Maraoka : Ireo fandaharam-potoan'ny Ramadany

Mizara ireo eritreritreriny, ireo fandinihany…. eny na dia ireo fomba fahandroan-tsakafo aza ireo Maraokana amin'izao fanombohan'ny volan'ny Ramadany izao. Manana ilay tantara i Jillian York .
Any Maraoka, sy toy ny ao amin'ny “tontolon'ny Silamo” rehetra, nanomboka ny Ramadany , ary niaraka tamin'izay, manoratra mikasika ireo traikefany koa ireo mpitoraka bilaogy. Ho an'ireo izay rehetra voakasik'izany miaraka amin'i Maraoka, ary na mifady hanina izy ireo na tsia , na vahiny mipetraka eo amin'ny firenena aza izy ireo, na ireo Maraokana any ampitan-dranomasina koa, na hoe olona tsara vintana kokoa fotsiny izy ka voaasa amin'ny lftour–Fotoana milamina natao ho an'ny fandinihana sy ny fiaraha-monina ny Ramadany .

Mirary Ramadany soa ho an'ireo mpamakiny ny View From Fez, izay manome torolalana mikasika ny Ramadany any Maraoka ho an'ireo vahiny, miaraka amin'ity sary ity :

Mizara ny vaovao ihany koa ny bilaogy fa moske maro eto amin'ny firenena no akatona vetivety noho ny fanamboarana (tamin'ny herintaona, tilikambona moske iray no nianjera, roambinifolo teo ho eo no maty ), indrisy anefa fa nifanindry tamin'ny volana masina izany :

Amin'izao fotoana izao, efa vita ny fanadihadiana ary hanomboka ny asa. Efa nolazaina fa hanakatona moske miisa 1256 izay hita ho “atahorana hirodana” ny governemanta .

Nilaza ny minisitry ny raharaham-pinoana fa moske miisa 500 mahery no tokony harodana tanteraka ary manangana vaovao indray. Hanoloana vonjy maika izany, tranolay lafovidy maro no omena ireo mpivavaka .

Nilaza ny minisitera fa nijery ireo moske 19,000 mahery amin'ireo moske 48,000 eo ho eo manerana ny firenena izy. Vola mitentina 325 tapitrisa dolara amerikana no natokana amin'ny asa fanatsarana, anisan'izany ny fanapotehana sy ny fananganana vaovao an'ireo moske miisa 513 .

Mahita ity traikefan'ny Ramadany ity ho fandrahonana, matetika , ireo vahiny mipetraka any Maraoka . Ho an'ny mpitoraka bilaogin'ny Peace Corps iray , izay nanoratra ao amin'ny From the Cold Land with the Hot Sun, mitondra mankany amin'ny fitiavana vaovao ny Silamo ny traikefa . Manoratra ny mpitoraka bilaogy iray :

Manatontosa karazana Ramadany maivamaivana aho ; na dia tsy misakafo aza aho mandritra ny ora maro ao anatin'ny andro iray, manohy misotro rano miafina kosa ao an-tranoko . Hadalana hafa tanteraka mihitsy ny tsy fanaovana izany. Tena mety tsy hampahazo aina mihitsy ny mandeha mandritra ny adin'ny roambinifolo nefa tsy misakafo na ny mitovy amin'izany, nefa fijaliana misimisy kokoa ny mandeha tsy misotro rano, ary tena fitsapana marina amin'ny faharetana. Tsy hoe mety ho fantatry ny olona mijery manodidina akory izany. Toy ny tamin'ireo Ramadany roa teo aloha, nanandrana aho tamin'ity indray mitoraka ity, tena menatra tanteraka amin'ny ataon'ireo Maraokana izay manohy miasa toy ny mahazatra aho, izay matetika eo ambanin'ny masoandro be lohataona mandoro, ary indrindra ireo vehivavy izay mandany ny androny manodidina ireo toeram-pizahan-tany sy manodidina ireo fofon-tsakafo hariva satria izy ireo no miantoka ny asa maharitra mandritra ny andro amin'ny fanomanana izany .

Mizara ity sary ahitana ny harira-ny ity i Sarah Alaoui ao amin'ny Musings Diffused, lasopy tsiasia nentim-paharazana ohanina any Maraoka amin'ny maraina :

harira namboarina tao an-trano, nahazo alalana avy amin'i Sarah Alaoui

Mikasika ny Ramadany, manoratra i Alaoui :

Amin'ity fotoana manokana ao anatin'ity taona ity indray — ka ahatsapana ny filaminana vetivety ary mandrakotra ny zavatra rehetra ny rivotr'iainana milamindamina tampoka … Ramadany .

Izay aho vao nanao lasopy tsiasisa Maraokana voalohany — matsiro dia matsiro ary ataoko hoe andrana nahomby iny na dia teo aza ny ratra lalina teo amin'ny fanondroko avy amin'ny vy fotsy nisy ny tsiasisa. Toy izany koa ny “harsha” vita Maraokana, mofo somary masira mikarepoka vita avy amin'ny kobam-bary. Matsiro miaraka amin'ny “brie” sy kaofintiora voaroy hazo .

Ho an'ireo izay mankalaza izany, mirary anareo hanao Ramadany soa ny tenako. Ho an'ireo tsy Silamo, mampirisika anareo hanatrika ny iftar any an-tranon'ny Silamo aho–fisakafoanana aorian'ny filentehan'ny masoandro ny iftar. Traikefa mahafinaritra izany 🙂 Tia mahandro sakafo ho an'ireo namako aho mandritra ity volana ity .

Ho an'ireo izay tsy manam-potoana hanatrehana ny iftar , manolotra fomba fahandroan-tsakafo Maraokana ny Iftar Islamika :

Mikarakara ny fomba fahandroana iftar avy any Maraoka isika androany. Efa malaza sady mora ny manao ny sakafo vita ao an-trano any Maraoka mandritra ny Ramadany. Foto-tsakafo avy amin'ny varim-bazaha voatoto na voan'ny millet voatoto ny kosikosy .

Fantatra amin'ireo sakafo kosikosy matsiro sy mampirarak'ivy i Maraoka ary iray amin'ireo fomba fahandroan-tsakafo ankafizin'i Maraoka izy. Tena faran'izay matsiro sady tena mety indrindra ho an'ny sakafo mampilendalenda haingana , iray amin'ireo fomba fanao amin'ny fanamboarana ity hani-matsiro Maraokana ity ihany io .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.