Ginea: Eo am-piandrasana ny fihodinana faharoa amin'ireo fifidianana lazaina ho feno hosoka

An-dàlana ny fifidianana ho filoham-pirenena hanan-tantara any Ginea raha efa akaiky hivoaka amin'ny fomba ofisialy ireo valim-pifidianana ofisialin'ny fihodinana voalohany . Nalamina ho amin'ny 1 Aogositra ny fihodinana faharoa [fr] noho ny fandinihana ireo lazaina ho hosoka ka nanisahana ny datin'ny 18 Jolay efa voalamina tany amboalohany. Toa milaza ny isam-bato tsy ofisialy tamin'ny fihodinana voalohany fa nànana vintana tsara hirosoana amin'ny fifidianana faharoa i Cellou Dalein Diallo sy i Alpha Condé .

Na dia eo aza ireo fametrahana ahiahy maro mikasika ny fisiana hosoka eny an-tsefantsefany eny, ny fihetseham-po taratra amin'ny ankapobeny dia ny fahamaivanana sy ny fahafaham-po fa vita tsy nisy savorovoro ihany nony farany ny fanisam-bato, sy ny tahan'ny fandraisan'anjaran'ireo mpifidy marobe [fr]. Niakatra betsaka ihany koa ny fifanazavan-kevitra tany anaty aterineto mikasika ireo fifidianana. Ireo mpitoraka bilaogy dia nampiseho lohahevitra maro  avy amin'ireo fiahiahiana ho nisy hosoka izay nitranga , ireo fandrindran-javatra tam-pilaminana sy ny resaka ara-pirazanana mety nibaiko ny safidin'ny maro tamin'ireo mpifidy.

Nilaza ihany koa ireo manam-pahefana omaly fa namono an-karanany  firaisana tsikombakomba   hanozongozona ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana izy ireo  (loharano: Vaovaon'ny VOA sy BBC Afrique [fr] ).

Noresahana lavabe  ihany tamin'ny farany tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Gineana ny hosoka, eny fa na dia ny talohan'ny fifidianana fihodinana voalohany aza . Nandefa ny vina ho lisi-pifidianana i Guinee58 izay natao ho an'ireo mpifidy tamin'ny fihodinana voalohany [fr]:

Vaton'i Ginea

Manome ny manodidina ireo fiahiahiana mikasika ny hosoka sy ireo sasany efa voamarina i Laura Hirahara ao amin'ny Impunity watch:

Nizotra tsara tsy nisy korontana ny fihodinana voalohany tamin'ny fifidianana tamin'ny 27 Jolay, izay nahitàna ny 77 isan-jaton'ny mpifidy Gineana voasoratra anarana tonga nandray anjara. Na izany aza, hatramin'ny nilazàn'ny Fitsarana antampony ao Ginea ny valim-pifidianana, maro tamin'ireo kandidà 24 izay tsy tafita tamin'izany fanisàna izany no nanao fitarainana tamin'ny fomba ofisialy mikasika hosoka tamin'ny fifidianana. Nanamafy “ny fisian'ny hosoka maro” ny komitim-pifidianana misahana ny fanadihadiana ny tsy fanarahan-dalàna amin'ny fifidianana, fanampin'ireo fitarainana efa nisy nametraka.

Notaterina tamin'ny aterineto ireo antsipirian'ireo hosoka tamin'ireo tanàna vitsivitsy any Avaratr'i Ginea . Nisy nanao ireto filazàna ahiahy manaraka ireto [fr] tany Faranah sy tany de Siguiri:

A Faranah, le chef du quartier a été surpris en train de voter au Bureau N° 346, avec 75 (Soixante quinze) cartes d’électeurs subtilisées. Ensuite, dans la Commune urbaine de Siguiri, la commission administrative de centralisation des votes n’a pu dépouiller que 2 Bureaux sur 71. Le reste des résultats sont arrivés dans la salle, sans enveloppes sécurisées.

Tany Faranah, tratra  nifidy tao amin'ny birao N346 nampiasa karatra mpifidy 75 izay nangalarina ny lehiben'ny faritra. Manarak'izany, tany amin'ny kaominina andrenivohitr'i Siguiri, 2 amin'ny birao 71 ihany no voaisan'ny komity mpitantana ny fanangonam-bato . Ny ambin'ireo valim-pifidianana ireo kosa dia tonga tao amin'ny trano fanisam-bato  tsy tao anaty valopy mihidy/voatomboka .

Conakry sary Flickr avy amin'ny http://www.flickr.com/photos/attawayjl/

Mitatitra i Siaka Kouyaté ao amin'ny Actu Guinee fa fisamborana roa no notanterahana taorian'ny fiampangana noho ny fanamboarana  kara-pifidianana [fr]:

Le commerçant dénommé Diallo Sadakadji et son fils, tous deux coupables d’édition et de distribution de près d’un million de fausses cartes d’électeurs, ont été arrêtés hier, mercredi, 30 juin 2010, à leur domicile à Kaporo, dans la Commune de Ratoma.

