Noam Chomsky tany Shina

Tamin'ny 13 Aogositra, nikabary tao amin'ny Anjerimanontolon'i Peking any  Beijing i Noam Chomsky. Chomsky, iray amin'ireo olona manampahaizana isan'ny misongadina amin'izao vaninandro iainantsika izao, dia malaza amin'ny hafanam-pony ara-politika sy ny fandraisan'anjarany amin'ny fanabeazamboho ny teny sy ny filaozofia. Ny resaka, nampitondraina ny lohateny hoe Ny manodidina ny Drafi-Pandaminana izao Tontolo izao: Fitohizan-draharaha sy Fiovàna (Contours of World Order: Continuities and Changes), dia saiky nirona betsaka tamina olana lehibe roa atrehan'ny zanak'olombelona: ny ady nokleary sy ny fahasimbàna/fikorosian'ny tontolo iainana.

Raha nanavao ny tsikera nataony momba an'i Etazonia i Chomsky, dia naneho ihany koa ny heviny momba an'i Shina. Raha ny fijerin'i Chomsky, ireo firenena vao mipongatra toa an'i Shina sy India dia mbola manana làlana lavabe hizorana raha hifaninana amin'i Amerika. Ny olana tena miavaka dia ny sàndan'ny endri-pîvoarana Shinoa miantraika amin'ny tontolo iainana, sy olana anaty ary ara-tsosialy maro tsy maintsy atrehan'i Shina. Tamin'ity herinandro ity, ny Southern Metropolitan Daily dia namoaka resadresaka iray niarahana tamin'i Chomsky. Nadika eto ambany ny sombiny tamin'ilay resadresaka.

Noam Chomsky tao amin'ny Anjerimanontolon'i Peking

南方都市报:全球一体化已被多数中国人接受,在过去的三十年中,尤其是中国加入W TO以后,绝大多数的中国人都从中受益颇多。但你对全球化和W TO的评价似乎很低。

SMD: Nanaiky ny fanatontoloana ny ankamaroan'ny Shinoa. Tanatin'ireo taompolo telo farany, indrindra fa taorian'ny nidiran'i Shina tao amin'ny  World Trade Organization (WTO) – Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Varotra, marobe ireo Shinoa nahazo tombontsoa goavana tamin'izany. Saingy ianao kosa mahita kilema amin'ny fanatontoloana.

乔姆斯基:中国的发展和经济成就实质上与全球一体化没有太大的关系。这和贸易与出口有关,中国逐渐成了一个出口导向型国家。没有人,包括我,会反对进出口,但那并不是全球化。事实上,中国已经成了东北亚地区生产系统的一个装配厂。如果你看一下整个地区,会发现这是一个非常有活力的地区。中国出口量非常大,但这里头有些误解,中国的出口在很大程度上是日本、韩国以及美国等国的出口。这些国家给中国提供零部件和高科技,而中国则将它们组装起来并进行出口,而这就被称之为“中国的出口”。

Chomsky: Tsy dia misy ifandraisany loatra amin'ny resaka fanatontoloana ny fahatafitan'i Shina amin'ny lafiny toekarena. Io dia mifamatotra amin'ny varotra sy ny fanondrànana. Nikisaka tsikelikely ho firenena mitodika amin'ny fanondrànana i Shina. Tsy misy na iray aza, eny fa na dia izaho, ka hanohitra ny fanondrànana. Saingy tsy izany no fanatontoloana. Raha ny marina, nanjary lasa orinasa ao anatin'ny rafitra famokarana any amin'ny faritra avaratra-atsinanan”i Azia i Shina. Raha mijery ny faritra manontolo ianao, dia hahita azy ho tena mikofokofoka tokoa. Ny hadirin'ny fanondrànana ataon'i Shina dia tena goavana be. Saingy kosa misy zavatra tsy dia voajerintsika loatra. Ny fanondrànana avy ao Shina dia mifamatotra betsaka amin'ny fanondrànana ataon'i Japana, Korea ary Etazonia. Ireo firenena ireo no manome an'i Shina ny kasinga avo lenta sy ny teknolojia. Ny hany ataon'i Shina dia ny manàmbatra, ary ny manome label ny vokatra voahodina ho  ‘Made in China – Vita avy any Shina.’

中国依靠其明智的政策的确发展得很好。但事实上,数百万人摆脱了贫困,但却也付出了很大的代价,而许多代价会转嫁给下一代,如生态成本。经济学家不会考虑这些,但代价就是代价,总要有人来偿还,可能由你的孩子或孙子来偿还。这些真的和全球一体化没什么关系,和世界贸易组织也没有什么关系。

Nivoatra haingana be i Shina noho ny fanarahana politika hendry sy mivelatra. Saingy raha olona an-tapitrisa maro no afaka tamin'ny fahantrana, goavana be kosa ny sàndany toy ny eo amin'ny lafiny tontolo iainana. Mitambesatra eo an-tsorok'ireo taranaka ho avy izany rehetra izany. Tsy miraharaha izany ny mpahay toekarena, nefa na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy misy handoa ny sàndan'izany rehetra izany ao aoriana ao. Mety ho ny zanakao izany na ny zafikelinao. Ireo rehetra ireo dia tsy misy ifandraisany velively amin'izay fanatontoloana sy ny  WTO.

