。まぁ、通常は居酒屋あたりに連れていって、恐縮している部下に向かってビールを注ぎながら、「一杯飲めや」となるわけである。で、部下は「いただきます」と言いながらビールを飲みつつ、会社の愚痴を言ったり、私生活の悩みなどを相談するわけである。

Teo ampiandohany, ny fiantso hoe nommunication dia noforonina nandritra ny fisongan'ny toekarena, toy ny vokatry ny fanandramana fomba  samihafa hanamafisana ny toe-tsaina tia mamokatra mitondra mankamin'ny fisiana orinasa  tsara fihodina.
Amin'ny fomba hafa, amin'ny ankapobeny ireo lehibe dia manana adidy hibetroka ireo mpiasany. Amin'ny fomba matotra kokoa, dia azo lazaina fa antom-pisian'ireo mpiasa ny ho treronina. Saingy mazava loatra, tsy misy olona ho faly treronina izany.
Noho izany, amin'ny fahatsapana ny fihetseham-pon'ny mpiasan-dry zareo, ireo lehibe dia manasa azy ireny hisotrosotro. Ny mahazatra dia entin-dry zareo amina  izakaya iray ( trano fisakafoanana sy fisotroana) ary iantohany labiera ireo mpiasany tsy dia mahazo aina tsara. Ampiakarin-dry zareo ny toe-tsainy amin'ny alalan'ny teny kely hoe  “hey, eto isika izao. ndeha hisotro!”. Dia misaotra avy eo ilay mpiasa ary eo ampisotroana labiera eo, dia mety hamboraka ny fitarainany momba ny orinasa iasàny na ny olam-piainany manokana.

Ny alikaola, amin'ny lafiny sasany, dia sakaiza mahatokin'ny olona mpandraharaha satria manodidina ny iray vera amin'ny shochu [en] no mipoitra ireo fifampiraharahana tena lafatra. Toy ny any amin'ireo kolotsaina maro hafa, ny fanasàna ny mpanjifa mba hiara-misakafo dia efa zava-panao mahazatra  eo amin'ny tontolon'ny asa Japoney, ary ilay lazaina foana hoe settai, matetika adika hoe  ‘fialambolin'ny mpandraharaha/mpanao afera’, dia manan-danja toy ireo fihaonana mety hataon'ireo mpitantana mpanatanteraky  ny orinasa miaraka ami'ireo mpanjifany any amin'ny biraon'ny orinasa ihany.

Yellowbel dia mibaboka fa na dia nandà matetika ny hiara-misotro tamin'ireo mpiara-miasa taminy aza izy fony mbola mpiasa  tsotra, tsy afa-miala amin'ny fiaraha-misotro divay sy fiaraha-misakafo amin'ireo mpanjifany kosa izy ankehitriny nony injay nitantana ny orinasany manokana.

その後サラリーマンを辞めて、小さいながら会社を切りまわし始めると、お酒の席は断るとか断らないとかじゃない、生活の一部になってきました。
営業系の自営業にとって、酒の席で本能に限りなく近いところでおつきあいするのが、商売というかオフィシャルな自分を売り込むのに一番いい手段になるからです。

Hatramin'ny nialàko tamin'ny asako amin'ny maha-mpiasa tsotra ahy sy nanombohako ny orinasako manokana, ts'isy resaka intsony ny hoe olana sa tsia ny misotro; nanjary zava-tsy misaraka amin'ny fiainako andavanandro ny alikaola.
Ho an'ny olona iray miasatena izay sady mpitady lalam-barotra, ny fisotroana miaraka amin'ny mpanjifa iray  mandra-pisian'ny fifandraisana tsara eo amin'ny andaniny sy ny ankilany mandra-pijoronao tsara amin'ny toeranao dia tena fitaovana tsara ahafahanao ‘”mivarotra” ny aminao.

Raha fitaovana mahery vaika eny am-pelatanan'ny mpanao raharaham-barotra iray ny nommunication, dia matetika koa izy no fototry ny tsindry sy rarin-tsaina ho an'ireo mpiasa eo ambany fiadidiany izay mahatsiaro ho voatery manaiky tsy satry ny fanasan'ireo lehibeny. Ireo mpiasa lehilahy no tena tratry ny  karazana tsindry toy izany satria heverina ho izy ireny no tena mpigaka gaigilahy.

Fifanakalozan-dresaka iray vao haingana tao amin'ny Twitter [ja] no namoaka ampahibe-maso ity fomba fihevitra mamàka lalina ity,  toy izay nanamarihan'ilay mpampiasa  Twitter  @shisetsu azy fa hoe tsy dia mety loatra ny fahitàny ny  fiheverana ny olona rehetra ho tonga dia efa manan-jo avy hatrany hisotro alikaola.
Ireo bitsika fohy nalefan'i @shisetsu dia nanainga adihevitra mikasika ny fahazàrana manao lanonana ahitàna ireo mpiara-miasa miara-misotro toaka aorian'ny ora fiasàna any anaty  izakaya iray, ho toy ny làlana iray hiadiana amin'ny rarin-tsaina, nefa koa indraindray manome vàhana ny fifandraisana eo amin'ny iray tarika.