Nosamborina tamin'ny 30 Jona 2010 tao an-tranony any Kaporo ao amin'ny kaominin'i Ratoma ny mpivarotra iray antsoina hoe Diallo Sadakadji sy ny zanany lahy voapanga ho nanonta sy nizarazara kara-pifidianana hosoka miisa iray tapitrisa .

Te handeha lavidavitra kokoa noho ireo filazàna fiahiahiana hosoka ny Les Electeurs Testeurs ary manontany tena hoe inona no dikan'ny fihodinana faharoa amin'ny ho avin'i Ginea raha miroso hatrany izy ireo [fr]:

Pour le reste, le repli identitaire ne marchera plus. Il faut des alliances. Et seule l’objectivité pourra guider désormais le choix des autres ethnies en majorité les jeunes à aller vers l’un des deux candidats en liste pour le second tour de la présidentielle.

Ho an'ny ambiny, amin'izao fotoana izao, toa midika izany fa tsy handaitra mihitsy ny fifidianana manaraka sy mifototra amin'ny ara-poko. Ilain'ny tsirairay ny mitambatra. Na izany aza, ny fijery tsy miangatra ihany no afaka hitondra ny safidin'ireo foko hafa, indrindra fa ireo tanora satria izy ireo no hifidy ny iray amin'ireo kandidà roa tavela ho amin'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena .

Miresaka kokoa mikasika ny fifantohana amin'ny resaka ara-poko ho antony iray amin'ny fandatsaham-bato ny Les Electeurs Testeurs ary miaro ny heviny fa diso itàrina/nasiana sira loatra izany tany anaty haino aman-jery ary koa hoe afaka mijery ny lasan'ireo fanindrahindrana ny foko ireo Gineana [fr]:

Contrairement à cette image véhiculée par les medias, celle d’une Guinée où la réconciliation serait utopique, nous avons vu une autre Guinée durant ces campagnes qui s’achèvent. Les populations de la Guinée profonde ont su réservé cette surprise à tous les candidats en se mettant au dessus des clivages ethniques. Mais malheureusement, un incident a troublé cette atmosphère paisible hier. C’est une première et encore une fois c’est l’intérêt national qui a prévalu. La Guinée est et reste une famille.

Mifanohitra amin'ny sary voizin'ny haino aman-jery izay milaza fa nofinofy tsy mety ho tanteraka ny fampihavanana any Ginea, nahita Ginea hafa isika raha nifarana ireo fampielezan-kevitra. Nahazendana ireo kandidà ny vahoaka Gineana ary namela ny fizarazarana ara-poko ho any andamosin'izy ireo. Misy anefa ny tranga iray somary nampalahelo nanakorontana izay tontolo nilamina tsara izay omaly. Tranga iray naningana nefa ny tombontsoam-pirenena no nomena lanja aloha. Fianakaviana iray ary ho fianakaviambe iray foana i Ginea .

Ny rivo-piainana tsy nisy herisetra dia fijery noharabaina tongasoa  tany amin'ny toerana rehetra izay nahitàna korontana ratsy tamin'ireo taona lasa . Niaiky ireo mpanao gazety fa dingana lehibe izany. Maneho ny heviny amin'ny alalan'ny blaogy Guinea Oye ny mpanao gazety Souleymane Diallo:

Fahaterahana vaovao, dingana lehibe ho amin'ny fahafahan'i Ginea” ity fifidianana malalaka voalohany nataon'ny firenena ity hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantenany avy amin'ny Frantsa tamin'ny 1958. ” Hatramin'ny anio dia tsy mbola nisy fifidianana madio teto Ginea. Ity no fotoana voalohany ka tsy nahafantàrana ny anaran'izay ho Filoham-pirenena iray andro mialoha ny fifidianana

Manantena ny Gineana rehetra fa homen-danja ny faharetana sy ny fahaiza-mandinika rehefa avoaka ireo valin'ny fihodinana voalohany. Olona iray mpandinika ny fifidianana no manome ity fitànana manaraka mikasika  ireo fandehan'ny fifidianana ity :

Efa naharitra izy ireo, efa tena tsara toetra tsy nisy hoatr'izany, ary mahatsiaro maivana marina aho satria tsy mbola nisy fifidianana izany mihitsy teto amin'ity firenena ity, ka tsy norambasan'ny governemanta tompom-pahefana. Arak'izany, dia tena tsapa ny dikany fa tena te hiova marina izy ireo ary tena faly amin'izany.

Nanampy tamin'ireo rohy mankamin'ity lahatsoratra ity ny mpanoratra Gineana ao amin'ny Global Voices Abdoulaye Bah .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.