南方都市报:你认为中国的崛起会不会改变现有的世界秩序的总体走向?中国会在世界上扮演美国目前扮演的角色吗?

SMD: Heverinao ve fa ny fisongan'i Shina dia mety hanova ny rafitra erantany? Afaka hitazona ny toerana misy an'i Etazonia ankehitriny ve i Shina ao aoriana ao?

乔姆斯基:我不这样认为,也不希望这样。你希望中国在全世界有800个军事基地,到处侵略别的国家,推翻政府,实施恐怖行动吗?这就是美国在世界上的角色。我不认为这样的情况会发生在中国身上,也不认为能够发生,当然也不希望发生。中国的存在已经改变了世界秩序。中国和印度,这两个国家占了世界人口的几乎一半,他们在增长,在发展,但相对西方来说,他们的财富只是一小部分。中国和印度都面临非常严峻的内部问题,所以他们还有很长的路要走。我希望会有所改善。因此要把他们对世界的影响力与富裕国家相比较,没有任何意义。我希望他们能对世界产生良性的影响,他们也许能够。但是必须仔细观察。

Chomsky: Tsy dia mino loatra aho; sady tsy manantena ihany koa. Tena manantena marina tokoa ve ianareo ny hahita Shina iray manana toby miaramila 800 any ivelany, manani-bohitra ka manongana ny governemantan'ny hafa, na manao asa fampihorohoroana? Izany anie izao no ataon'i Amerika ankehitriny e. Heveriko fa tsy hisy izany, ary tsy hitranga ao Shina. Tsy maniry ny hitrangan'izany mihitsy aho. Efa nanova izao tontolo izao sahady anie i Shina e. i Shina sy India miaraka dia efa manome ny antsasaky ny mponina erantany. Misondrotra sy mivoatra izy ireo. Saingy raha tsorina ara-bakiteny, ny haren'izy ireo dia pitiny kely monja amin'ny haren'izao tontolo izao. Ireo firenena roa ireo dia mbola lavi-dàlna hizorana sy be olana anatiny tsy maintsy hatrehana, izay antenaiko fa ho voavaha miandalana ihany. Tsy dia misy antony loatra tokony hampitahàna ny dindon'izy ireo manerantany amin'ny ananan'ireo firenena manan-karena. Ny fanantenako dia ny mba hananan'izy ireo  dindo miabo eo amin'ny tontolo, saingy izany dia mila fanaraha-maso akaiky.

拿中国来说,你应该问问自己中国在世界的角色到底是什么。幸运的是,中国现在的角色不是侵略其它国家,巨大的军事开支等等,但中国确实在扮演着某种角色。中国在消费资源,这有积极的一面也有消极的一面。如果巴西向中国出口,巴西经济会从中受益,但另一方面巴西经济也受到损害。对巴西、秘鲁和其他一些资源生产国来说,发展问题之一是他们的经济主要依靠初级产品出口。这不是一种成功的发展模式。他们要改变经济模式,首先是解决巨大的内部问题。同时变成生产者,而不仅仅是为其他生产者出口初级产品。

Mila manontany tena i Shina ny amin'izay toerana iriany hotànana ao anatin'izao tontolo izao. Soa ihany, tsy misafidy hitazona anjara toeran'ny besandry i Shina ka hoe hametraka tetibola betsaka ho any ara-tafika , sns. Nefa manana anjara toerana tokony horaisiny i Shina. Mpanjifa ngezabe amin'ny resaka vokatra fanodina izy, ary misy ny lafiny tsara sy ny ratsy ao (be ny hendry sy ny gaigy ao). Ohatra, i Brezila dia hahita tombontsoa manokana raha manondrana entana mankany Shina. Amin'ny lafiny iray hafa koa, mety haràtra ihany koa ny toekareny. Ho an'ireo firenena manana otrikarena misavovona toa an'i Brezila sy Peroa, ny olana iray dia ny fiankinan-dohan-dry zareo amin'ny fanondranana ireo vokatra fototra, izay tsy dia tsara alain-tahaka loatra raha resaka fampandrosoana. Ho fanovàna ny fomba fampandrosoana any amin-dry zareo, ilain-dry zareo aloha ny hamahàny ny olana anatiny sy ny manova fomba fanao mba ho lasa mpamokatra, fa tsy hihanona fotsiny amin'ny fanondranana vokatra fototra mankany amina firenen-kafa mpanodina.

