Iraka: Iza no ho Praiministra manaraka?

Tsy nahita marimaritra iraisana ho amina kandidà  tokana hapetraka amin'ny toeran'ny Praiminisitra ireo vondrona roa maro an'isa lany tamin'ny fifidianana, na dia efa natao tamin'ny 7 Martsa aza ny fifidianana ny ho parlemanta irakiana. Nanambara ny Praiministra amin'izao fotoana i Nouri Al Maliki fa nisy ny halatra nandritry ny fotoam-pifidianana. Na izany aza, nanaiky ny valim-pifidianana ihany tamin'ny farany ny vaomiera misahana ny fifidianana ary nanamafy fa tsy marina ny fanambaran’ i Al Maliki.

“Nanambara ny vaomiera misahana ny fifidianana fa nifarana ny famerenana nanisa indray ny ampahan'ny vato ary tsy nahitana tranga-na halatra izany, roa volana mahery aty aorian'ny fifidianana Irakiana”, hoy  Iraqi Mojo .

Nanoratra mikasika ny voka-pifidianana ofisialy farany izay nanamafy fa nandresy ny lisitr'i Iraqiva misy an'i Aat Allawi i Iraqi Pundit. Maneho an-karihary ihany koa izy hoe hatraiza no takona ireo vaovao lehibe raha oharina amin'ny trangan-javatra hafa toy ny hoe “iza no manana fahefana amin'ny fitantanana ireo Vavahadin'ny Faritra Maitso” sy ny ”  “Fanafihana isareliana amin'ny sambo mitondra ireo  fanampiana amin'ny maha-olombelona  ho an'i Gaza :

Nanaiky  ny valim-pifidianana tamin'ny 07 Martsa ny Fitsarana an-tampony irakiana, ary namoaka tamin'ny fomba ofisialy ny lisitr'i Iraqiya misy an'i Ayad Allaowi ho mpandresy.Tsy dia nisy nahita anefa izany filazana izany. Mirona kokoa any amin'ny asa fitantanana ny Faritra Maitso, izay eo ambany fitananan'ny Irakiana amin'izao fotoana izao ny sain'ny rehetra.  Ary , mazava ho azy, mbola miresaka momba ny fanafihana Israeliana amin'ny fanampiana avy amin'ny sambo ho an'i Gaza ny vahoaka.

Mbola manontany tena ao amin'ny lahatsoratra hafa i Iraqi Pundit raha midika izany filazana izany fa hifanaraka amina  kandidà tokana ny vondrona maro an'isa irakiana, na mbola hitohy amin'ny fampiraharahana ihany izy ireo mandritry ny roa volana mahery: 

Milaza ireo mpanao politika fa hanao ny hetsiny mitambatra izy ireo atsy ho atsy. Efa nahaino an'izany isika taloha, fa manantena isika fa hisy dikany izany amin'ity indray maka ity. Milaza i Nouri Al Maliki fa tsy hiala amin'ny sezan'ny maha-praiministra azy izy. Mampalahelo ny mijery azy satria efa nankatoavin'ny Fitsarana an-tampony ny valim-pifidianana tamin'ny 07 martsa, izay manambara fa i Ayad Allawi no kandidà manana toerana maro indrindra ao amin'ny parlemanta.

Manontany tena ihany koa izy ny amin'ny fifanekena sy ny fifanarahana nandrasana  izay mety hipetraka amin'ireo antoko samihafa amin'ny lalao politika irakiana:

Milaza i Maliki fa nanangana fikambanana miaraka amin'i INA izy, saingy  mbola tokony hanao fifanarahana amin'ny fanendrena ny Praiministra izy sy ny fikambanana Siita. Ary mazava ho azy satria milaza i Maliki fa izy irery no kandidà. Nilaza ho tena sahirana i Allawi raha nihaona tamin'ireo Kurds, Sistani, eny fa na ny tarika Sadr aza. Haider Al Mullah, mpikambana ao amin'ny lisitr'i Allawi aza dia nanambara androany fa tena mety hanendry an'i Adel Abdul Mahdi ho Praiministra izy ireo. Raha marina ity tantara ity , dia midika izany fa i Allawi mihitsy no hanolo an'i Maliki . Mazava ho azy, Iraka anie io e, mety hiseho daholo ny zavatra rehetra.

Nanapa-kevitra ny hamoaka karazana sosokevitra toy ny hoe “ary  raha” ny bilaogy  Iraq and Gulf Analysis , ary miahiahy ny mety hiseho raha tsy mifanaraka amin'ny kandidà tokana ireo vondrona roa maro an'isa. Nanomboka tamin'ny fanambaran'i Bahaa al-Aaraji, mpanao politika Sadrista, izy ireo, mikasika ity sakana ity:

Tena mahaliana ireo fanambaran'i Bahaa al-Aaraji, mpanao politika Sadrista. Nilaza tamin'ny seraseram-pifandraisana izy vao haingana fa raha misy ny tranga hoe tsy mifanaraka amina kandidà tokana ireo vondrona roa Siita mpitarika , ny Fikambanana Nasionaly Irakiana (INA) sy ny Tany Tan-dalàna (SLA), dia mety hisy ny fihodinana faharoa amina kandidà maro amin'ny alalan'ny fifidianana miafina ao amin'ny parlemanta!