Raha miombon-kevitra aminy ny sasantsasany amin'ireo mpampiasa Twitter amin'ny filazàna fa matetika ry zareo no mahatsapa ho toy ny voatery hisotro toy ny fanaon'ny hafa, i @akcanon kosa namaly nilaza fa ny fisotroana toaka dia toy ny adidy ara-tsosialy iray tsy maintsy efain'ny olon-dehibe iray.

@shisetu 飲めない事をただ強調するんじゃなくてキチンと理由まで説明すべきだと思うな。学生じゃなくて社会人だし、職場のコミュニケーションて大切なことだよ。 お金貰ってるから仕事だけしてればいいってもんじゃないよ。

@shisetu, mihevitra aho fa raha tsy misotro ianao, tsy tokony hilaza fotsiny tahaka izao fa tsy maintsy manazava tsara ny antony. Tsy mpianatra intsony ianao fa efa olon-dehibe ary ny fahaiza-mifanerasera dia tena zava-dehibe tokoa any anaty toeram-paiasana any. Tsy hoe omena karama fotsiny hanatanteraka ny asanao  ianao dia ampy izay.

Ny valinteny kinga avy amin'i @shisetsu [ja] dia nanova ny fizotry ny fifanakalozan-kevitra ka taoriana kely dia nahatonga an'i @akcanon hiala tsiny sy hieritreritra manodidina ny fiheverana hoe rehefa olona miasa izany ianao dia mira olona mpisotro toaka.

@akcanon 私は体質上の飲酒は全く問題ありませんが、私の父はアル中かつDVなので子供である僕と弟は反面教師で全く飲みません。これを飲み会で言って場の空気を悪くするのも酒飲みが望むご都合主義のコミュニュケーションでしょうか?人間関係を大事にするのと飲酒に因果関係はありません。

@akcanon Tsy manana olana ara-pahasalamana manakana ahy tsy hisotro toaka aho fa ny raiko dia mpigakalahy ary izany dia niafara tamin'ny herisetra tao an-tokantrano  nihatra tamin'ny rahalahiko sy ny tenako fony mbola zaza izahay. Ho setrin'io, tsy misotro mihitsy aho. Hanazava an'izany rehetra izany mandritry ny fisakafoanana dia hanimba ny fiaraha-mifaly … ny karazana rivo-piainana sy fifandraisana toy izany ve no kendren'ireo mpisotro? Tsy misy ifandraisany mihitsy ny resaka fisotroana sy ny fanomezan-danja ny olona.

Niova ny tontolon'ny asa tato anatin'ny taona vitsy, indrindra noho ny olana ara-toekarena ary  ny fikororosin'ny rafitra. Maro ihany koa no mihevitra fa ireo adidy ara-tsosialy sasany toy ny  nomunication dia efa zary tsy maharototra ary tsikelikely, ireo mpandraharaha tanora dia mahatsapa azy ity ho adidy mitondra amin'ny firoboroboan-dry zareo.

Ny mpitoraka bilaogy kikuiri, ohatra, dia mino fa mety ho antony koa ny hoe rempotra dia rempotra foana ny olona amin'izao vaninandro iainantsika izao, maro izy ireny no mampiasa ny fiarany hamonjena asa na zavatra hafa … niova ny laharam-pahamehana.

「忙しい」には、もう1種類あって、「家族の世話」で忙しいというケースがあります。
それこそ10年くらい前までは、勤めている人=飲みニュケーションに参加する人=家庭の仕事に追われていない(放棄?)男性 という図式がほぼ成り立っていたと思うのですが、今現在、その図式は成立しないと言ってもいいでしょう。
実際、「育児」に関わる人は、飲みニュケーションには少なくとも数年間は参加できないと思いますし、これから増えると思うのは「介護」に関わる人であります。

Anatin'ny sokajin'ny  ‘olona rempotra’ dia misy ny trangan'ireo rempotra satria “manana ankohonana iray iahiana ry zareo”.
Hatramin'ny teo amin'ny 10 taona teo dia nisy fimiràna toy izao: mpiasa = olona mandray anjara amin'ny  nommunication = olona tsy miditra  (na manilika) ny raharaha an-tokantrano. Na izany aza, amin'izao fotoana izao, tsy mihatra intsony izany fimiràna izany.
Ny zava-marina, ireo izay manana andraikitra amin'ny fanabeazana ankizy dia tsy hanam-pahafahana mihitsy handray anjara amin'ny  nomunication mandritry ny taona vitsivitsy farafahakeliny ary hiakatra koa ny isan'ireo olona miandraikitra fikarakarana ny beantitra.

Mpiasa-mpikarama. Avy amin'i A Malchik! CC License

Angamba ho fisorohana ny tsindry sosialy mety hateraky ny fisotroana miaraka amina olona sambany vao nihaonana, dia maro koa ireo olona no misafidy ny hanao ny fiaraha-misotron-dry zareo any anaty aterineto amina toeram-pihaonana virtoaly sahaza, izay atolotr'ireo sangany amin'ny fanamboarana zava-pisotro, na misotro manditry ny fotoanan'ny tsaty [chat sessions].
Ny lafiny tsara dia ahitàna ny tsy filàna mihosotrosotra ho an'ireo vehivavy ary tsy fisotroana tafahoatra ho an'ireo lehilahy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.