Roanda: Fisavoritahana mialoha ny Fifidianana Filoham-pirenena, afa-tsy ho an'i Kagame

Tamin'ny 20 Jolay, nanomboka tamin'ny fomba ofisialy ny fampielezan-keviny ho amin'ny fotoam-piasana hafa indray ao amin'ny biraony ny Filohan'ny Roanda amperin'asa,  Paul Kagame. Mifarana amin'ny faha 9-n'ny volana Aogositra ny fampielezan-kevitra rehefa voalahatra fa havoaka amin'ny fomba ofisialy ireo valim-pifidianana. Miezaka ny handresy amina isa mazava [fr] toy ny tamin'ny taona 2003 i Kagame rehefa nandresy tamin'ny hazakazany ho filoham-pirenena tamin'ny 95%-n'ny vato voasoratra izy .

Telo fotsiny ireo mpifaninana mifanandrina amin'ny mpitarika ny Mandatehezan'ny tia tanindrazana Roande, minisitra roa teo aloha ary senatera iray izay nanohana azy nandritra ireo fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2003 : i Jean-Damascene Ntawukuriryayo, avy amin'ny Antoko Sosialy Demokraty, i Prosper Higiro avy amin'ny antoko Liberaly ary i Alvera Mukabaramba avy amin'ny antoko Fivoarana sy Fandriampahalemana. Fa aiza ny tena antoko mpanohitra marina e ?

Miezaka ny manome valinteny i Sonia LG avy ao amin'ny blaogy Good Morning Afrika [fr] :

Chasse aux opposants :
-Le parti démocratique vert, lancé en août 2009, par des transfuges du Front patriotique rwandais (FPR), actuellement au pouvoir : qui n'a pas été agréé par les autorités et dont le premier vice-président André Kagwa Rwisereka a été assassiné la semaine dernière.
– Le parti social : Bernard Ntaganda son membre fondateur a été exclu du parti et arrêté le 24 juin et placé sous contrôle judiciaire (accusé de “terrorisme” et d'”incitation génocidaire”.
– Les Forces démocratiques unifiées dont la présidente Victoire Ingabire a aussi été inculpée et placée sous contrôle judiciaire pour “propagation d'idéologie génocidaire”.

Fanenjehana tsy an-kiato ireo antoko mpanohitra :

- Ny antoko politika Maitso: niforona tamin'ny Aogositra 2009 , avy amin'ireo olona tao amin'ny antoko politika Mandatehezan'ny tia tanindrazana roande (FPR), izay eo amin'ny fitondrana amin'izao fotoana izao . Tsy neken'ireo manam-pahefana ity antoko politika ity ary nisy namono tamin'ny herinandro lasa ny filoha lefiny voalohany André Kagwa Rwisereka.

- Ny antoko politika Sosialy Imberakuri [fr]: Noesorina tao amin'ny antoko politika nisy azy ny mpamorona  Bernard Ntaganda ary nosamborina tamin'ny 24 jona ary mipetraka ho eo ambany fanaraha-mason'ny fitsarana izy ankehitriny (voapanga ho manao “fampihorohoroana ” sy “fitarihana fifamonoan'olona “)

- Ny Hery demokratika mitambatra : nomelohina ihany koa ny filohany i Victoire Ingabire ary napetraka ho eo ambany ny fanaraha-mason'ny fitsarana noho ny “fampielezana foto-kevitra ho fifamonoan'olona “.

Nanantitrantitra ny fahasarotana izay atrehan'ireo antoko mpanohitra talohan'ireo fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2010 i Kris Berwouts, lehiben'ny tambajotra-na ONG Eoropeana ho amin'ny fiarovana ny Afrika Afovoany EurAc

Nous avons vu comment les partis d’opposition, qui se préparaient pour la campagne électorale, ont été écartés et comment l’espace politique s’est verrouillé à travers :

  • le monopole du régime sur les médias, lesquels ont diabolisé de façon permanente les partis d’opposition et leurs leaders ;
  • l’intimidation verbale et physique des partis d’opposition, de leurs leaders, de leurs cadres et militants ;
  • la création d’un cadre légal qui permet au régime d’entamer en peu de temps une démarche juridique contre laquelle l’opposition peut difficilement se défendre (fondée sur les accusations de diffusion de l’idéologie génocidaire et du divisionnisme, notions très larges et volontairement peu précisées dans la loi). Ce cadre paralyse les leaders de l’opposition dans leurs activités quotidiennes et est utilisé pour les empêcher d’exercer leurs droits politiques ;
  • une politique administrative qui vise à empêcher l’opposition de se faire enregistrer, de s’implanter, d’organiser des réunions ou de se faire connaître auprès du grand public ;
  • l’infiltration des partis d’opposition pour les déstabiliser de l’intérieur.

