Palestina: miaina miaraka amin'ny gropy elektrozena ny any Gaza

Aizina ao Gaza, nalaina tao amin'ny Flickr Free Gaza Movement

Nakatona vonjy maika ny toby famatsiana herinaratra tokana ao Gaza ny 25 jona lasa teo, noho ny disadisam-pandoavam-bola teo amin'ny Hamas sy ny fanjakana palestiniana ao Ramallah izay nahalany ny solika. Mizaka izany fahatapahan-jiro izany ny mponina ao Gaza ankehitriny, fahatapahana maharitra 12 ora na mihoatra isan'andro, ary lasa fahazarana ny miantehitra amin'ny gropy mandeha amin'ny gazoala.

Tamin'ny taona 2006 dia nodarohan'ny tafika an-habakabaka Isiraeliana baomba ny foibe famatsiana herinaratra tao Gaza (GPP), ary hatramin'izay, dia tsy miasa manontolo izy ity fa ampahany ihany, toe-javatra izay vao maika niharatsy taoarin'ny fahirano an'i Gaza hatramin'ny 2007. Nanampy tamin'ny famatsiana solika mavesatra ilay foibe famokarana herinaratra ny Vondrona Eoropeana hatramin'ny faran'ny taona teo, avy eo nifindra tamin'ny fanjakana palestiniana tao Ramallah izany andraikitra izany. Nanomboka tamin'izay, dia nihena ny fanafarana solika mavesatra. Manamarina ny sampan-draharaha ao Gaza fa inian'ny fanjakana palestiniana atao ny mampihena izany famatsiana solika mavesatra izany. Etsy andaniny kosa ny fahefana palestianiana miampanga ny Hamas ho tsy mampandoa faktiora (jereo ny antsipiriany momba ny krizy herinaratra sy ny fiantraikany eo amin'ny maha olona, tatitra nataon'ny Firenena Mikambana ity [pdf]). Taorian'ny fikatonana naharitra herinandro, ny fiverenan'ny famatsiana solika mavesatra no nahafahan'ny toby nihodina 50-60 isan-jaton'ny tokony ho izy.

Lasa mitana anjara toerana goavana eo amin'ny fiainana andavanandron'ny mponina ao Gaza ny gropy elektrozena. Na izany aza, efa olona mihoatra ny zato no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny fahamaizana na vokatry ny  fahasemporana avy amin'ny karbona aterak'ireny fitaovana ireny, ary vao tsy ela izany tamin'ity taona ity ny fikambanana Oxfam no manao fanentanana mampianatra ny tokony hatao amin'ny fampiasana ireny fitaovana ireny lavitry ny loza.

Ilay mpitoraka bilaogy Abu el Sharif manoratra ao amin'ny Shajar El ba6a6a:

غزة صارت إشي ماشي على مولدات الكهربا…وين ما تروح بأي ساعة من اليوم بتلاقي الموتورات شغالة…و عمالها المدة كل مرة بتطول…زمان كانت تقطع 5-6 ساعات باليوم و الواحد كان بالعها…بس هلأ صارت تقطع بال12 ساعة و يمكن اكتر…
و كل واحد بدور على رزقتوا و فش فيها مشاكل…بس لما يكون مصفوف اكتر من 16 موتور جمب بعض بالسوق…كلهم بطلعوا صوت زي الحمار اللي عندوا عسر هضم و بطلعوا دخان اكتر من المحروس (Eyjafjallajökull) بعز شبابو !
Nanjary mandeha amin'ny gropy elektrozena i Gaza… Na aiza ianao no mandeha, na amin'ny firy na amin'ny firy, dia mahita gropy elektrozena mandeha foana… Ary mandeha amin'ny fotoana mihamaharitra hatrany izy ireny… Taloha, adin'ny 5-6 isan'andro, ka nanaiky izany ny olona… Ankehitriny miampy ny fahatapahan-jiro dia tonga hatramin'n adin'ny 12 na mihoatra aza…
Miezaka miaritra ny rehetra hivelomana, ary tsy misy olana ny amin'izany… Kanefa rehefa misy gropy elektrozena 16 mitandahatra eny an-tsena, dia mamoaka feo ohatry ny apondra tsy mahalevon-kanina daholo izy rehetra, sady mamoaka setroka be ohatr'ilay volokano Eyjafjallajökull tamin'ny fahatanorany!
Abu El Sharif manohy
الواحد بلف و بدور عن الاسباب و الصدمة هي لما يحكولك الخراف هادا…
الاتحاد الاوروبي بطل يدفع مصاري عشان يشتري بنزين للمحطة…هادي قديمة!
و السلطة الفلسطينية هي اللي كانت تدفع المصاري عشان المحطة و زي ما انحكالي 100 مليون شيكل بالشهر !
بس المشكلة انو السلطة الفلسطينية بطلت بدها تدفع بحجة انو السلطة الفلسطينية التانية اللي في غزة بدهاش تشارك بدفع حق البنزين للمحطة…طيييييييب ؟!
بديش ابالغ احكي و كل غزة بتدفع حق فواتير الكهربا عشان كتير من اهلها مش لاقيين…بس يا جماعة تقريبا نص الشعب بدفع فواتير الكهربا…و يا عمي اسمها فواتير الكهربا….يعني للكهربا…يبقى ليش و بأي حجة و تندفع لغايتها و هي الكهربا !!
بضل صراع سياسي بين احزاب و الاهل غزة مطحونين بالنص !
Mivezivezy mitady ny antony ianao, kanefa tsy mahita fa tezitra fotsiny manoloana ny hadalana tahaka izao…
najanon'ny Fikambanana Eoropeana ny famatsiana solika mavesatra ny toby – efa fantatsika izany!
Ny fanjakana Palestiniana indray no manome vola hanodinana ny toby, araka ny nambara ahy, 100 tapitrisa shekely isam-bolana! Ny olana anefa dia nijanona tsy nandoa vola intsony ny fanjakana, mody hoe ny fitondrana ao Gaza tsy te handray andraikitra amin'ny fividianana solika mavesatra ho an'ny toby… Ekena?!
Tsy hanitatra be loatra aho ka hiteny hoe nandoa ny faktiorany daholo ny olona ao Gaza, satria maro ny olona efa fantatra fa tsy afaka handoa izany mihitsy… Ny antsasaky ny olona anefa mandoa faktiora daholo, izany hoe ho an'ny herinaratra…Koa nahoana, fa maninona, misy izany faktiora aloa ho an'ny herinaratra??
Mitohy ny ady politika eo amin'ny antoko samihafa ka mizara roa ankehitriny ny mponina ao Gaza.

