Pakistana: Manao hetsika ireo mponina amin'ny aterineto hanampiana ireo tra-boin'ny tondra-drano

Pakistan Floods Map

Sarin-tanin'ny Tondra-drano ao Pakistana . Sarin'ny Pejin'ny Fanampiana noho loza nateraky ny tondra-drano any Pakistana, nahazoana alalana avy amin'ny departemanta Amerikana

Goavana amin'ny sehatra rehetra ny velarana sy ny loza nateraky ny tondra-drano vao haingana teo tao Pakistana. Maherin'ny 1600 ny ain'olona vinavinaina ho nateraky ny tondra-drano ary eo ho eo amin'ny olona 20 tapitrisa , iray ampahafolon'ny vahoaka Pakistane no mijaly sy lasa tsy manan-trano fonenana. Faritra eo amin'ny 160,000 kilometatra tora-droa mahery – manodidina ny ampahadimin'ny tanin'i Pakistana rehetra – no difotra .

Tena mila maika tokoa sakafo, fialofana, fanafody, vola sy fanampiana hafa tsy misy hoatr'izany ireo tra-boina tamin'ny tondra-drano. Nolazaina fa miadana ny valin-tenin'ny governemanta Pakistane mikasika ny krizy.Tsy ampy foto-drafitr'asa, vola sy ireo fitaovana hafa ho enti-mihetsika ny governemanta ary voasembatsenban'ny asa birao ny National Disaster Management Authority(NDMA) – Rafitra Manampahefana Misahana ny Loza eo amin'ny Firenena.
Na izany aza, mampihetsi-po ny mahita ireo sarambabem-bahoaka, indrindra ireo tanora maro any Pakistana izay miroso mankany amin'ireo toerana voadona mba hanampy ireo tra-boina. Ary indrindra fa Pakistane marobe  mponina amin'ny aterineto no miroso eny aloha mba ho hita mivantana amin'ny alalan'ny bilaogy Twitter-ny, sary ary horonantsary ny asa ataon-dry zareo. Tena manamarika tokoa izany ary azo atao ho ohatra tsara ho an'ireo vondrom-piarahamonina hafa hoe hatraiza ny fahafahan’ ireo mponina amin'ny aterineto mandray anjara ao amin'ny fiarahamonina amin'ny fitantanana ny loza amin'ny fomba voarindra – izay matetika no manakona lavitra ireo ezaka ataon'ny fanjakana.

Reharehanay ny mampahafantatra fa mpanoratra maro ao amin'ny Global Voices Pakistan no mitety ireo faritra maro samihafa ao Pakistana hizara fanampiana . Ireo mpanoratra ao amin'ny Global Voices i Awab Alvi sy i Faisal Kapadia no mandrindra miaraka amin'ny ekipana mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Motorsports Club of Pakistan, OffroadPakistan sy SARelief  hitondra fanentanana amin'ny aterineto na tsia ho fanangonam-bola  ho fanampiana.

Roa andro mahery lasa izay, nafana ny fifanakalozan-kevitra teo amin'ireo ekipantsika  mpilatsaka an-tsitrapo  avy ao amin'ny Motorsports Club of Pakistan sy ny OffroadPakistan momba izay fomba tsara ho enti-miasa. Sahirana tamin'ny fanangonana vola teo an-toerana izahay ary nahatratra teo amin'ny tontalim-bola manakaiky ny 2.5 tapitrisa Rs ireo ezaka. Ny ezaka natao tamin'ny aterineto nataon'ny SARelief kosa nahazoana 2278 dolara izay avy amin'ireo mpanome malala-tanana vitsivitsy , arakaraky ny ipariahan'ny hafatra, inoako mihitsy fa hahazo fanangonam-bola betsaka hiantrehana ny faharavan'i Pakistana ity safidy mora amin'ny fandoavana PayPal ity, izay mifanakaiky amin'ny iray volan'ny ramadany. (Teeth Maestro)