Nahita maso ireo fomba fanilihana ireo antoko mpanohitra izahay raha mbola niomana amin'ireo fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana izy ireo ary ny fomba nanidiana ny sehatra ara-politika tsy hoazy ireo noho ny fampiasana ireto fepetra maro manaraka ireto :

  • ampihimamban'ny mpitondra amin'ny haino aman-jery,izay nanaratsy hatrany hatrany ireo antoko politika mpanohitra, sy ireo mpitondra azy ;
  • ny fandrahonana am-bava sy an-kerisetra atao an'ireo antoko politika mpanohitra, ireo mpitondra azy, sy ireo olona ambony ao aminy sy ireo mpanara-dia;
  • ny famoronana fitsipi-dalàna izay manome alàlana ny mpitondra  hanomboka ao anatin'ny fotoana fohy, ny dingana ara-tribonaly izay sarotra ho an'ireo antoko politika mpanohitra ny hiaro tena ( naorina tamin'ireo fiampangana ny fanaparitahana ny foto-kevitra fifamonoan'olona sy ny fampisaratsarahana, ireo famaritana malalaka sy nianiana ho tsy voafaritra mazava ao anatin'ny lalàna ).Mahatonga ireo mpitondra mpanohitra ny tsy ho afaka hihetsika amin'ny asany andavanandro ity fitsipika ity, ary nampiasaina tsy hahafahan'izy ireo  mampihatra tanteraka ireo zony ara-politika ;
  • politika ara-pitantanana izay mikendry ny hanakanana ny mpanohitra tsy hisoratra anarana, tsy hanana anjara toerana, tsy  hikarakara ireo fihaonana na mba ho fantatry ny vahoaka ;
  • ny fidirana ao anatin'ireo antoko mpanohitra mba hanakorontanana azy ireo avy ao anatiny .

Notratrarina tao anatin'ireo fihenjanana mialohan'ny fifidianana ireo mpiasa ambony sy ireo olona nitokian'i Kagame teo aloha. Raha ny tena marina, novonoina teo anoloan'ny tranony ny 19 Jona taorian'ny nanehoany ireo heloka henjana mikasika kolikoly ao amin'ny governemantan'i Kagame ny Jeneraly Nyamwasa, izay natao sesitany tany Johannesburg, Afrika Atsimo nanomboka tamin'ny volana Febroary 2010 . Tamin'ny volana Aprily, Jeneraly roa hafa , Emmanuel Karenzi Karake sy i Charles Muhire no nahantona sy nosamborina [fr], iry voalohany noho ny fitondrantena tsy mendrika ary ny faharoa noho ny kolikoly. Samy nohampangaina ho meloka amin'ny fampihorohoroana izy ireo ary natao haingana taorian'izay ny fanamboarana indray ny fibaikoana ny tafika .

Farany, iharan'ny tsindry hazo lena ihany koa ny haino aman-jery. Tamin'ny Aprily 2010, ,naato nandritry ny enim-bolana [fr] ny gazety roa, i Umuseso sy i Umuvuguzi, izany dia nataon'ireo manam-pahefana Roande, ary nampangaina noho ny “fanalam-baraka sy ny fitsabahana amin'ny fiainana manokana ”. Tamin'ny 24 Jona, maty nisy namono ny lehiben'ny fanoratana ny gazety Umuvuguzi, i Jean-Leonard Rubambage, ny andro taorian'ny nanehoany ny lahatsoratra miampanga ireo sampan-draharaha miafina Roande ho atidoha niketrika ny famonoana ny Jeneraly Nyamwasa [fr]. Araky ny hevitry ny polisy, mety ho valifatin'ny iray amin'ireo havany izay mety ho novonoin'ny Ruganbage no nanainga ny mpamono . Ity no famonoana mpanao gazety voalohany hatramin'ny taona 1998. Andro vitsy taty aoriana, tamin'ny 8 Jolay , nogadraina i Agnès Uwimana Nkusi, mpanoratra ao amin'ny gazety Uurabyo, heloka noho ny fanaovana sekta, fanavakavahana, famonoana olona ary fitarihana olona hifankahala. Efa nandany taona iray tany am-ponja noho ireo zavatra mitovy amin'izany izy nanomboka tamin'ny Janoary 2007 hatramin'ny Janoary 2008.

Amin'ny fanaratsiana ireo zo gototry ny sivily, izay mampitombo isa ireo fanagadrana mampiahiahy sy ireo famonoana tsy famela heloka natao an'ireo mpitarika politika sy ireo mpanao gazety, nanokatra indray ny olatra napetraky ny fotoana faran'izay ratsy indrindra tamin'ny tantaran'i Roanda i Kagame,  ilay lehilahin'ny fampihavanana  izay nandamina ny savorovoro politika sy ara-tsosialy taorian'ny vono olona tamin'ny taona 1994. Betsaka ny raharaham-pitsarana natrehin'ny Tribonaly Iraisampirenena momba ny Heloka Bevava tao Roanda momba ny vono olona hatramin'ny 1994. Nahazo fanohanana matanjaka avy amin'ny aterineto ny filoha izay zatra nametraka ny foto-kevitra fifamonoan'olona mba hanamarinana ireo fanagadràna tato ho ato . Mety ho avy maro ireo mpanohana azy hanatrika ny fandreseny tsy ampoizina amin'ny 9 Aogositra. Hametraka indray ny gigehezany manerana an'i Roanda indray izany i Kagame . Ny fanontaniana mipetraka dia hoe, ho amin'ny tsara ve izany sa ho amin'ny ratsy ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.