Iran: Fanoherana maneran-tany ny fitoraham-bato

Sakineh Ashtyanieh Mohammadi

Manana ny salovan-tavany any anatin'ny gazety iraisam-pirenena ankehitriny ireo nohelohina ho faty tamin'ny alalan'ny fitoraham-bato tao Iran, Sakineh Mohammadi Ashitiani, renim-pianakaviana iray 43 taona, niteraka roa, izay novonoina ho faty tamin'ny tora-bato tsy ela akory izay noho ny resaka fijangajangana.

Nampangain'ny fitsarana ho nanao firaisana ara-nofo tamina lehilahy roa izay namono ny vadiny izy.

Ny mpisolovava azy, Mohmmad Mostafai,  milaza fa ny antso avo natao erantany momba ny fanamelohana ho faty dia mety ho ampy hanavotana azy tamin'ny famonoana. Vao haingana dia nandositra an'i Iran i Mostafai ary monina any Norvezy ankehitriny, ka tany no namoahany ny raharaha  tany anatin'ny aterineto sy ny gazety iraisam-pirenena.

Indrisy fa tsy tranga naningana akory ny an'i  Sakineh any Iran. Raha ny ambaran'ny gazety an-tsoratra Frantsay, Le Figaro, mbola misy amin'izao fotoana izao  lehilahy sy vehivavy telo voaheloka hotoraham-bato any amin'ireo fonja Iraniana.

Ny Komity Erantany manohitra ny Fitoraham-bato dia namoaka lisitra lavabe misy ireo olona notoraham-bato tany Iran tato anatin'ny 30 taona farany.

Fanoherana erantany: Manomboka ao Aostralia ka hatrany Zeorzia

Vahoaka maro avy amina tanàn-dehibe maro eran'izao tontolo izao no nanohitra ny fanamelohana hotoraham-bato any Iran tamin'ny fiandohan'ny volana Aogositra. Tato anatin'ny herinandro vitsivitsy dia fikambanana maro no nanao hetsika eran'izao tontolo izao ho fanoherana ny fanamelohana ho faty an'i  Sakineh.

Ireo vehivavy tany Zeorzia dia nanomana hetsika maro hanehoan-dry zareo ny hatezerany sy ny rikorikony ary ho fanohanany an'i Sakineh.

Fanoherana ny fitoraham-bato nanerana izao tontolo izao aseho an-tsary

Ilay Iraniana mpitoraka  blaogy, Talelesiyasat, manoratra [fa]:

Rehefa any ivelan'i Iran ka mankalaza ny Silamo ho toy ny fivavahana feno fitiavana sy hatsaràm-panahy, tonga dia manontany ahy ireo vahiny mikasika ny fitoraham-bato sy ny kapoka karavasy ary tena mahamenatra mafy ahy tokoa izany. Te-hiteny aho hoe tsy azontsika atao ny hiresaka momba ny soatoavina silamo sy ny maha-olombelona sady hanameloka ny olona mba hotoraham-bato… Tena zavatra roa mifanipaka ho an'ny [fanjakana] ny famoahana didy fanamelohana ho faty ao anatin'ny firenena sy manao dokadoka any ivelany momba ny hatsaràm-panahin-dry zareo any ivelan'i Iran…

Sahargahan izay namoaka ny sary ery ambony, dia nifidy ny “Fitoraham-bato na ilay heloka bevava masina” ho lohatenin'ny lahatsorany. Ilay mpitoraka blaogy, izay manohitra ny mety ho endri-panamelohana ho faty rehetra, dia miteny fa ny fitoraham-bato no faran'izay ratsy indrindra.

Ny fitoraham-bato no heloka bevava faran'izay mahamenatra indrindra nataon'ny olombelona hatramin'ny nisiany teto ambonin'ny tany.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.