Tondra-drano nandrava tany Pakistan

Tondra-drano tany Pakistan, 02 aogositra 2010. Sary tamin'ny Flickr nampiasa Globovisión. CC BY-NC

Tsy nitondra fitahiana ho an'i Pakistan tamin'ity taona ity ny Rivotra mousson. Raha noheverina ho fotoam-pankalazana sy fifaliana amin'ny firotsahan'ny orana izany hatramin'izay, ny zava-niseho kosa izay nisian'ny tondra-drano mahatsiravina dia izay tsy nandrasan'ny Pakistaney velively.

Namely vao haingana ny rivotra mousson nifofofofo tamin'ny volana lasa ary ny tany Balochistan no anankiray tamin'ireo lasibatra. Efa mihoatra ny 100 amin'izao fotoana izao araka ny fanisana no tavela tamin'izany, “olona marobe no zary tsy manan-kialofana taorian'ny naharava ny trano fonenany vokatry ny orambe izay namely ny ampahany maro tamin'i Baluchistan, ao anatin'izany i Sibi, Dera Bugti ary Barkhan” araka ny voalazan'i Dawn.

Ankoatra izany ihany koa, vao haingana dia nitroatra ihany koa ny reniranon'i Swat sy Kabul ao Khyber Pakhtunkhwa . Namotika zavatra maro ny tondra-drano tao an-drenivohitry ny faritra Pershawar sy ny lemaka Swat, faritra izay niezaka namerina tamin'ny laoniny ny fiainan'ny mponina taorian'ny faharavana nihatra taminy nandritra ny ady namongorana ny Taliban tamin'ny taon-dasa. Voalaza mikasika an'i Nowshera, faritra lehibe iray ao amin'ny lemaka mahafinaritr'i Swat, mpanao gazety iray ao amin'ny Express Tribune no nilaza fa iny tondra-drano iny dia namotika trano 10 000 tao Nowshera Kala ary mponina maherin'ny 5 000 no nifindra monina tany amin'ireo tanàna sy faritra manodidina.

Sary avy amin'ny zanabolana tao amin'ny Flickr nampiasa ny DigitalGlob-Imagery, nahazoana alalana tamin'ny Creative Commons BY-NC-ND
Pir Sabdaq tamin'ny 17 aprily 2007
Pir Sabdaq tamin'ny 02 aogositra 2010

Araka ny vaovao farany, olona 1, 5 tapitrisa no tra-boina vokatry ny tondra-drano ratsy indrindra tato anatin'ny 80 taona. Tafakatra hatramin'ny 1 100 ny isan'ny maty ary marobe no tsy nahazo vonjy sy fanampiana, ketoky ny rano ny faritra misy azy. Ny ratsy indrindra dia ny tsy fahampian'ny fanafody  ho an'izay. Ny tena vetivety ny fiharatsiana dia ireo izay tratran'ny valan'aretina toy ny kôlera sy ny aretin-kibo. Andiana mpiasan'ny fahasalamana no nalefa tamin'ny helikoptera any amin'ny faritra mitoka-monina sy ny faritra sasany any Swat.

Henika ny resaka ity tondra-drano ity ny tontolon'ny bilaogy pakistaney. Tsy vitan'ny hoe maneho fiarahana sy fanehoana alahelo manoloana ireo niharam-boina fotsiny ireo mpitoraka bilaogy fa mitaky mivantana koa izay vahaolana avy amin'ny fanjakana. Aleon'ny fampahalalam-baovao miresaka ilay fianjeran'ny fiaramanidina tany Islamabad toy izay hiresaka ny rano be, izay tranga nokianin'i Ahsan Butt ao amin'ny bilaoginy:

“Hitako ny fihetseham-po vokatry ny fianjeran'ny fiaramanidina omaly raha oharina amin'ny tondra-drano. Vantany vao nianjera ilay fiaramanidina, dia nahoraka be eran'ny fampahalalam-baovao rehetra sy ny gazety ilay vaovao. Kanefa tena loza be noho iny koa ny tondra-drano, raha jerena, mitovy amin'ny fiaramanidina nianjera ihany. Satria olona maro no maty, ary nisy koa fahasimbana fananana sy fahasimbana fambolena ary zavatra hafa koa. Kanefa izao no nisy. Tsy nitovy ny fanehoana fihetseham-po teo amin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao sy ny tontolon'ny bilaogy ary ny twitter.”

Mitanisa ireo loharanom-baovao koa izy izay milaza ny fomba fijeriny fa ny saranga samihafa teo amin'ireo niharam-boina tamin'ireto loza roa ireto dia nintraika eny amin'ny pejy voalohan'ny fampahalalam-baovao:

“Raha jerena ny pejy manokan'ny soratra, dia azoko antoka fa miteny ny saranga eto. Ireo karazan'olona izay nifidy ny ho faty tamin'ny fianjeran'ny Air Blue, eo amin'ny resaka sosialy sy ekonomika, dia tsy mitovy amin'ny olona namoy ny fianakaviany tamin'ny tondra-drano. Azafady raha miteny izany aho satria izay no marina, ary na iza na iza no hilaza zavatra tsy mitovy amin'izay dia ho mampahonena ihany”.”

Etsy ankilany, miantefa kokoa amin'ny alalan'ny hafatra amin'ny alalan'ny facebook, bilaogy ary twitter, ireo mirona kokoa amin'ny asa famonjena tamin'ny tondra-drano. Ohatra amin'izany ny  ‘Flood Relief’ pejy ao amin'ny bilaogy Secular Pakistan sy ny “Links to send donations, relief good” [rohy handefasana ny fanomezana, sy kojakoja ilaina] an'i Beena Sarwar. LUBP (Let us Build Pakistan), bilaogy pakistanais hafa koa, izay nanao dingana avy hatrany ka nanangona vola ary nandefa izany tany amin'ireo faritra voakasika.

Amin'ny ankapobeny, ny valintenin'ny tontolon'ny bilaogy pakistaney mikasika ny tondra-drano dia somary malefaka ihany. Ny antony dia satria na dia ao aza ireo mandray andraikitra amin'ireo mpitoraka bilaogy, ny ankamaroany kosa dia tsy mahafoy andalana vitsivitsy hanoratana mikasika izany. Izany angamba dia noho ny hoe tsy mipetraka any amin'ny toerana misy tondra-drano ny ankamaroan'ny mpitoraka bilaogy pakistaney sady lavitra ireo niharam-boina. Raha tarafina amin'izany ny maha voakasika ny mpitoraka bilaogy, dia tokony hiverenana jerena ny maha mpitoraka bilaogy antsika, raha te hanavotra ny maha izay antsika isika manoloana ny asa fanaovan-gazety izay tsy mamoaka afa-tsy ny vaovao hahazoana vola ihany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.