南方都市报:中国的成功是不是对西方民主的一种挑战?

SMD: Fanamby amin'ny demokrasian'ny Tandrefana ve ny fahombiazan'i Shina?

乔姆斯基:让我们做一个历史的比较。对英国的民主来说,美国的发展是威胁吗?美国是从奴隶社会发展起来的,是从灭绝土著人和奴隶制中发展起来的。这个模式适合其他国家吗?你希望中国学习这个模式吗?美国的确发展成为在很多方面领先的民主国家,但它的民主不是以这个模式发展出来的,这个模式任何一个理智的人都不会愿意学习。

‘Ndeha isika hanao fampitahana ara-tantara. Loza nananontanona ny demokrasia Britanika ve ny fisondrotan'i Etazonia? Etazonia dia naorina teo ambonin'ny fanaovana vono moka ireo indizena (tompon-tany) sy ny rafitra  fanandevozana. Mety ho an'ny firenena hafa ve izany lasitra izany? Tianao haka lesona sy hanaraka lasitra toy izany ve i Shina? Ekena fa nivoatra ka lasa firenena demokratika i Etazonia izay matanjaka amin'ny lafin-javatra maro, saingy ny demokrasiany dia tsy mivoatra manaraka izay lasitra izay,  izay tsy misy maniry haka tahaka azy rahateo raha mbola olona mahay mandinika.

中国在发展,但没有特别的理由证明中国的内部发展会对西方形成挑战。美国面临的挑战不是中国的发展,而是中国的独立性。这才是挑战。

Mivoatra i Shina, nefa kosa tsy misy azo ilazàna mihitsy fa hoe ny fivoarana anatiny ao dia miteraka horohoro ho an'ny Tandrefana. Ny fanamby amin'i Etazonia dia tsy ny fandrosoan'i Shina akory, fa ny fahaleovantenany. Izay no tena fanamby.

你能每天从报纸的头条看出来。现在美国外界政策的主要关注焦点是伊朗。2010年在外交政策界被称为“伊朗年”,伊朗被认为是美国外交政策的主要挑战,世界秩序的主要威胁。美国对伊朗实施了单边的、严厉的制裁政策,但中国没有这样做。中国遵守联合国的制裁,但联合国对伊朗的制裁轻到遵守与否无所谓,而中国没有遵从美国对伊朗的单边制裁。在我启程到中国来之前几天,美国国务院以一种非常有趣的方式对中国发出警告,他说中国要承担起国际责任,也就是要遵守美国的命令。这就是中国的国际责任。

Azonao lazaina avy amin'ireo lohateny lehibe an-gazety isan'andro fa ny ifantohan'ny politika ivelan'i Etazonia amin'izao fotoana dia i Iran. Ny taona 2010 dia nantsoina hoe Taonan'i Iran.’  Iran dia notondroina ho ny zava-mahatahotry ny politika ivelan'i Etazonia sy ny rafitra manerantany. Nametraka sazy henjana, tsy nifampierana i Etazonia, saingy tsy nanaraka izany i Shina. Tsy nanaraka velively ny fitarihan'i Etazonia i Shina. Ho solon'izay, nanohana ny sazy nomen'ny firenena mikambana izy, izay tena maivana tokoa raha mitàha amin'ny olana misy. Andro vitsy mialohan'ny handehanako ho aty dia nampitandrina an'i Shina i Etazonia, natao tamin'ny fomba tsara petraka tokoa. Io dia milaza fa i Shina dia tokony hitàna andraikitra iraisam-pirenena, i.e. manaraka ny baikon'ny Etazonia. Izany no andraikitra iraisam-pirenen'i Shina.

这是标准的帝国主义,其他国家有责任按照我们的要求行事。如果不这样做就是不负责任。我想中国外交部的人听了一定都笑了。但这就是帝国主义强权的标准逻辑。事实上,这也是伊朗为什么是威胁的原因,因为它不服从美国的命令。中国是个更大的威胁,因为如果一个大国不服从命令,麻烦就大了,这就是美国面临的挑战。

Izany no endriky ny imperialisma faran'izay tsotra, izany hoe ny firenena hafa dia tokony hanao araka izay angatahanay. Raha tsy izany, tsy tompon'andraikitra izy ireny. Heveriko fa toran'ny hehy ireo olona ambony tao amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny Shinoa raha mahare izany. Saingy izany no làlan-tsaina fototra izoran'ny imperialisma. Raha ny marina, Iran dia manjary fikorontanan-tsaina noho izy tsy manaraka ny toro-làlan'ny Etazonia. Horohoro lehibe i Shina, sahala amin'ny maha-olana goavana rehefa tsy manaiky hanaraka baiko ny firenena goavana iray. Io no fanamby tsy maintsy atrehan'ny Etazonia.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.