Fa ny tena marina, haitraitra avy amin'i Aaraji izany. Na mety hoe afangarony amin'ny fomba fanao amin'ny fifdianana Filoham-panjakana izany, izay mitovy amin'ny nolazainy ( ankoatry ny hoe tsy miafina angaha ny fifidianana). Raha tsy mahita kandidà tokana , dia ara-pamaritana, tsy hahavita ny hanolotra “ny kandidà avy amin'ny vondrona tena lehibe indrindra” izay takian'ny lalàm-panorenana ( izay tokana!) ny INA na ny SLA , ary tsy mampaninona izay andikàn'ny olona ny hoe  ” vondrona lehibe indrindra”; tokony hahavita ny manangana governemanta i Iraqiyya satria izy ireo aloha farafaharatsiny no efa manana kandidà iray.

Manarak'izany, misantatra ny torohevitra hafa avy amin'i Izzat Shabandar avy amin'ny SLA izy ireo:

Nanoro hevitra ihany koa i Izzat Shabandar avy amin'ny  SLA (niala tao amin'i Iraqiyya) fa tokony ho antsoina ireo vondrona maro hafa raha toa ka tsy mifanaraka amina kandidà tokana ny INA sy ny SLA ny amin'ny fanendrena izay tokony ho Praiministra  , izay “mifanaraka tsara amin'ny lalàna farany navoakan'ny fitsarana an-tampony federaly momba io resaka io”, raha ny vinavina ! (Tsy milaza ny zavatra toy izany akory izy raha ny tena zava-misy marina).
Dia averina indray, fa manipaka ny lalàmpanorenana izany, izay manoritra mazava ny lalàna ahitàna fa mipetraka amin'ny Filoham-panjakana sy ny kandidà iray  manokana avy amin'ny vondrona lehibe indrindra io olana io.

Nanapa-kevitra ny hidina an-dalam-be ka hijery ny hevitry ny vahoaka mikasika ny fifidianana ireo mpanao gazety avy amin'ny Inside Iraq raha toa ka mbola manohy ny fanadihadiany mikasika ny vahaolana maro i Iraq and Gulf Analysis .

Niandry ny filazana momba ny fananganana ny governemanta vaovao ireo Irakiana taorian'ny fifidianana ara-parlemanta tamin'ny Martsa.
Taorian'ny telo volana niandrasana, niezaka aho namantatra ny hevitry ny vahoaka momba ny olana Irakiana lehibe indrindra.  Niresaka tamin'ny olona roapolo mahery amin'ny faritany valo mahery aho. Nitovy daholo ny zavatra nolazain'izy ireo. Ary hevitr'olona efatra ihany no nosafidiko. Fanampin'anaran'ireo olona tanisaiko ihany no hosoratako noho ny antony ara-piarovana.

Raha ny tena marina, i Hussein, mpamily fiara karetsaka any amin'ny faritanin'i El-Basra no nahavita namehy ny hevitry ny ankamaroan'ny vahoaka Irakiana, raha ny fahitako azy amin'ireo olona efatra voalaza:

“Tsy hivoatra mihitsy i Iraka, ary tsy hihatsara mihitsy ny fiainanay satria tsy miaro afa-tsy ny tombotsoany ireo mpanao politikanay. Nanao fahadisoana lehibe izahay raha nandray anjara tamin'ny fifidianana farany. Tsy hahavita hanangana ny governemanta ireo mpanao politikanay na dia ao anatin'ny roa volana manaraka aza satria dia mbola mifampiraharaha amin'ny fizarana ny  tokony ho an'ny antokony izy ireo toy ny hoe lovan'izy ireo i Iraka. Mino mihitsy aho fa tsy hahavita na inona na inona akory ny governemanta ho avy eo, ary hanao ny fialantsiny mitovy amin'ny teo aloha ihany izy. Tsy misy fanantenana mihitsy” hoy i Hussein.

Farany, voasokajy ho toerana ratsy indrindra eran-tany hipetrahana i Bagdad, raha mbola mitohy kosa amin'ny adiny ireo mpanao politika, efa ho iraikambinifolo herinandro izao. Tsikerain'i Iraqi Pundit izany vaovao izany ao amin'ny lahatsoratra vaovao ao amin'ny blaoginy mitondra ny anarana hoe No Honour, Plenty of Shame (Tsy misy voninahitra, feno henatra). Hoy izy:

Voatondro fa i  Viena renivohitr'i Aostraly no toerana tsara indrindra eran-tany hipetrahana ary i Bagdad no ratsy indrindra, raha mbola manohy ny adiny ireo mpanao politika efa ho iraikambinifolo herinandro izao. Milaza ireo fitateram-baovao ao an-toerana fa tsy noho ny antony fandriampahalemana no nahatonga an'i Bagdad ho amin'ny laharana farany, fa noho ny tsy fisian'ny jiro sy ny rano fisotro madio.Tena tsy mahalala menatra mihitsy ireo mpanao politika.

Mbola manontany tena amin'ny lahatsoratra hafa Mbola manontany tena amin'ny lahatsoratra hafa Mbola manontany tena amin'ny lahatsoratra hafa

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.