Japana: Mampiketrona ny fiakaran'i Sina ho laharana faharoa

Sarin'ny mpampiasa Flickr xioubin low. Nampiasana ny CC.

Ny filaharana ara-toe-karena dia milaza fa nivarina ho fahatelo i Japana manerantany.

Nanaiky ny Governemanta Japoney tamin'ity volana ity fa lasan'i Sina ny amboarany [en] ka lasa izy no hery ara-toe-karena faharoa matanjaka indrindra aorian'i Etazonia, satria dia nampiseho ny antontan'isa ofisialy fa US$1,28 miliara ny fiharian-karem-pirenen'i Japana tao anatin'ny telo volana raha US$1,33 miliara kosa ny an'i Sina.

Kanefa tsy dia nahataitra loatra ny ankamaroan'ireo mponina Japoney ity fanambarana ity izay nanampo ny hitrangan'izany na ho ela na ho haingana.

Ny resabe izay noforonin'ny media mikasika ny faharesen'i Japana manoloana ny firenena Asiatika eo akaikiny dia mahatonga ireo mpitoraka blaogy maro hampikentrona ny volo-mason'izy ireo sy hiteny hoe: dia maninona?

Ampontan, ohatra, mampandre fa ny fiakaran'ny toe-karen'i Sina ho laharana faharoa  dia tsy inona akory fa ebon-drano izay hipoaka ihany amin'ny farany.

Omaly, dia gazety amin'ny teny Anglisy dia feno tantara milaza fa niangeza ny ekonomian'i Sina ka nahatonga azy ho laharana faharoa eran-tany, nihoatra ny an'i Japana. Nisy gazety iray niteny fa “naka an-keriny” ny laharana faharoa (ohatra ny dia efa hoe afaka maka an-keriny zavatra iray ny ekonomia), raha ny hafa kosa nitatitra fa nisambotra ny “satroboninahitra faharoa” izy.

Angamba tokony havela ny helok'izy ireo, noho ny fankahalana fa tsy fantatr'izy ireo ny zavatra ataony. Olo-maro, matetika avy amin'ny hery (fironan'antoko) havia fa tsy avy any amin'ny hery havanana, no mijery ny fivadibadihan'ny toe- karem- pirenena ho tahaka ny fifaninanana ifanandrinana (mifamono) – tahaka hoe mpijery lalao baseball, baolina kitra, na koa hockey izy ireo. Ireo mpahay toe-karena kosa mampahatsiaro antsika fa misy foana ny fahafahana ho samy mpandresy eo amin'ity sehatra ity, nefa vitsy ny olona no mihaino izany.[…]

Tahaka ny nomarihan'i Gordon Chang ao amin'ny Forbes [en], lasa ebon-drano mavesatra eo ampovoan-trano ny tsenam-pandraharahana resaka trano Sinoa. Rehefa mipoaka izany–ary fantatrao fa hitranga izany– dia hanovo ron-tsaramaso betsaka ny  mpamatsy vola ka ho difotry ny tantara isan-karazany mandritra ny 24 ora ao anatin'ny fito andro ny gazety isan-karazany.

Nipoitra ho manan-kery goavana eo amin'ny lafiny Ekonomika i Japana tamin'ny taona 1968 , rehefa lasa laharana faharoa tamin'ny fiharian-karena matanjaka indrindra eran-tany, nihoatra an'i Alemaina Andrefana.

Ny “fahagagana ekonomika” tahaka ny hamaritan'ireo manam-pahaizana sasany azy [en] dia noho ny antony maro samihafa ka anisan'izany ireo fanavaozana taorian'ny ady sy ny fananganana tao-zava-baventy notohanan'ny ‘keiretsu’ [en], mpanohana ny Governemanta sy indostria tsy miankina amin'ny fanjakana.

Ankehitriny i Japana, miaraka amin'ny mponiny izay ampahafolon'ny an'i Sina, dia ananana trosam-panjakana eo ho eo amin'ny 200%-n'ny Famokaram-bokatra anatiny amin'ny fitomboana ekonomika tsy mihoatra ny 0.1%.

Mihevitra i Takaojisan fa tsy mahagaga ny fisongonan'ny famokram-bokatra anatin'i Sina an'i Japana satria betsaka ny mponina ao aminy. Kanefa dia miombon-kevitra amin'i Ampontan ihany koa fa mety ho lasa setroka ihany izany tantara mikasika an'i Sina ho lasa hery ara-toe-karena lehibe indrindra izany rahampitso.