Ny vokatry ny fampiasana gropy elektrozena etsy sy eroa dia maloto ny tontolo iainana amin'ny lafiny rehetra. Lina Al Sharif, mpitoraka bilaogy ao amin'ny 360 km2 of Chaos, manoratra:

Mahita hevitra tsotsotra kanefa matetika mety hitera-doza ny mponina ao Gaza hiatrehana ny olana tsy misy farany mihatra aminy. Ny gropy elektrozena dia vahaolana iray, mamaha olana sasany izy kanefa miteraka olana hafa koa. Ny ankamaroan'ny trano fonenana dia mividy gropy elektrozena avokoa, nanjary toy ny orinasa goavana i Gaza. Mitera-doza ireny gropy ireny : ny rivotra maina dia miteraka fahasemporana samy hafa. Fanampin'izany ny mety ho ratra, ny feo mankarenin-tsofina avoakany. Mampijaly ny mandeha eny an-dalana : ny tabataba, ny fahalotoan'ny tontolo iainana sy ny hafanana be, miverina mody any an-trano ianao ohatry ny hoe avy niasa tanaty lavenona. Loza maro no efa niseho, olona maro no efa naratra na maty vokatry ny gropy elektrozena. Sarotra anefa ny mieritreritra ny fiainana ao Gaza tsy misy ireny fitaovana ireny, na dia fantatra aza fa manimba ny fahasalamana izy ireny sady manimba ny tontolo iainana, manamora ny fiainana ihany izy ho an'ny mponina ao Gaza. raha tsy lazaina intsony ny tsena nandeha be ho an'ny mpivarotra azy ireny.

Fehiny:

Lina

Ny vahaolana tokana dia ny fiheverana ireo hiharan'ny fanjanahana, fangejana sy ny tsy firaharahiana ny mahaolona, olombelona mendrika ny hiaina tsara izy ireo.
Hatreto aloha, mbola tsy nahita izay mahaolona ireo mponina ao Gaza ireo mpanao politika.

Ao amin'ny bilaogy mitambatra Beyond our borders, Derar Mohamed manoratra:

“Inona! Inona no noteneninao?… Izaho izay, voatery mampiakatra feo hahafahako mahatakatra ny tian'ny namako holazaina talohan'ny niampitany ny arabe. Fifanandrifian-javatra, ny lalana ery am-pita tsy misy jiro satria nogejain'Israely ny solika mavesatra, nampiasaina ho an'ny toby famokarana herinaratra, ary tsy afaka niditra tao an-tanànan'i Gaza. Vokatr'izany, voatery nampiasa ny gropy elektrozena ireo mpivarotra rehetra manamorona ny lalana hanazavana ny entam-barony feno vovoka amidiny eo andro aman'alina. Zavatra fahita matetika any amin’ ny toerana voageja izany. Fanafihana sy herisetra mahery vaika no mandrafitra ny fiainana andavanandron'i Gaza, hatramin'ny nahapotehan'ny fotodrafitr'asa nandritra ny ady, vokatry ny tsy fahampian'ny vola sy ny fitaovana, hatramin'ny fotodrafitr'asa goavana nosimbain'ny miaramila isiraeliana, ny tsy fahampian'ny akora fanamboarana trano. Kanefa izany rehetra izany, ny sisintany mihidy, ny fitaovam-bahoaka potika sy ny rivotra politika mahamay dia zava-misy marina tsy maintsy hiainan'ny mponina tsy manan-tsiny.

Tohizany ihany:

Hatramin'ny fanafihana farany nataon'ny Isiraeliana, fomba fijery diso no nampitahaina tamin'i Gaza : faty, fipoahana, toeram-pitrandrahana sy trano maro potika esty sy eroa. Raha atao amin'ny teny mazava, hoy ny filazany : ny fidirana ao Gaza dia tafasaraka amin'ny fivoahana ao. Novaliako eny izany. Miditra ao Gaza ianao miaraka amin'ny ahiahy rehetra noho ny tsy fisian'ny fandriam-pahalemana sy ny fotoana mety hahafaty anao. Kanefa mivoaka ao ianao miaraka amin'ny zavatra tsara, namana, ary ny fahatsiarovana tsara indrindra. Raha mamangy ny toerana manan-tantara ao Gaza ianao, raha manandrana ny Falafel vao mafana eny amin'ny toeram-pisakafoanana ao Gaza, raha maka sary eny akaikin'ny ankizy ao Gaza. Azo antoka fa hiverina ao indray ianao, ary raha mampanahy anao ny herinaratra, aza matahotra, efa misy gropy elektrozena ao. Noho izany, TONGA SOA ETO GAZA.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.