Nandeha tany Sukkur any amin'ny faritr'i Sindh ireo ekipa niaraka tamin'ny fizarana fanampiana voalohany tamin'ny 14 sy 15 Aogositra. Mirakitra an-tsoratra ireo ezaka nataony izy ireo amin'ny fampiasana Twitter sy fanoroan-dàlana GPS :

kamiao 6 feno fanampiana mitentina mihoatra ny 2.4 tapitrisa Rs – kamiao 4 mitondra sakafo fototra mitentina 16,80,000, Rs , kamiao iray feno karazan-tsakafo mitambatra novidiana tao  Makro  ary mitentina 4,43,585 Rs, ary ny kamiao fahaenina feno tranolay sy tavoahangin-drano mitentina 6,75,000 Rs. Nitondra ihany koa izahay sakafo am-bifotsy 1-kg miisa 250 misy biryani tonga dia azo hanina avy hatrany izay nomen'ny namanay iray malala-tanana . Tsy nitondra fanafody izahay, nefa manantena fa hifantoka amin'ny fanampiana ara-medikaly aoriana kely . (Teeth Maestro)

Nalefa ao anaty kamiao ireo fanampiana . Sary nalain'i Dr. Awab Alvi avy amin'ny Twitpic

Mampakatra sary maro ajitana ireo ezaka amin'ny fanampiana ara-tsakafo any Sukku ihany koa i Dr. Awab Alvi. Fanampin'izany mandefa bitsika (tweets) eo noho eo momba ireo ezaka mankao amin'ny kaontiny Twitter izy sady misaotra ireo malala-tànana:

Namakivaky an'i Sindh sy ny Lemak'i Swat koa i Sana Saleem, mpanoratra iray hafa ao amin'ny Global Voices avy any karachi, no sady mpandrindra ny tetik'asa amin'ny fikambanan'ny tanora tsy mitady tombontsoa antsoina hoe “Future Leaders of Pakistan” (FLP) . Mizara ny traikefany i Sana ao amin'ny bilaogy Dawn Blog:

Nanomboka tamin'ny famaritana ireo faritra voakasika hanombohana ny fizarana ny andronay. Voafaritra ho i Sujawal any amin'ny distrikan'i Thatta no atao toby fototra amin'ny fizarana ny fanampiana. Raha ny hevitr'ireo Mpiasan'ny Distrika, mampiantrano fianakaviana nafindra monina avy ao anatiny ihany maherin'ny 27,500 i Sujawal. Miaina ao anaty fepetra ratsy, monina eny an-tsisin-dalana anaty tranolay vita avy amin'ny mololo fotsiny ny ankamaroan'ireo mponina ireo. Miharatsy ny fomba fiainana raha nandeha lavidavitra kokoa tao Sujawal izahay . Feno rano amin'ny faritra maro ireo làlana  ary voatery naka fialofana tany amin'ny toerana tsy misy herinaratra ireo fianakaviana. Mandady ireo bibilava, bibikely maro hafa ary ireo alika mirenireny ary miaina anaty loza mitatao amin'ny mety ho fanafihan'izy ireny ireo fianakaviana .

Hoy izy:

Ny ezaka toy izao dia midika fa mbola misy fanantenana ho an'i Pakistana. Raha manohy miady amin'izany sy mifanampy ny vahoaka amin'izao fotoana manjmbona izao, mihevitra ny tsirairay fa izao tontolo izao koa dia halala-tànana hanome izay foiny  hanampy ireo vahoaka antapitrisany voakasiky ny tondra-drano .

Vakio misimisy kokoa ao amin'ny kaontiny ao amin'ny The Observers sy ao amin'ny kaonty Twitter-ny.

Ireo tanora Pakstane manao hetsika – mandrafitra ny fizarana ireo fanampiana . Sary avy amin'i Ammar Yasir avy amin'ny Twitpic

Nampanaraka ny toetr'andro ireo kaontiny ny mpanoratra ao amin'ny Global Voices,  Farhan Janjua sy Ammar Yasir mikasika ireo ezaka amin'ny fanampiana miaraka amin'ireo fikambanana toy ny Pakistan Youth Alliance amin'ny alalan'ny Twitter.

Mpanoratra ao amin'ny Global Voices hafa i Salman Latif izay mizara horonantsary YouTube maro maneho ireo ezaka ho  fanampiana . Ao anatin'ity horonantsary ity no noraketina ny fandehan'ny fanampiana any Muzaffargarh sy Mehmood Kot.

Afaka manaraka ireo ezaka amin'ny fanampiana sy ireo vaovao mifandray amin'izany izay alefan'ireo mponina amin'ny aterineto ianao amin'ny alalan'ny tenifototra #pkflood sy ny #pkrelief ao amin'ny Twitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.