Bangladesh: Mizara ireo heviny momba ireo orinasa Grameen ireo mpitsidika

grameen bank head office

Foiben'i ny Banky Grameenany Dhaka. Sarin'ilay mpampiasa FlickrRainer Ebert. CC BY-SA

Hatramin'ny niasàny voalohany tamin'ny 1976 amin'ny maha-tetik'asa fikarohana any ambanivohitr'i Bangladesh, ny banky Grameen dia nandia làlan-tsarotra sy lava vao tonga amin'ny misy azy amin'izao fotoana izao, orinasa madinika mpamatsy vola sy banky fampandrosoana vondrom-piaraha-monina miara-miasa amina orinasa any amina firenena maro maneran-tany. Maherin'ny telopolo taona taty aoriana sady nampahavitrihan'ireo loka samihafa anisan'izany ny Loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana (niaraka tamin'ny mpanangana azy, Dr. Muhammad Yunus tamin'ny 2006), nivoatra ho fiarahana fifandaminana ara-tsosialy izy.

Isan-taona dia maro ireo mpilatsaka an-tsitrapo sy mafana fo avy amin'izao tontolo izao tonga mitsidika ireo orinasa Grameen mba handinika ny fomba fiasan'izy ireo ary hanangona fahaizana eo am-pikatrohana. Amin'ity fahavaratra ity, mpianatra valo sy mpikambana ao amin'ny sampana mianatra ny Fifehezana ny Fitantanam-panjakana (MPA) ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Kentuky Avaratra (NKU) any Kentucky any Etazonia no mamarana fiofanana any Bangladesh ao amin'ny Banky Grameen. Nanao fitsidihana maro tany izy ireo ary mandrakitra ireo zava-niainany any amin'ny blaoginy tsirairay avy amin'ny alalan'ireo lahatsoratra, sary ary horonantsary.

Beth, mpiandraikitra ny lamin'asa MPA dia mizara ireo zava-niainany ao amin'ny blaoginy “They're taking me to Bangladesh” [Entin-dry zareo any Bangladesh aho]. Sarotra ho azy ny nizatra tamin'ny rafitra fototra ambanivohitra nandritra ny fitsidihanay tany an-toerana ary nilaza izy:

Samihafa be amin'ny an-tanàn-dehibe ny mipetraka amin'ireo tanàna kely aty amin'ny firenena. Maitso kokoa izany. Madio kokoa ny rivotra ary mangina lavitra aty.

Maromaro ihany koa ireo mpianatra no manoratra blaogy momba ireo zava-niainany. Mike dia mamoaka horonantsary sasany ao amin'ny blaoginy ‘Wait… this is how many miles away?!?!?!!’ [Andraso kely…firy kilometatra miala any ity?!?!?!!]

Ity horonantsary ity dia ahitàna ny fitsidihana voalohany nataon'ny ekipan'ny NKU tany Dhamrai, ny toby nihaonana, sns.:

Sahisahy i Brandi nitady ny hahafantatra bebe kokoa momba an'i Bangladesh ary afaka nanatrika fanambadiana Bangladeshi izy. Nampangitakitaka azy ny fitsidihany tany Grameen Shikhka (Fampianarana Grameen) ary manoratra ny zava-niainany izy ao amin'ny lahatsoratra roa  “Tsy hohadinoko mihitsy ny nahatohina ny foko” sy ny “Grameen etsy sy eroa, Grameen na aiza na aiza”.

Tim dia mamelabelatra momba ny Grameen Shikkha sy ny fomba ianaran'ireo ankizy na dia eo aza ny tsy maintsy iasàn'izy ireo hivelomany:

Omaly sy androany izahay nitsidika toeram-pianarana antsoina hoe Grameen Shikkha, sady lamin'asa fampianarana tsy ofisialy ho an'ireo ankizy mahantra no tetik'asan'ny Grameen mikendry ny hanome fampianarana fototra (Teny Anglisy, Bangla, kajy, siansa ara-sosialy sy ara-tontolo iainana) amin'izay rehefa miha-lehibe izy ireny dia bebe kokoa ny fahafahany mahazo asa. Ny olana dia raha tsy misy ity lamin'asa ity dia tsy ho afaka hianatra mihitsy ireny ankizy ireny. […]

Manomboka amin'ny 2ora ka hatramin'ny 5ora hariva ny fianarana. Ivelan'ireo ora ireo, miasa daholo ireny ankizy ireny. Ny ankamaroan'izy ireo mifoha maraina mandeha miasa (manodidina ny amin'ny 6ora maraina) na inona na inona asan'ny fianakaviany – matetika mpanjaitra – ao amin'ity tanàna ity. Rehefa avy mianatra dia miverina miasa indray izy ireo hatramin'ny 10 ora alina raha aloha indrindra. Miasa izy ireo satria ilain'ny fianakaviana, toy ireo mahantra rehetra, mba mahazo vola na dia kely aza (manodidina ny $4 – $11 isan'andro, miankina amin'ny vidin'entana notenenin'ireo ankizy ireo taminay) ary mba hanampy. [..]

Miasa andro enina isan-kerinandro ireo ankizy ireo ao amin'izany fandaharam-potoana izany. Tsy hitaraina amin'ny fahabetsahan'ny asako intsony aho… azonao eritreretina ve izany hoe ankizy ianao nefa tsy manam-potoana hilalaovana?

Grameen Shakti, rafitra herinaratra azo avy amin'ny masoandro any ambanivohitr'i Bangladesh. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Marufish. CC BY-SA

Lynne dia manoratra momba ireo zava-niainany ao amina lahatsoratra toy ny Fanjonoana Grameen, Danone ary ny Fitsaboana Maso sy Ny fahantràna dia fahantràna ary ny Tsiky dia Tsiky. Faly fatratra tamin'nyfandraisan'ireo Bangladeshi izy.

Tori Ames dia namoaka sary maro tao amin'ireo lahatsorany, ohatra ny momba ny Fanjonoana Grameen sy ny Asa ara-sosialy, ireo ankizin'ny sisin-dàlana ary ny sekolim-panjakana fanabeazana fototra. Manoratra izy:

Tena tiako Bangladesh sy ny hatsaràny. Azoko antoka fa takatrao amin'ny alalan'ireo lahatsoratro izany.

Brandi dia manoratra ao amin'ny lahatsorany farany:

androany no andro farany any Bangladesh ary tsy mino aho hoe hifarana ny dia. Nahafinaritra ny fotoana nandinihako ny Banky Grameen sy ny firenena manontolo. Halahelo zavatra maro aho momba ity firenena ity ary manantena fa ampy izay nosoratako, ireo sary nalaiko, ary izay nataoko ho fahatsiarovana mba tsy hanadinoako ireo zavatra tiako taty.

Vakio ireo blaogin'ireo mpianatry ny NKU raha te-hahafantatra bebe kokoa momba ny Banky Grameen any Bangladesh ianao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.