単純に考え、日本の10倍の人口がいるから日本の10倍の購買力があるなどはあり得ず、結局は一部の富裕層が買いあさっているに過ぎない。中国のGDPは、個人消費ではなく、行き場のない金が向かっている投資によるところが大きい。そして、その投資がはじければ、中国の巨大な経済は一夜にして水泡に帰するのだ。なにしろ、経済の実体となりうる個人消費がきわめて限られ、インフラが整備されず、国民生活を支える有形無形の社会サービスがまったく形成されていないからだ。

つまり中国の投資バブルがはじけた場合の崩壊はすさまじいと言える。まさに、実体のない経済が雲散霧消するのだ。[…]

しかし、いずれ日本を経済規模で抜いたとしても、べつにそれがどうと言うことではないのだ。

Raha tsorina kokoa, dia satria fotsiny impolon'ny mponina any Japana ny mponina any Sina, tsy midika izany fa folo avo heny tahaka izany koa ny heriny, satria ny sarangan'ny manan-karena ihany no afaka mividy izay tiany.

Ny famokaram-bokatra anatiny (PIB) dia tsy miankina amin'ny fandaniana manokana fa miankina amin'ny fampiasam-bola izay tsy afaka laniana amin'ny zavatra hafa.

Raha tsy mahomby ireo fampiasam-bola ireo, dia ho lasa entona ny ekonomia goavan'i Sina. Ny antony dia voafetra ny fanjifana tsy miankina izay hery fanoitran'ny toe-kareny. Tsy voakarakara tsara ny foto-drafitr'asa ary tsy misy ny asa misahana sosialy izay miahy ny olona .

Amin'ny fiteny hafa, mety tena hitalakotrokotroka ny fianjerana raha toa  mipoaka ny ebon-dranon'i Sina. Ny ekonomia tsy misy fototra mafy dia hanjavona ho lasa rivotra. […]

Na dia izany aza, na ohatra aza ka mihoatra  ny an'i Japana ny ekonomian'i [Sina] amin'ny laharana, dia maninona?

Ho fanampin'ireo isa izay manamarina ny hatsaran'ny ekonomian'i Sina mihoatra ny an'i Japana, ireo manam-pahaizana maminaviana [en] fa ity fitomboam-pahefana ity dia mety hihoatra an'i Etazonia amin'ny taona 2030, ka hahalasa azy ho ekonomia lehibe indrindra eran-tany.

Manontany tena ny mpitoraka blaogy aen_ukon99 hoe inona ireo antony jeren'ireo manam-pahaizana rehefa mandinika ny ekonomian'ny firenena iray izy ireo.

それに中国に生産拠点を移した多くの外国企業の生産はカウントされていないのかな?

そして安い労働力の供給元だった中国がこの頃自殺者やストなどで目覚め始めて多くの企業はインドやアフリカに移りつつあるって中国にとっては結構痛い話じゃ無いのかな。

Manontany tena aho raha jeren'izy ireo ireo orinasa vahiny maro namindra ny toeram-pamokaran'izy ireo ho any Sina?

Ary raha manome mpiasa mikarama mora  i Sina dia efa mahatsapa ny fisian'ny olana isan-karazany tahaka ny famonon-tena sy ireo fitokonana izay nahatonga ireo orinasa maro nifindra nakany India na Afrika. Ho lasa adi-hevitra mamaivay ho an'i Sina izany atsy ho atsy, sa tsy izany?

Ireo mpihevitra hafa amin'ny lafiny tsara, tahaka an'i Bos, dia nandray ireo vaovao ho tahaka ny anton'ny fandrosoana sy ny fanampiana ny firenen'izy ireo hampiasa ireo haja sy fanamafisana ireo mba hahatonga azy ho herin'izao tontolo izao amin'ny folo taona ho avy.

まあ、いつか来る順位変動なので仕方がない。

これ以上落ちないように努力と行動と思考と知能を生かしていきたいものだ・・・・・。

Efa nampoizina hitranga ny fiovan-toeran'i Sina, tsy misy zavatra azonay atao mikasika izany. Na dia izany aza, tokony hikezaka hanao izay tratry ny herinay izahay ary hampiasa ny sainay, ny fanahinay sy ny fahaizanay mba tsy hikorosfahana hatrany i Japana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.